mercredi 3 juin 2009

Eseniana


Ny Esenianna sy ny fombafombany

Ity sombin-dahatsoratra ity dia nalaina tao amin'ny vohikala (site web) n'i Luigi Cascioli mirakitra ny tantaran'ny Esenianna nosoratan'ny mpitantara fanta-daza roa dia i Filona sy i Flaviosy Josefa .Ka nadikako amin'ny tenin-drazana amin'ny fomba tsotra sy malalaka mba hanamporofoana amin'ny alalan'ny fampitahana amin'ny soratra masina fa tsy nisy tany amin'ny toerana tokony nisiany tamin'ny taon-jato voalohany ny antokon'olona antsoina hoe kristianna,ary koa mazava ho azy fa tamin'izany fotoana izany dia mbola tsy matotra akory ny fisian'i Jesoa .Taty aoriana foana vao noraisin'ny Eglizy ny toerana sy ny asasoratra ary ny maritiora Esenianna mba hataony vavolombelon'ny finoana kristianna noforoniny.

Ka ny simbon-tantara nosoratan'ireo mpanoratra ireo dia hataoko miloko manga.Ny fanatevenana ataon'i Luigi Cascioli tompon'ny vohikala kosa dia hataoko miloko volon-tany.Ary ny soratro dia mitovy amin'izao efa hitanao izao,izany hoe tsotra.

Ny fahafantarana ny momba ny Esenianna dia zava-dehibe mba hahalalàna hoe iza marina ireo kristianna izay tondroin'ny mpanoratra tantara tamin'izany fotoana izany toa an'i Flaviosy Josefa,Filon,Tasita,Soetaonna,ary ry Plinna zandriny (Ny Esenianna dia sekta jiosy izay notediavin'ny Eglizy hofafàna amin'ny tantara mba hangalarany ny toerany).Fantatra fa ao amin'ny rafipivavahana sy sosialy jiosy dia misy sekta efatra farafahakeliny,dia ny Farizianna,ny Sadotseanna,ny Samaritanna ary ny Esenianna.Io farany io ihany no tsy hita taratra ao amin'ny testamenta vaovao nonhon'ny antony lazaiko etsy ambany :ny Samaritanna dia taranaka zaza sary Asirianna sy israelita,mino ny lalàn'i Moizy fotsiny,halan'ny jiosy nefa voahasohason'ny Evanjely.Ny Farizianna sy ny Sadotseanna dia mpanora-dalàna sy mpisorona,itoeran'ny fahefàna ary mampanjàka ny kolikoly sy ny haratsiana mampiavaka ny mpitondra toy ny mahazatra ka iantefan'ny fanankianana mafy avy amin'ny " Evanjely " izy ireo.Ny Esenianna kosa dia ireo anisan'ny miandry ny mesia ka mizara roa ny firehana misy ao amin'izy ireo : -Ny voalohany dia ireo revolisionera ary sahy mihantsy tsotra izao ny ampira Romanna amin'ny alalan'ny terorisma.Anisan'ireo ry Joany avy any Gamala,i Joda,i Simona...izy ireny dia ataon'ny fitondrana Romanna vono moka rehefa azony ampampihorohorona -Ny faharoa kosa dia ry zareo Esenianna spiritoaly,mpandàla fandrihampahalemana satria mieritreritra izy ireo fa ny fahazahoana ny fandresena dia tsy voavahan'ny herisetra fotsiny,na dia ilaina aza izany.Na izany aza nefa dia mitovy ihany ny tanjon'ireo antoko roa ireo,dia ny handraisan'ny mesia (izay andrasana) an-tanana ny fitondràna sy ny fanapahana ny tanindrazana.

Filona (Filon)

I Filona dia filozofa jiosy teraka tany Aleksandria any Ejipta,toerana nirongaran'ny ankamaroan'ny firehana spiritoaly Esenianna.Hoy i Filona momba azy ireny :

" Ny azo lazaina voalohany ny amin"ny Esenianna dia ny fonenany any amin"ny tanàna madinika.Alavirin"izy ireny ny tanàn-dehibe satria itoeran "ny mponina tsy valahara.Fantany fa ny fiaraha-monina amin"ny tambony vohitra dia hampietry ny toe-panahiny nohon"ny aretina entin"ny tontolo maimbo.Amin"izy ireny dia misy ny miasa tany,ny sasany kosa manao asa isan-karazany,fa izy rehetra dia miray hina ho amin"ny fandrihampahalemana,manao izay mety ho an"izy samy izy sy ho an"y manodidina azy.Tsy manangona vola amin-karena ry zareo,ary tsy manangona tany midadasika mba hilàna tombony,fa mitady fotsiny izay ampy mba ahafahany miaina tsotra.
Miaina tsy misy harena na fanànana amin-tsafidy malalaka fa tsy vokatry ny lahatra na ny haratsiam-bintana izy ireny.Eritreretiny izany fa harem-be satria ny fahaizana mihanona amin-kafaliana amin'izay kely ananana dia fahasambarana tokoa.
Amin'izy ireny dia tsy ahitàna mpanao zanatsipika,na mpanefy lefona na sabatra,aron-doha na aron-tratra,na fitaovam-piadiana hafa.Nefa na olon'ny fandriampahalemana madio aza ry zareo dia azo ampiasaina amin'ny ady.
Alaviriny izay rehetra mety hitarika azy amin'ny fitiavam-bola,ka tsy manana eritreritra kely akory izy ireny ny hanao varotra na fiantsamboana.
Eo amin'izy ireo dia tsy misy ny fanandevozana,samy olonafaka ary mifanampy sy mifanohana.Tsy vitan'ny tsiniany ny tompo (mpanandevo) satria manao ny tsy rariny ka manimba,fa mbola manolana ihany koa ny lalàna natoraly izay mamehy ny olombelona ara-pitoviana.Lalàna natoraly izay toy ny reny ka mahatonga azy ireny ho toy ny mpirahalahy,tsy amin'ny anarany fotsiny,fa tena amin'ny fahamarinana tokoa.Ny fakàm-panahy no fositra nanimba izany firahalahiana izany ka nahafaty azy satria nahatonga ny fifandrafesana naka ny toeran'ny fifankazahoana,nahatonga ny lolom-po haka ny toeran'ny fitiavana ".

(Izany foto-kevitra kominista izany tato aoriana no lasa fananana manokan'ny kristianna.Nanjary fototra niorenan'ny fahombiazan'ny kristianisma.Nahatonga koa ny fitosahan'ireo verilova sy mahantra rehetra nankao amin'ny fianakaviana Esenianna.Ny kabary teo an-tendrombohitra (béatitude=Sambatra izay noana sns) izay venti-kabarin'ny Esenianna nazira,ary raiketin'ny evanjely kanonika dia manambara ny vontoatin'izany foto-kevitra izany.)
" Ianaran"izy ireo lalandava amin"ny fony tokoa ny fihetsika mendrika amin"ny fandalàna ny lalàn"ny Ntaolony.Ireny lalàna ireny dia tsy voaforon"olombelona raha tsy nisy ny bitsika avy amin"Andriamanitra. "
(Ao amin'io filazan'i Filona io dia azo fantarina ny fivoarana nahatonga ny jiosy Esenianna hanaraka ny foto-kevitra ara-panahy paianna tanteraka,nefa sady andraisan'izy ireo ny lalàna Hebrio ao amin'ny pantateoky ho fototry ny fiainany andavan'andro.)
"Ianarany lalandava ireny lalàna ireny,indrindra fa amin"ny andro fahafito.Io mantsy dia andro masina ka avela daholo ny asa aman-draharaha rehetra mba hivoriana any amin"ny toerana masina antsoiny hoe Sinagoga. "
" Amin"ny ankapobeny dia amin"ny alalan"ny saimbolla(parabole ? ? ?) araka ny fahazarana tranainy (Gabala) no ifanomezan"izy ireny ny fampianarana. "
" Voalohany indrindra aloha dia tsy misy trano na iray aza ka fananan"ny olona iray manokana :ny trano rehetra dia an"ny daholobe.Satria miaina amin"ny firahalahiana ry zareo,noho izany dia mivoha ho an"ny mpiavy rehetra ny varavarana na avy aiza izy na avy aiza ka mitovy firehankevitra aminy.Faharoa dia manana tranobe iombonana ry zareo,ary ny fitafiana sy ny hanina dia iraisana,fahazarana ny fiaraha-misakafo "
.Ireny fiaraha-misakafo ireny no antsoina hoe AGAPES na FRACTIO PANIS.Fanaon'ny Esenianna mba angalàna tahaka,tsindriako mihitsy ny hoe hangalàna tahaka fotsiny,ny fiseho ivelany ao amin'ny fombafomba paianna (jentilisa hoy ny ao amin'ny baiboly)mankalaza ny sakramentan'ny eokaristia(jereo 1kor.11.20).
" Tsy hita any an-kafa mihitsy ny fanehoana fomba fiainana toy izany.Na ara-trano,na ara-piainana ara-tsakafo.Satria izay karama rehetra raisin"izy ireny isan"andro amin"ny asa ataony dia tsy tehiriziny ho azy ireny manokana fa arotsany ao amin"ny kitapom-bola iraisana mba ahafahan"ny rehetra mampiasa izany rehefa misy ny mila. .
(Filon Quod omnis probus sit liber).

Flaviosy Josefa

Mpanao tantara,zanaka jiosy mpisorona,ary afaka misorona rahateo.Voatanan'ny Romanna tany Galilea rehefa avy nandray anjara tamin'ny ady jiosy tamin'ny taona 70 amin'ny maha manamboninahitra azy tao amin'ny tafika mpioko.Nalefa tany Roma izy ary nasain'ny Romanna nanoratra ny tantaran'ny Hebrio miisa ho roa :-ny iray dia " ny ady jiosy " (guèrre juive),ary -ny faharoa dia ny " fahagola jiosy " (antiquité juive).Amin'ireo bokintantara ireo izy dia mihezaka ny hanamarina fa ny fivavahana jiosy ,izany hoe ,ny hebraisma,dia manan-danja kokoa nohon'ny fivavahana paianna (païen,izany hoe ny fiainampanahin'izao tontolo izao,na koa fantatra amin'ny hoe :jentilisa).Hoy indrindra izy ny momba ny Esenianna :
" Ny Esenianna manokana dia liana amin"ny fomba fiainana mendrika.Taranaka hebrio izy ireo,ary mifandray ara-po sy ara-pitiavana tokoa nohon"ny hafa.Ny fahafinaretana dia halany toy ny fahotàna,ary raisiny ho fahasoavana kosa ny fahaiza-mionona sy ny fandàvana ny rendrarendra.Ho azy ireo dia iavonany ny fanambadiana fa aleony manangana ny zanak"olon-kafa.....Raisiny ho toy ho toy ny havany ireny zaza ireny ary tezainy araka ny fombany sy ny kolontsainy,toy ny izy ireny mihitsy no tompon-janaka.
Tsy manafoana ny fanambadiana nefa izy ireny ary tsy miavona,na izany aza, amin'ny hafa karazana noho izy.Fadian'izy ireo ny vehivavy ratsy fitondran-tena,ary miaiky izy ireo fa tsy misy olona mihanona amin'ny lehilahy iray.
Halan'izy ireo ny Harena,ny fahafinaretany dia ny fomba fiainana ankitambatra.Tsy ahitàna olona amin'izy ireo ka manana betsaka nohon'ny hafa.Nisy mihitsy aza ny lalàna manery an'ireo izay te hiditra ny tsy maintsy anomezany ny fanànany ny fikambanana,izany no atao dia mba tsy ahatsapan'ny tsirairay ny fangirifirian'ny tsy fahampiana sy tsy fanànana,ary koa mba tsy hieboeboana vokatry ny harena,fa kosa mba hitoviana ka hahatonga azy ireo ho mpirahalahy.

Tsy mipetraka amin'ny tanàna iray izy ireny fa amin'ny tanàna samihafa ary amin'ny toerana maro.Ho an'ny mpikambana ao aminy sekta ka tonga avy any ivelany lavitra dia mahazo alalana malalaka hampiasa ny zava-drehetra toy ny efa tompony mihitsy.Arak'izany dia tsy mitondra n'inon'inona izy ireny rehefa mivahiny afa-tsy fitaovam-piadiana vitsy mba hiarovan-tena amin'ny jiolahy.Ambonin'izany dia misy mpiandraikitra ambony voafidy isaky ny tanàna mba hisahana ny mpivahiny mikasika ny fitafiany sy ny sakafony.

Ny momba ny fomba fitafiny sy ny toetrany kosa dia mitovy amin'ny tanora tsara taiza amin'ny fitsipi-pifehezana henjana.Tsy misy manova kapa na ankanjo izy ireny raha tsy efa tena rotika na simban'ny fotoana.Amin'izy samy izy dia tsy misy mivarotra na mividy na inona na inona,fa kosa ny tsirairay dia dia manome ny fananany ary maka izay ilainy.Ny fanajàny ny andriamaniny dia hafakely :alohan'ny iposahan'ny masoandro dia tsy fanaony ny zavatr'izao tontolo izao (profane),fa mitanisa vavaka izy ireo ary saika mitalaho mihitsy ny andrehofany.( ? ? ? tsy azoko loatra eto).

Aorian'izany dia antsoin'ny mpiandraikitr'asa araka ny asa fanaony avy ny tsirairay,mba hiasa.Rehefa avy miasa mafy hatramin'ny ora faha-5 (4h) izy ireny dia mivory ary misikina amin'ny soga (lin) sy misasa amin'ny rano mangatsiaka.Aorian'izany fidiovana izany izy ireny dia mankany amin'ny trano manokana izay tsy azo idiran'ny tsy mitovy finoana aminy.
Rahefa tafapetraka amim-pahanginana izy ireo dia zarain'ny mpanaomofo amim-pilaminana ny mofo,ary ny mpanaosakafo kosa dia mizara sakafo ambilia iray avy ihany ho an'ny tsirairay.Tsofin'ny mpisorona rano ny sakafo,ary afaka manomboka mihinana ny tsirairay alohan'ny ahavitan'ny tso-drano.Aorian'ny fihinanan-kanina dia ampiany vavaka hafa indray mba hideràna an'Andriamanitra ho toy ny mpanome ny aina hatramin'ny fiandohana ka hatramin'ny fiafaran'ny sakafo.
Apetrak'izy ireo ny fitafiana nisalorany ho an'ny sakafo,satria masina izany-ary mandeha miverina manohy ny asany indray ry zareo mandrahapahatongan'ny hariva.Ny sakafo hariva dia toy ny amin'ny sakafo atoandro,ary amin'izany no asaina ny mpivahiny mandalo.

Folahin'izy ireo mafy ny fahatezerana,ampandeferiny ny ditram-po,vavolombelon'ny velirano izy ireo ary mpanindrahindra ny fandrihampahalemana.Hain'izy ireo tokoa lanjan'izany hoe velirano sy dina izany,ary tsy mingoso izy ireo satria inoany fa ny fingosoana dia ratsy indrindra eo anatrehan'Andriamanitra izay raisina ho vavolom-belona vao hahatoky. Ny asasoratra fahagola (antiques)dia dinihiny sy lalàiny tokoa,fidiany sy fantenany tsara ireo izay mikasika ny tombony ho an'ny fanahy sy ny vatana.Ianarany ny manasitrana ny aretina amin'ny alalan'ny fakakazo sy ny vato.

Ireo izay mangataka ny hiditra ao amin'ny sekta dia tsy mahazo alalana avy hatrany.Ampianariny amin'ny mpangataka hiditra mambra ny fitsipi-pitondran-tena mandritra ny herin-taona.Ary omeny famaky kely sy fehikibo toy ny voalaza etsy ambony,ary ankanjo fotsy.Raha toa ka mahafatra-po amin'ny hatsaran-toetra ilay olom-baobao dia avela hiakatra amin'ny tanan-tohotra ambony amin'ny alalan'ny fidiovana amin'ny rano izay inoana fa madio kokoa.Raisina ao amin'ny sekta izy miaraka amin'ny zony rehetra raha toa ka mendrika ny ho ao rehefa afaka roa taona.

Tsy mataho-maty izy ireny,ary mizaka ny taintaina amin'ny herin-tsaina.Raha tonga amim-boninahitra ny fahafatesana dia eritreretiny fa mendrika kokoa nohon'ny fiainana.Ny fanahiny kosa dia nisedra fitsapàna noho ny ady nifanaovany tamin'ny Romanna,fotoana izay nanolanana,nandorana,nitetehana azy ireny.Nampandalovina tamin'ny fitaovana fampijaliana izy ireo mba hanozonany an'Andriamaniny izay nanao ny lalàny.Na koa nampihinànana sakafo izay fady amin'ny fivavahany nefa nolaviny daholo na iry voalohany ,na itsy faharoa .Tsy raharahany intsony ny fijaliana ,ary tsy eritreretiny intsony.
Mitsiky aza no ataony eo am-pijaliana,ary mitodika maneso ireo mpampijaly azy izy ireny.Atrehiny ny fahafatesana,toy ireo izay efa teo niatrika izany
.(Ireo Esenianna ny nokendren'ny Eglizy ho very tantara tamin'ny fomba rehetra mba ahafahany mametraka ireo sarintsarina maritiora kristianna eo amin'ny toerany).
Raha ny tena marina dia mifantoka tsara ao an-tsain'izy ireny fa ny vatana dia manam-pahalovana,ary ny venty hita maso (matière) dia miserana,fa ny fanahy kosa maharitra mandrakizay.(Amin'io foto-kevitry ny fahalovan'ny venty hita-maso io,izay tsy mendrika an'Andriamanitra,no nahatonga ny Esenianna ginostika (gnostiques) hamorona mpamonjy nidina nankety an-tany tamin'ny siekla faha-2 ka nakàny ny endrik'olombelona).

" Misy ihany koa ny Esenianna karazany hafa izay,ara-pahazarana na araka lalàna,na ara-piainana,tsy mifanara-kevitra amin"ny namany eo amin"ny lafiny fanambadiana.Mieritreritra ry zareo ireo fa ny tsy fanambadiana dia fanafoanana ny ampahiny lehibe amin"ny fiainana,dia ny fanapariahana ny karazana izany.Raha tany ka manao toy izany daholo ny rehetra ka mankalaza ny fananonan-tena (celibat) dia hidify haingana ny taranak"olombelona....(Guerre juive ch iv p 57)

I Filona sy i Flaviosy Josefa dia jiosy daholo.Ary mba Esenianna spiritoaly ve ireo ?Azo iheverana ny fahamarinan'izany daholo ny tranga rehetra satria izy ireo dia mitady ny hanasokajy ny Esenianna ho olona spiritoaly sy mpandàla ny fandrihampahalemana mba hanavahany azy amin'iretsy revolisionera voalaza amin'ny andalany hafa fa terorista mpamono olona.
Io dia vinaniny ihany nefa amafisin'ny fizahana nataon'i Filona tamin'ny taona 52 nankany Roma mba hangataka ny indrafon'ny amperora Claude mikasika ny fanenjehana ny Esenianna (ny vokany dia nandamoka).



Miverina any amin'ny pejy fizahan-tankelaka
Mba ahafahanao manohy ny famakiana ny hevitra manaraka.



Raha te hanoratra ianao dia indro ny adiresy mailaka tsindrio eto.

Raha misy moa havanana kokoa amin'ny famakiana teny vahiny dia indro omeko eto ny rohy hamakiana izay mivantana:tsindrio eto.
Ampirisihiko toy izany koa ny fividianana ary ny hamakiana ny boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe "La fable du Christ".Io no hitako tonga lafatra indrindra ny amin'ny fanankianana ny kristianisma( testamenta vaovao).

Ampirisihiko toy izany koa ny famakiana ny boky nosoratan'i Neil Asher sy Silberman mitondra ny lohateny hoe:"La bible dévoilée" izay mikasika ny testamenta taloha ka misoroka ny fivahana tokantompo (monothéisme) hatrany amin'ny fakany.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire