mercredi 3 juin 2009

SETRIM-PANDAVANA



SETRIM-PANDAVANA


SETRIM-PANDAVANA

Na dia tsy nisy aza ireo porofo izay nentina hanamarinana fa i Jesoa dia noforonon'ireo mpihosoka,dia efa
ampy ny fahanginan'ireo mpanoratra fanta-daza tamin'izany fotoana izany mba hinoana ny tsy fisiany.

Plinna zokiny (Plinne le vieux):

I Plinna zokiny,maty tamin'ny taona
79 CE,vavolombelon'ny zava-nisy Palestinianna taorian'ny lazaina fa fiomboana (crucifixion) an'i Jesoa,dia nandalo tany an-toerana (Palestinna) nandritra ny 5 taona nanelanelana ny taona 65 sy 70,nefa tsy naneho na kely akory aza ny fisian'ny olona nitondra anarana hoe Jesoa.

Izy io dia nalaza tamin'ny fitiavany mitantara ny zava-misy
amin'ny antsimpirihiny.Izany rahateo no nahafaty azy satria nanatona akaiky loatra ny volkanon'i Vezova mba ahitan'izy tenany ka hitantarany ny fidonany.

Raha tsy niteny tsy nivolana ny momba an'i Jesoa sy ny momba ny kristianna izy dia ao raha,fa tsy sanatrian'ny vava akory hoe tsy firaharahiana.

Tamin'ny fotoana nandalovany tany Palestinna dia be ny zavatra notantarainy,anisan'izany ny momba ny foko Esenianna izay niorim-ponenana tao amin'ny efitry Engady,foko izay nanaovany famaritana mifanaraka tsara amin'izay fantatsika rehetra momba izany tamin'ny alalan'ny oronan-taratasin'i Komrana*.Nefa tsy niresaka izy na kely aza ny amin'ito fivavahana vaovao lazain'ny kristianna ito izay, araka ny hita ao amin'ny Asan'ny Apostoly,lasa mahazo vahana hatrany nohon'ny fibosesehana tsy an-kijanon'ny am-polony,an-jatony,an'arivon'ny mpino vaovao.

Senaika (Sénèque):

Filozofa sy mpanoratra tamin'ny andro evanjelika dia tsy nahafantatra n'inon'inona mihitsy ,na ny amin'i Jesoa,na ny amin'ireo kristianna,na ny fanenjehana azy ireny izay voalazan'ny Eglizy fa nafitsok'i Nerona azy.

Ny fahanginan'i Senaika dia nampisy fahabangàna tsy hita noanoa,nefa amin'ny maha mpitaky hetra ho an'iNerona azy dia tsy afaka ny tsy hahalala ny kristianna izy raha nisy izy ireny tamin'ny taona
50-60.Teo am-pitediavana porofo hamenoana izany banga izany nefa i Md* Zerôma (347-420 CE) dia niainga tamin'ny faharetan-taina (stoïcisme) nampiavaka an'io filozofa io,ka nahavatra mihitsy nankalaza ny fifanakekezan'ny toe-pon'i Senaika sy ny teolojia kristianna,hany ka nataon'i Md Zerôma anisan'ny "rain'ny Eglizy" mihitsy izy.(En cette periode d'hiver 2005/2006,mon fils me rapporte qu'un de ses enseignants suggère d'élever Coluche au rang des Saints catho.)

Tsy vitan'izany ihany fa mba hampisehoana ny fisian'izany fifandraisana izany dia tsy nisalasala ny Eglizy ny namorona fifandraisana am-pirahalahiana* eo amin'i Senaika sy i Paolin'i Tarsa,fifandraisana maivana sy faran'izay an-koban'andro loatra ka tsy misy olona sahy,na ny Eglizy aza,mitompo azy ho fahamarinana.

Soetaonna (Suétone):

Sekreteran'ny amperora* Domisianna (Domitien) tamin'ny taona
90-95 CE,izany hoe tanatin'ny fotoana voalaza fa nisian'ny fanenjehana (kristianna).Izy koa dia tsy niloa-bava mihitsy ny amin'i Jesoa sy ny kristianna,toa an'i Plinna zokiny sy i Senaika ihany.

Ao amin'ny " fiainan'ny sezara folo roa amby "* (Vie des 12 Césars ),miresaka ny amin'i Klody dia milaza i Soetaonna fa tamin'ny taona
44 dia noroahina hiala tao Roma ny Jiosy satria nampisy fisavorovoroana mitarazoka tarihin'izany antsoina hoe Krestosy* izany.Matoa ny Eglizy tsy nihindrihindry intsony ny hilaza fa ny Kristiany io voalaza io na dia efa nataony aza izany,dia tsy nohon'ny fahariantsainy tsy akory,fa nohon'ny antony hafa :
->Ny iray dia antony ara-tantara :satria ny Jesoa maty tamin'ny taona 33 CE dia tsy mety raha ho Krestosin'ny taona 41 CE.
->Ny faharoa dia ara-kevitra:satria ny mpampisavorovoro dia tsy hita hatao filohan'ny Kristianisma.

"Voaroaka handao an'I Roma tamin'ny taona
41 ny Jiosy tamin'ny alalan'ny teny baikon'ny amperora Klodiosy,satria miteraka fisavorovoroana tsy ankitsahatra nohon'ny fisian'I Krestosy" (fiainan'ny Sezara folo roa amby).

Io fanambaran'I Soetaonna mikasika ny fandroahana ny Jiosy mpampisavorovoro io dia mangim-porofo fanampiny ny amin'ny fisian'ny foko Esenianna Zelota tany Roma (fa tsy kristianna araka ny tohanan'ny Eglisy),izay misy koa ny mpivady Prisilla sy Akila nampiantrano an'I Paoly.I Paoly koa dia mazava fa Nazira* (Asa 17-18) (Jereo "La Fable de Christ").

I Krestosy, midika hoe "ilay tsara indrindra",dia sefo mpamolavola fisavorovoroana niseho tany Roma izay mateti-piseho mihitsy tamin'ny taona
39-40 CE,andron'I Kaligola.Fisavorovoroana izay nokendren'i Klody hofongorana tamin'ny alalan'ny teny baiko* mandroaka ny Jiosy mpampisavorovoro tamin'ny taona 41CE rehefa tonga amperora izy.

Ny naha anisan'izany an'i Prisilla sy Akila,ary ny nampiantranoiny an'I Paoly amin'ny maha Nazira* azy dia porofo fanampiny koa manamafy fa ireo izay lazain'ny Eglizy fa kristianna voalohany dia tsy inona akory fa Esenianna Zelota.

Plinna zandriny (Pline le Jeune)

Nandritra ny fotoana naha-governora azy tany Bitinia (
112-113CE) dia nanoratra taratasy ho an'ny amperora Trajana I Plinna zandriny mba hangataka aminy ny torolalana ny amin'ny tokony ataony amin'ny mambra* ao amin'ny fikambanana manao fitaom-pivavahana famelan-keloka (rites propitiatoires) vao maraina amin'ny anaran' olona atao hoe "Khristo" izay heveriny ho toy ny andriamanitra* (khristo quasi deo).Izy ireo dia mivory mba hihinana sakafo madio.

Ny famakiana an'ito andalan-tsoratra ito izay nosoratan'i Flaviosy Josefa mikasika ny Esenianna dia
efa ampy ahafantarana fa ireo olona izay resahan'i Plinna zandriny dia tsy kristianna velively tahaka ny tediavin'ny Eglizy hotohanana.

" Ny fanajàny ny andriamaniny dia hafakely,alohan'ny iposahan'ny masoandro dia mitanisa vavaka aminy izy,toy ny mitalaho mihitsy ny itsanganany??Tsy miditra an-trano fihinanana izy ireo raha tsy vita sasa mialoha amin'ny rano mangatsiaka mba hidiovany.Rahefa tafapetraka amim-pahanginana dia ataon'ny Mpisorona* ny vavaka mialohan'ny sakafo,ary tsy misy mahazo mandrapaka raha tsy vita izany.Rehefa samy voky dia mivavaka indray mba ho andriamanitra no ho voahasina toy ny mpanome aina hatrany am-boalohany ka hatramin'ny fiafaran'ny sakafo " (Ady Jiosy VII).

*Ny " Kristy saika andriamanitra " lazain'i Plinna zandriny dia ny mesia spiritoaly izay nanomboka nandrasan'ny Esenianna taorian'ny faharesen'ny tafika Jiosy tamin'ny taona 70 CE rehefa avy nisaraka tamin'ny vaika revolisionera izy ireo.

Ireo fisakafoanana mitambabe voatatitry ny taratasin'i Paoly an'i Tarsa (
Agapes),mitovy amin'ny fombafomba voalazan'i Flaviosy Josefa ary amafisin'ny tahirin-kevitra hita tao Komran* (" Rouleau des Règles "=oronam-pitsipika) dia mbola porofo hafa fanampiny manambara fa ny tediavin'ny Eglizy ho lazaina fa kristianna dia tsy iza tsy akory fa ny mambran'ny fikambanana Esenianna.

Tasita (Tacite) :

I Tasita indray dia mpanoratra latinna izay aritreretin'ny Eglizy fa nanome porofo matotra indrindra ny amin'ny fisian'ny kristianna tany Roma tamin'ny taona
50-60 CE izany hoe tamin'ny andron'i Nerona.Ny andalan-tsoratra nosinganiko ny amin'izany dia ny hita ao amin'ny boky faha-XV n'ny rakitra* (annales) izay ahitàna fa i Nerona dia miampanga ny kristianna ho nandoro an'i Roma ary nanenjika azy ireny,ka tamin'izany indrindra no nahafaty ny matitiora maro,anisan'izany i Piera sy i Paoly.

->Ny tatitra momba ny fandorana an'i Roma,
->ny fahafatesan'i Piera sy i Paoly voalazan'ny rakitra* izay tsy fantatry ny mpintantara rehetra tamin'izany fotoana izany sy ireo nanaraka,anisan'izany ny kristianna Orizena,ny eveka Kléma,Ezeban'i Sezare,indrindra fa i MD Aogosta (St Augustin)(io farany io dia tsy nivolana ny amin'izany mihitsy tao amin'ny bokiny atao hoe " De Civitade Dei ",izay natao itantaràna koa ny loza nihatra tamin'i Roma nialohan'ny " fanapotehana an"i Roma " noho i Alarika tamin"ny taona 410 CE)....
...Ireny rehetra ireny dia tsy fantatra raha tsy tamin'ny taon-jato faha-XV tamin'ny alalan'ny sangan'asan'i Poggio Brandolini,sekretera pontifikaly* izay nilaza fa nandray izany (tamin'ny taona 1429,miendrika ho soratànana tamin'ny taon-jato faha-XI) tamin'ny moanna* (moine) zoviana* tonga tao Roma mba hivahiny.Io sekretera pontifikaly io ,izay efa fantatra tamin'ny fisandohana maro, dia namorona izany tahirin-kevitra izany,tsy ny hanamporofoana ny fisian'ny kristianna tamin'ny andron'i Nerona izay efa ninoan'ny rehetra tsy akory no tanjony,fa ny hamaha ny olana nateraky ny fandàvana avy amin'ny firehana kristianna isan-karazany sy avy amin'ny " konsilin"ny kardinaly " izay nandà ny fahamatoan'ny Evekan'i Roma eo anivon'ny tontolo kristianna.Vakio ireo konsilin'i Pizy (1404 CE) sy ny an'i Konstansa (1414 CE).

Tamin'izany dia fotoam-pisavorovoroana an-tanan-tohatra teo amin'ny Eglizy,izay nandraisan'ny Papa sy Antipapa anjara,toa an'i Joany faha-XXIII,Benoa fah-VIII sy Aleksandra faha-V,izay samy nikendry ny ahatonga ny fonenana nipetrahany avy ho foibe pontifikaly.

I Poggio Brandolino,tamin'ny alalan'ny zava-boalaza ao amin'ny rakitr*i Tasita,dia te hanondro nohon'ny naha maritiora an'i Piera,fa ny laharam-pahamehana eo amin'ny maha-kristianna mba ho foibe dia i Roma,izany hoe an'ny evekany,mba ho mpandimby an'i Piera nohon'ny zo ara-tantara.

Ny maha-hosoka an'io tahirin-kevitra natolotr'i Poggio Brandolino tamin'ny taona
1429 io dia voamarina,tsy araka ny harintsaina ihany,fa koa ny tsy mampiety an'i Piera ho maritioran'i Nerona satria tamin'ny taona 46 CE izy no maty tany Jerosalema niaraka tamin'ny rahalahiny Zaka tamin'ny andron'i Kospiosy Fadiosy,ary koa tsy nanoratra mihitsy i Tasita ny fisian'ny fandorana an'i Roma,ny antony dia tsy niseho mihitsy izany araka ny voamarina ara-tantara.

Ny fanamarinana fa sandoka ny tahirin-kevitra nampisehon'i Poggio Brandolino dia fantatra koa tamin'ny alalan'ny mpahay tantaran'ny Eglizy antsoina hoe Disenna (Duchesnes
1843-1922) izay nanao fanadihadiana lalina ny amin'ny tantaran'ny kristianna ka tonga tamin'ny fehin-kevitra sy tolo-kevitra manao hoe : " Tokony ho foanana amin"ny tantaran"ny Eglizy ireo Papa sivy voalohany,anisan"izany i Piera,izay tsy Evekan"i Roma na hoviana na hoviana.(Histoire ancienne de l"Eglise).

Mba hamintinana ny amin'io hosoka io dia izingiziniko na dia ohatry ny tsy mampino aza fa
ny tahirin-kevitra tokana izay nifotoran'ny tantara momba ny fandorana an'i Roma dia tsisy afa-tsy io andalan-tsoratra natolotry ny sekretera pontifikaly Poggio Brandolino io tamin'ny taon-jato faha-XV.Izy io dia iray tamin'ireo mpisandoka kristianna kalazalahy.Io andalan-tsoratra io no noteren'ny Eglizy ho toy ny solotenan'ny porofo marina ny amin'ny fisian'ny kristianna tamin'ny andron'i Nerona.

Mahagaga,fa mbola misy foana manohana fa ny Eglizy,izay mpandrotika tahirin-kevitra manan-kery ara-tsiansa,sy manan-kery ara-pilozofia,sady mpamorona " fôpla "* (sandoka) dia tsy maintsy inoana ho toy ny mpiaro ny sivilizasiona tandrefana !

Ny ventiben'ny fanamarinana fa hosoka ny andalan-tsoratra mikasika ny fanenjehana ny kristianna dia azo avy amin'ny fanamarihana nalefan'ny Profesora Gaspard Angeleri tamiko :
" Tena manaitra tokoa ny fahatsapàna fa ny mpanoratra ny Rakitra* izay tsy nihontsona akory teo anatrehan"ny fahalozan"ny sirka* (cirque) izay andripahana voafonjan"ady an"arivony maro ;izay tsy naneho fitserana kely akory an"ireo andevo zato novonoina nohon"ny famonoany ny lehiben"ny faritanin"i Roma (prefet) tamin"ny taona 61CE ;izay tsy nihetsi-bolomaso akory rehefa mitatitra an-tsoratra ny fandripahana tao Sylla (AnnIII-27) ;izay nampiseho hafalian"olon-dia teo ampijerena ireo Germains nifamono tamin"ny ady an-trano...nefa onena dia onena ny amin"ireo maritiora kristianna ".

Plotarka (Plutarque)

Tsy misy na ohatry ny amatra aza avy amin'i Plotarka mikasika ny kristianna sy i Jesoa.Toa azy koa,tsy misy n'inon'inona avy amin'i Jovenala (Juvénal),Paozaniasy (Pausanias), sy Kasiosy Diona (Cassius Dion) izay nanan-ko lazaina (raha nisy marina izy ireny) tanatin'ny boky hoe " Tantara Romanna " izay iresahany ny zava-niseho tamin'i Roma nanomboka tamin'ny taona
67BCE ka hatramin'ny taona 47CE.

I Losie an'i Samosaty (Lucien de Samosate
125-192 CE) ihany no niresaka momba mpanao mazia iray izay maty tamin'ny hazo fijaliana satria nampiditra fivavahana ara-Mistery (culte des mystères) izay ara-pirehana Sirianna ka noho izany dia manaporofo indray fa raha nisy marina ilay olona dia tsy hafa fa mpanaraka ny tsangantsaina* (idéologie) Esenianna izay niroborobo tany Siria araka ny fivavahana Mitraika* (Mitraïque).

Selsa (Celse) :

Mpanohitra kristianna ary mpitsivalana mafana vay.Izy dia niaina tamin'ny fotoana nanefen'ny kristianna ny Evanjely sy ny asan'ny Apostoly taorian'ny fisimahana (schisme) nohon'ny fampidirana ny sakramentan'ny eokaristia tanatin'ny fikambanana Esenianna (Jereo ny La Fable de Christ).

Tamin'ny faran'ny taon-jato faharoa dia nanoratra boky i Selsa ka nampitondrainy ny lohan-teny hoe : " tohariana ho an"ny kristianna " (contre les chrétiens).Ka tanatin'io izy dia nametrapetraka ny fanazavàna ny amin'ny sangodim-panina rehetra nataon'ny kristianna
" mba hamoronana tavana mazisianna izay,raha tena nisy tokoa,dia tsy hafa fa ny iray tamin"ireo mpisoloky sy mpandrebireby vahoaka nanerana an"i Palestinna."


Ary tamin'izany fotoana izany indrindra,izany hoe tamin'ny
faran'ny taon-jato faharoa,no voatonon'i Orizena voalohany indrindra ny anarana hoe " Jesoa " tamin'ny alalan'ny boky nosoratany atao hoe " contra Celsum " (tohariana ho an'i Selsa) izay nosoratany mba hanasetrena ny fiampangana natifitr'i Selsa ny Eglizy momba an'io anarana io (Jesoa) izay nomeny ny " debany "* (héros) izay nantsoina tamin'ny fiantsoana safobemantsina (générique) hoe : " Tompo ", " Kristy ", " Mesia " sy " Mpamonjy " talohan'izay.

Ny anarana hoe Jesoa dia natsofoka tao amin'ireo lahantsoratra tranainy nandritra ny fotoana nanaovany ireo " hitsa-bita " (remaniement) lehibe,izany hoe tamin'ny taon-jato faha
-III,faha- IV ary faha-V.Ny fanavaozana tsy an-kitsahatra ireo Evanjely dia porofoin'ny fanovàna farany natao taminy izay hita ao amin'ny Edisiona ankehitriny mikasika ny fiantsoana hoe Nazareanna izay nosoloina tamin'ny hoe Nazaretana.Izany dia nataony tamin'ny fotoana nankalazany fa io no fiantso tena marina miankina amin'ny tananan'i Nazareta.

*Ny bokin'i Selsa " Tohariana ho an"ny kristianna " (nopotehan'ny Eglizy),dia ireo fehezan-teny notsongoin'i Orizena tao amin'ny bokiny " tohariana ho an"i Selsa " (Contra Celsum) sisa niangana.Ka anisan'izany ity manaraka ity :
" Ny marina dia ireny zava-nisy lazainareo mikasika ny tamabohanareo ireny,izay omenareo anarana hoe Jesoa dia tsy inona akory fa forona ataonareo sy ny sefonareo kanefa tsy nahafahanareo nanome sarintsarim-pahamatorana akory na kely aza ".
(De " contre les chrétiens " de Celse).


Filona an'i Alekrsandria (Philon d'Alexandrie) :

Filona (maty tamin'ny taona
50 CE) niaina tanaty fotoana mesianika tanteraka,amin'ny maha filozofa neoplatonisianna azy dia niresaka ny momba ny " Teny " (logos) izy izay nandrasan'ny fianakaviana Esenianna ho Mesia mpanatontosa ny rariny eto an-tany,nefa tsy nivolana na kely aza ny amin'i Jesoa sy ireo kristianna.

Dia ho marina ve fa raha nisy tokoa tany Aleksandria,tanàna izay nipetrahan'i Filona,an'izany fivavaham-baovao izany,fivavahana izay nirohotan'ny manamboninahitra Romanna,olo-manankaja sy mpanao politika maro ary an'arivorivon'ny mponina araka ny tantarain'ny soratra masina dia tsy ho niteny tsy nivolana ny amin'izany izy ?
Dia ho marina ve ny tsy nahafantarany ka niresahany ny momba an'i Paolin'i Tarsa izay fanta-bahoaka nohon'ny kabariny momba ireo fahagagana raha niseho marina araka ny voalazan'ny Asan'ny Apostoly sy ny Epistily ny zava-nisy ?

Zisin'i Tiberiada (Juste de Tiberiade) :

I Zisin'i Tiberiada,mpahay tantara ary fahavalon'i Flaviosy Josefa dia tsy niresaka na ny amin'i Jesoa na ny amin'ny kristianna tao amin'ny bokiny very atao hoe : " tantaran'ny ady Jodaika ".Izany dia fantatra amin'ny alalan'i Fotiosy (Photius),Raiamandrenibe (Patriarche) an'i Konstantinopla izay nitady maina ny resaka mikasika an'i Jesoa tao anatin'ny kopian'ilay boky mbola nananany tamin'ny taon-jato faha-IX.Vakivava sy talanjona izy teo ampamaranana ny sorany ka nanao hoe :
" I Zisin"i Tiberiada dia tsy nilaza mihitsy ny fahaterahana,ireo zava-niseho sy fahagagana lazaina fa nataon"i Jesoa ".

Flaviosy Josefa (Flavius Joseph) :

Niniako natao farany mihitsy ny amin'i Flaviosy Josefa satria avy aminy,araka ny fihebon''ny Eglizy,no nahitàna ny porofo tsy hay lavina ny maha ara-tantara an'i Jesoa.

Flaviosy Josefa dia Jiosy ary mpivavaka Jiosy.Nofonjain'ny Romanna izy nandritra ny ady Jiosy tamin'ny taona faha
70 CE,ady izay naha-manamboninahitra azy tao amin'ny tafika Jiosy.Taorian'ny fananganan'i Roma azy,nohon'ny toetra tsarany sy ny kolontsainy,ho mpahay tantara amin'ny fomba ofisialin'ny Ampira* (Empire Romain),dia nanoratra ny tantara Hebrioka* miisa ho roa izy dia ny " Antikité Jodaika " sy ny " Ady Jiosy ".
Ny boky voalohany izay miankina amin'ny baiboly Septanty* dia mitantara ny zava-nikasika ny vahoaka nanomboka tamin'ny bokin'ny
Jenesisy ka hatramin'ny ady Jiosy izy (66 CE). Ny boky faharoa dia mitatitra ny tantaran'i Palestinna teo anelanelan'ny nanjakan'i Antiosiosy Epifanna (164 BCE) sy ny ady tao Masada izy (74 CE),ady izay nahafatesan'i Eleazara,faralahin'i Jodasy lehi-Galileanna,mpikonokonona ny ady tamin'ny fanisàna (Guèrre du recencement).

Eo anatrehantsika noho izany ireo boky roa ireo izay mandray ny taona
1 CE (adin'ny fanisàna) sy ny taona 70 CE (niantombohan'ny fihelezana jiosy).
Kanefa,tsy nahitàna n'inon'inona mikasika an'i Jesoa ao amin'ny " ady Jiosy ".
Toy izany koa :tsy nahitàna n'inon'inona mikasika an'i Jesoa ao amin'y " Antikite Jodaika " afa-tsy izao teny manaraka izao :

Porofo ara-tantara ankalazain'ny kristianna ho avy amin'i Flaviosy Josefa:

" Teo ho eo amin"izany fotoana izany no nisian"i Jesoa,olon-kendry,raha toa ka azo atao no miantso azy ho olombelona,satria nanao asa mampitampim-bava izy,ary izy no Maistra*,mpampianatra an"ireo nandray amin-kafaliana ny fahamarinana.Maro ny jiosy no nanaraka azy,ary maro toy izany koa ny Grika.Izy no Kristy.Rehefa ren"i Pilato fa nampangain"ny manampahefana (Jiosy) izy dia nohelohiny amin"ny hazo fijaliana.Ireo izay tia azy hatrany am-boalohany dia tsy nitsahatra ny nifikaitra taminy.Telo andro tato aoriana dia niseho tamin"izy ireo velona indray izy satria ireo mpaminanyn"Andriamanitra no naminany izany sy zava-maro hafa mahagaga momba azy.Ary hatramin"izao dia mbola misy foana ireo fikambanana antsoina hoe Kristianna noho izy" (Ant Jodaika XVIII-63).

Ireo antony maha-hosoka ireo andalany ireo dia izao avy :

1)Jiosy iringiriny* (orthodoxe) toa an'i Flaviosy Josefa ary =>nitàna ny fivavahana Jiosy hatramin'ny fara-fofonainy,ary =>nitaiza an'ireo zanany tamin'io finoana Jiosy io ;=>Jiosy izay mieritreritra fa voninahitra lehibe ho azy ny maha taranaka mpisorona Hebrio azy ;=>Jiosy izay sahy milàza,toy ny teny fanolorana nataony ny amin'ny Antikite Jodaika fa manan-danja nohon'ny hafa rehetra ny fivavahana Mozaika* (an'i Moizy)....
DIA AFAKA NA HOVIANA NA HOVIANA HANDRAY HO FAHAMARINANA NY ORIM-BATO IJOROAN'NY KATESIZY KRISTIANNA,TSY HO AFAKA NANAMBARA MIHITSY IZY FA I JESOA NO TENA KRISTY MARINA IZAY ,AMIN'NY MAHA JIOSY AZY DIA ANDRASANY FOANA.

Hoy i Voltera ao amin'ny raki-bolana filozofikany :
" Raha nino i Flaviosy Josefa fa i Jesoa no Kristy dia efa kristianna izy nanomboka teo ".

2)Ireo an-dalan-tsoratra ireo dia napetraka eo anelanelan'ny zava-nisy roa izay samy manilika an'izany daholo :
Ny fandinihana ireo zava-nitranga roa rehefa averina amin'ny tena toerany dia ampy ahatsikaretana fa fanosohana miharihary (ary mikaviavia) ny an-dalany momba an'i Jesoa,izay manapaka ny fifandraisana ara-tsokajy izay tediavin'i Flaviosy hazàva mikasika ny antambo tonga tamin'ny Jiosy tamin'izany fotoana izany.

Rehefa avy namarana ny fitantaràna fatiolona tany Jodea nataon'ny miaramila Romanna izy(nohon'ny savorovoro niseho satria nampiasain'i Pilato anamboarana lakan-drano ny vola tao amin'ny tahiry masina)tamin'ny fehezan-teny hoe :
" toy izany no niafaran"ny savorovoro ",dia namonjy nitantara antambo hafa nahazo ny Jiosy indray,ka toy izao no fanombohany : " Tamin"io vanim-potoana io ihany,dia nisy zava-doza hafa koa nampisy korontana teo amin"ny mponin"i Jodea,ary niara-niseho daholo asa mahalotika misy ifandraisany amin"ny Tempolin"i Izisy any Roma... ".

Ny fametrahana ny andalany mikasika an'i Jesoa eo an'ivon'ny andalan-teny roa izay natambatry ny mpanoratra toy ny vakan-drojo,dia ampy ahafantarana fa io andalany kristianna io dia TSOFOKA* bakotraka eo anelanelan'ny zava-nitranga roa samy mandàka izany.

Io andalany io,izay tsy nisy taloha,dia niseho voalohany indrindra tao amin'ny " Antikite Jodaika " tamin'ny taon-jato
faha-IV ary antaon'i Ezeba an'i Sezare (Lehi-mpihosoka).Voa-antitra indray izany tamin'ny Edisiona nivoaka ny taon-jato faha-VI,izany hoe taon-jato roa tato aoriana.Nandritra izany fotoana izany no nidifisan'ny bokin'i Flaviosy Josefa ka nanoloana azy tamin'ny Antikite Jodaika hafa izay mitondra ny sonian'izany atao hoe Ezesiposy (Egesippus) izany.Izy io raha ny marina dia i Ambroazin'i Milana ihany izay nanasonia amin'ny anaram-bositra.

Azontsika sainintsainina amin'izany hoe hatraiza ny hosoka,fanampiana sy fanalàna natao ny bokin'i Flaviosy Josefa teo ampelatanan'i
Ambroazin'i Milana izay nanana tombony lehibe tokoa ny amin'ny fanafenana ireo fahamarinana mety hampandamoka ny fananganana fitaka bevava.(Vakio Ezesiposy any amin'ny Ansikopedia).

Azony natao daholo izay tiany natao rehetra satria ny kopian'ny " Antikite Jodaika " rehetra dia efa fongana.Izany indrindra no nikosehany ireo anarana mety hampiditra angano ka nosoloiny tamin'ny anaran-diso na anaran-joviana toy ny nitranga momba ny revolisiona nataon'i Joanin'i Gamala izay nampiantsorohany Ejipsianna zoviana (anonyme),ary nanovany ny fotoana nisehoan'izany ho tamin'ny taona 5 foloina,andron'i Felisy,nefa zava-niseho tamin'ny taona 3 foloina (années 30).

Nataon'ny mpanakiana main-tenda loatra ny Eglizy ka voatery nanitrika nandritra ny taon-jato roa ny Antikite Jodaikan'i Ezesiposy.Navoakany indray nefa izany tato aoriana ka nampitondrainy ny sonian'i Flaviosy Josefa na dia notazoniny araka ny fisandohana nataon'i Ambroazin'i Milana aza.

Ny tena marina,ny " Antikite Jodaika " ananantsika ankehitriny dia kopian'ireo nivoaka tamin'ny anaran'i Ezesiposy.Tsy tenenina akory intsony ny " Ady Jiosy " izay lasa boky mifadido-kevitra sy nilaozan'ny filantoana (sans logique) nohon'ny fikirakirana nampiharin'ireo mpisandoky ny Eglizy taminy.

Raha namafisiko fa ny zava-niseho momba ilay Ejipsianna voalaza ao amin'ny Antikite Jodaika dia hosoka,dia
=>tsy nohon'ny fangaraharana ihany, hita avy amin'ny fahatsapana ny fifanandrifian'io zava-nitranga io izay voarakitr'ireo Evanjely toa ny niseho tao an-jaridainan'i Oliva :fihantsiana ady amin'ny Romanna mandritra ny fetin'ny Paka izay averimberin'i Flaviosy Josefa,fotoana fidian'ny revolisionera matetika mba hanatontosany ny teti-kadiny fa,=>ihany koa,avy amin'ny fanadihadiana ny zava-nisy taterin'ny asan'ny Apostoly.

Taona
58 CE,tany Jodea,andron'i Felisy (prokorera*),rehefa avy nivahiny nanavatsava an'i Azia bitika (Asie mineure),Gresy,Torkia,ireo nosin'ny ranomasina mediteranea Antsinanana i Paolin'i Tarsa.Fivahinianana haimgam-pandeha toy ny manana helikoptera manokana mihitsy izy.Tamin'ny fotoana iray tamin'izany,tao Jerosalema no tena marina,dia nampangain'ny mponin'i Jodea izy fa nanazimba ny Tempoly hono satria nampiditra Grika tao.Notafian'ny mponina izy ary notediaviny hovonoina amin'ny maha-mpampisavorovoro azy avy amin'ny sekta* Nazira*.
Kanjo voavonjy izy nohon'ny fidiran'ny miaramila an-toby Romanna an-tsehatra ka nofonjainy takaikin''ny tranomanda*(forteresse) Romanna.Vao nifampiresaka fotsiny izy sy ny manampahefana ,ka tsapan'i lehio fa miteny Grika i Paoly dia nanontaniany hoe :
" Hay tsy ialahy izany ilay Ejipsianna nandrisika ny fikomian"ny mpihoko 4000 tato ho ato ?"(Asa21,38).

Ny fieken'ny Eglizy fa io Ejipsianna resahana ao amin'ny Asa io dia tsy hafa fa ilay Ejipsianna voatantaran'i Flaviosy Josefa tamin'ny andron'i Felisy,dia ahafahantsika manohy ny fanadihadiana.

I Paoly dia voatàna am-ponja nandritra ny
roa taona izay vao navoaka mba hataon'i Festosy ,Prokorera vaovao,famotorana.I Festosy dia nandimby an'i Felisy vao andro vitsivitsy (60CE).

Festosy Tetrarka an'i Golanita,dia nanatrika ny fangalàna am-bavany ary nampirenty tamin'i Agripasy ireo teny fiampangàna nahatonga ny fitànana an'i Paoly.
" Misy lehilahy iray ato,voatanan"i Felisy am-ponja,saingy ireo mpitory dia tsy naneho fiampangàna araka ny noeritreretiko fa toa resaka tsy fifankazahoana momba fivavahana hafahafa mikasika an"izany Jesoa izany,izay efa maty,nefa lazain"i Paoly mbola velona "(Asa 25,19)

Taona
60 CE no resahana,fantatra fa maty tamin'ny 33 CE i Jesoa,na dia araka ny filazan'ny Evanjely fotsiny ihany aza.I Paoly ,izay tany Jerosalema tamin'ny taona 5 am-polony (les années 50),i Paoly izay nikabary momba ny fihomboana azy,fomba ahoana no tsy ahafantarany fa ny nahafatesan'i Kristy anie ka niseho 27 taona lasa ?

Ny fifandiparana misy eo amin'ny :
-Fanambaràna ny amin'ilay Ejipsianna nanangana fikomiana ny taona 58 CE,andron'i Felisy izay Prokorera* .Ejipsianna voalaza fa mitovy ihany amin'ny voalazan'i Flaviosy Josefa.
-Ny tsy fahafantaran'i Paoly ny nahafatesan'i Jesoa izay niseho ny taona 33 CE.

Dia manentana antsika indray hiatrika ny fivarontana sakabeloha,ka
mampametraka fanamarihana roa ka izay iray alehany:
-Na,taloha kelin'ny taona 6 am-polony i Jesoa no maty fa tsy ny taona 33,izany hoe nandritra ny fotoana naha-voatàna am-ponja an'i Paoly ka tsy nahafahany nahafantatra ny nahafatesan'i Jesoa .
-Na ireo zava-boatantaran'ny Asa tamin'ny taona 58-60 CE dia tsy niseho tamin'io daty io fa taoriana kelin'ny nahafatesan'i Jesoa (izany hoe taoriana kelin'ny taona 33 CE).

Raha atambatra izany dia :
->Raha nohomboina tamin'ny 33 CE i Jesoa,fomba ahoana no tsy ahafantaran'i Paoly an'izany ny taona 60 CE ?
->Tsy fantatr'i Paoly nefa ny nahafatesan'i Jesoa araka ny Asa 25,midika izany fa tsy tamin'ny taona 56 toy ny voalazan'i Flaviosy Josefa ao amin'ny Antikite Jodaika no nisehoan'ilay fikomiana notarihin'ilay Ejipsianna,fa tamin'ny andro nahafatesan'i Kristy (izany hoe ny 33 CE).

Ka toy izany ny fampifandraisana nisy eo amin'ny fitantaràna ka manamporofo fa
SAMY HOSOKA avokoa na ny andalany voatatitra ao amin'ny asan'ny Apostoly mikasika an'ilay Ejipsianna,na ny andalany voatatitra ao amin'ny Antikite Jodaika.

Izany rehetra izany dia natao mba hikosehana ny dindon'ny tantara rehetra mikasika ny fihokona tena izy,izany hoe ilay fihokona tamin'ny taona telo am-polony izay mifanandrify indrindra tamin'ny fambaboana an'i Jesoa fandrao hampivandravandra ny fanorenana ny tavan'i Kristy ka hahatsikaretana fa ilay voasambotra tao an-jaridainan'i Oliva tamin'ny andron'ny Paka anie ka tsy i Jesoa voalaza ho Nazareanna,zanak'i Maria sy i Josefa ,fa i Joany an'i Gamala antsoina hoe Lehi-Nazira,zanak'i Jodasy lehi-Galileanna,mpijirika ny seza fiandrianan'i jerosalema amin'ny maha taranak'i Davida azy.

Toy izany ary no fanamporofoana ny tsy nisian'i Jesoa ara- tantara amin'ny alalan'ny fahanginan'ny mpahay tantara,sy ny fihosohana natao mba hamenoana ny fahabangana noho izany.

Inona indray sisa no azon'ny Eglizy atao mba hanohanana ny mpamorona ny kristianisma afa-tsy ny fanamarinan-tena tsy amin-dradriny sy hitsiny antsoina hoe " finoana ",toe-panahy jamba mpanohana revin-gadra* tsy afa-mamokatra n'inon'inona afa-tsy fahajamban-tsaina sy fikororosiana fahana araka ny voatatitry ny zava-misy bebe kokoa hatrany sy araka ny fitomboan'ny fandrosoana ?

Luigi Cascioli nadika tamin'ny fomba malalaka ary nalaina tamin'ny vohikala
www.luigicascioli.it





Raha sitrakao ny hanohy ny famakiana dia tsindrio eto


Raha te hanoratra ianao dia indro ny adiresy mailaka tsindrio eto.

Raha misy moa havanana kokoa amin'ny famakiana teny vahiny dia indro omeko eto ny rohy hamakiana izay mivantana:tsindrio eto.
Ampirisihiko toy izany koa ny fividianana ary ny hamakiana ny boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe "La fable du Christ".Io no hitako tonga lafatra indrindra ny amin'ny fanankianana ny kristianisma( testamenta vaovao).

Ampirisihiko toy izany koa ny famakiana ny boky nosoratan'i Neil Asher sy Silberman mitondra ny lohateny hoe:"La bible dévoilée" izay mikasika ny testamenta taloha ka misoroka ny fivahana tokantompo (monoteisme) hatrany amin'ny fakany.

1

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire