mercredi 3 juin 2009

Barabasy

14 Barabasy

Tamin'ny fiainan'i Jesoa manontolo ,ny ampahany mibahana betsaka tamin'ny asan'ny mpihosoka mba hampisamahana ny tavany amin'ny an'i Joany dia ny fihomboana.Satria izany fihomboana izany dia porofo mivaingana fa ilay voampanga dia revolisionera izay taterin'ny lovan-tsofina sy ny raki-tsoratra ho voampanga tamin'ny fotoana mesianika* ,ary nohomboina teo an-tampon'ny tendrombohitra Oliva eo ampanombohana fihokona.


Mba ahafahana miala amin'ny vokatra ateraky ny fihomboana ,dia telo no fomba filaza nataon'ny kristianna tany am-boalohany mba hanazavana ny nahafatesan'i Kristy ,talohan'ny nanomezany an'ilay matotra voarakitra ao amin'ireo evanjely kanonika:


1)Tamin'ny voalohany dia lazainy fa i Pilaty dia natahotra ny fihokon'ny vahoaka tarihin'ny Sadotseanna ka tsy sahy namela heloka an'i Jesoa fa kosa nanipy ny fanapahan-kevitra tamin'ny Jiosy ,ireo no nanozona azy ho faty amin'ny alalan'ny tora-bato satria nilaza tena ho zanak'Andriamanitra.

Tsy raikitra nefa izany fa toa manao ny Prokoratera* Romanna ho mangorera satria tsy ampy ho rahonan'ny vahoaka.

2)Ka noho izany dia namoronana hafa indray milaza fa navotsitr'i Pilaty ho ampelatanan'ny Jiosy i Jesoa rehefa notambazanin'ny Sadotseanna lelavola.

Raha maniratsira ny Prokoratera ny fomba voalohany ,ny faharoa kosa dia manao ny Romanna ho vahoaka tia kolikoly ,ka tsy raikitra ihany koa.

3)Tsy misy azo ekena noho izany ireo fomba roa voalohany mba ahafahana manome an'i Jesoa fahafatesana ara-pitoraham-bato ,dia noforonina ny fahatelo izay mampiseho an-tsehatra Mesia roa eo amin'ny zohim-pitsarana:ny iray Mesia revolisionera ,ary ny faharoa Mesia ara-pahalemana (pacifique) ,ka izy roa ireo dia samy namita iraka tamin'ny fotoana mitovy ,samy antsoina hoe « Zanaky ny Ray » ,izany hoe « Bar Abbas ».


Ny zohim-pitsarana dia nizotra tahaka ny hitantsika ao amin'ireo Evanjely kanonika* ,afa-tsy ny faranyizay niafara tamin'ny fihomboana an'ilay jiolahy ary famotsorana an'i Jesoa (tsindrian'ny mpandika tsara fa fihomboana an'ilay jiolahy ary famotsorana an'i Jesoa). Io tarehin-javatra izay nalaina tao amin'ny Evanjelin'i Filipo io nefa dia tsy naharitra ,satria raha nahafahana nanaisotra ny fahafatesana an-kazo fijaliana satria voavotsitra i Jesoa ,dia nampandamoka kosa ny fitsanganany amin'ny maty ,fototra ijoroan'ny maha-mpamonjy tsy maintsy ananan'ny Sotera* mba ahafahany mampita izany fiainana izany amin'ny olona amin'ny alalan'ny Eokaristia.Raha tsorina dia zava-poana ny fisian'ny Mesia raha ampandosirina ny fahafatesana.


Na izany na tsy izany aza nefa dia tsy ny rehetra akory no nanosibohon-tanana an'io lafin-javatra avy ao amin'ny Evanjelin'i Filipo io ,satri maro ireo nanohy nanohana an'izany tao amin'ny tontolo kristianna tatsinanana.Ny fiatraikan'izany tao amin'ny tontolo Arabo rahateo no nahatonga an'ireo Silamo hanamafy ankehitriny fa tsy i Jesoa no maty teo amin'ny hazo fijaliana fa ilay revolisionera notsaraina niaraka taminy.


Rehefa natosibohon-tanana ary ny fanorenana zohim-pitsarana mifantoka amin'ny Evanjelin'i Filipo ka nandrafitra ilay matotra ireo mpihosoka ,dia ireo hitantsika ao amin'ireo Evanjely ny vokany.


Toy ny nanaovan'i Filipo ny azy ,dia mba nasiany Mesia roa ihany koa mifanatrika:ilay mendrika dia i Jesoa ,ary ilay faikany sady revolisionera masiaka dia ilay jiolahy.


Amin'izay fotoana izay ,mba ahazahoana ny zohim-pitsarana dia arahana an-tsaina ny fampisehoana namorenan'ireo evanjelista azy:

Eo amin'ny sehatra dia eo an-kavia no misy ny Mesia kristianna ka ny anarany dia « Bar Abbas » ,eo afovoany dia misy ny prokoratera Romanna manao ny asan'ny mpitsara ,eo ankavanana kosa dia misy ilay Mesia ara-tantara izay antsoina hoe « Bar Abbas » ihany koa ,ary tsipihan'ireo evanjely mihitsy na dia tsy tononony aza ny anarany.

-Matio: « Nisy koa olom-babo malaza iray antsoina hoe « Bar Abbas » (nalaza i Joany).

-Marka: « Nisy nantsoina hoe Bar Abbas tao amponja niaraka tamin'ny mpihoko ka nahafaty olona tamin'ny andron'ny savorovoro.(Savorovoro izay atapisak'i Flaviosy Josefa amin'ilay Ejipsianna.NB io dia hosoka nataon'ny kristianna amin'ny anaran'i Flaviosy)

-Lioka: « Nisy iray izay atao hoe « Bar abbas » ,nofonjaina nohon'ny savorovoro nipoaka tao an-tanàna sy nohon'ny vono olona » (Mitovy amin'ny savorovoron'ilay Ejipsianna).

-Joany: « Bar abbas » dia jiolahy (Anarana nomen'izy ireo ny revolisionera zelota an-daingony).


Noho izany raha Bar Abbas no anarany ,raha nalaza izy ,raha nobaboina nohon'ny savorovoro nipoaka tao an-tanàna izy (Jerosalema) ,raha jiolay toy ny niantsoana ny Esenianna zelota no niantsoana azy....dia ho iza indray izy izany afa-tsy i Joany lehi-Nazira ,zanak'i Jodasy ,ilay Mesia teraka tao Gamala araka ny amafisin'ireo Evanjely ireo ihany milaza fa nobaboin'ny Romanna teo an-tendrombohitra Oliva tamin'ny andron'ny Paka?


Mbola tohizin'ireo Evanjely ihany izany amin'ny filazana fa fahazaran'ny Romanna ny mamotsitra olon-dratsy rehefa fetin'ny Paka ,ka arak'izany nampanalainy ny olom-boafonja iray mba ahafahan'ny Jiosy misafidy hoe iza amin'ireo Bar abbas roa ireo no ho votsorina.

(Alohan'ny hanohizako dia tiako ny manambara fa tsy nanana izany fahazarana mamotsotra olom-boafonja izany na hoviana na hoviana ny Romanna ,na tany Roma na tany an-kafa ,indrindra fa tany Palestinna ,ary sanatria koa fa andro asaramanitra Hebraika.Raha nisy famotsoran-keloka ara-tantara teo amin'i Roma dia niseho nohon'ny tranga saro-tediavina nifototra tamin'ny raharaha politika lehibe toy ny « fandresena » ,nefa mikasika ireo voatana nohon'ny ota madinika fotsiny na izany aza.)


Nahazo baiko avy amin'i Pilaty ireo miaramila ka nidina tany am-ponja ,namoaka ny iray tamin'ireo voafonja antsoina hoe Bar Abbas ary nanolotra azy teo amin'ny sehatra evanjelika.Tsy fantatr'ireo miaramila fa teny an-dalana dia novan'ireo mpihosoka kristianna tamin'ny alalan'ny mazia* ny tavan'i Bar Abbas ka novany tava amin'ny fanomezana anaran-tsamirery hoe Barabasy tahaka ny efa nataon'izy ireo ihany momba an'i Simona izay « dahalo tediavina » (barjona) nefa lasa « zanak'i Jona » (Bar Jona).

« Iza no tianareo ho votsoriko amin'izy roa ireo ,hoy i Pilaty ,lehi-Bar Abbasin'ny kristianna (Ambiroa izay natolotry ny mpihosoka anareo) sa lehi-Bar Abbasin'ireo Esenianna Zelota ,ilay olona tena nisy sy atamberin'ny tantara sy ny loan-tsofina*(tradition)? »


« Amin'ireo Bar Abbas roa ireo ,dia aoka homboina ny an'ny kristianna ,izany hoe ny Jesoan'ny mpihosoka ,ka hovotsorana kosa ilay an'ny tantara ,izany hoe i Joany lehi-Nazira ,zanak'i Jodasy » hoy ny navalin'ny vahoaka araka ny filaza noraiketin'ny mpihosoka ,arak'ireo Evanjely izay ela ny ela ka ,nahazo vahana ho toy ny tolo-botsitra ka zary vavolombelon'ny fahamarinana rehefa mingoso any amin'ny tribonaly.


Toy izany no nidifisan'i Joany teo amin'ny tantara ,Joany izay Mesia revolisionera ,novotsorina ary nampidifiana tanteraka ,nosoloan'ny Mpamonjy zoviana* toerana ka nifotoran'ny kristianisma.Tafajanona irery teo an-tsehatra i Jesoa ,niantsoroka ny hazo fijaliana ,niakatra ny Kalvery mba ho sorom-panavotana antsika.


Nony avy eo ,mba hanomezana porofo fa ilay nohomboina dia tsy ilay revolisionera fa ilay tena Zanak'Andriamanitra nidina an-tany hamonjy ny olona amin'ny ota ,dianosoratan'ireo mpihosoka fa raha vao maty izy dia nihamaloka ny lanitra ,nisy horohoron-tany lehibe (tsy nisy nahafantatra) ,ary nihovitra mihitsy ny rindrin'ny Tempolin'i Jerosalema izay niaro ny toerana Masin'ny Masina nonenan'ilay Andriamanitra raikalahy ,dia ilay Yaweh-n'ny Hebrio izay nokendreny ho potehina ka hanoloany izany amin'ny azy ireo ,kanefa ny tena marina dia Andriamanitra iray ihany ry zalahy ireo.


Ny fahatriaran'ny lain'ny Tempoly izay niaro ny otelin'Yaweh tokoa mantsy dia fanoharana nampiasain'ireo kristianna mba anambarana amin'izao tontolo izao fa vita hatreo ny Hebraisma ary manomboka kosa ny Kristianisma.


I Matio ,mpianatra nanatrika ny fihomboana ,rahefa avy nitantara fa afak'aina i Jesoa ka nikiaka mafy ,dia nanampy hoe : « nihorohoro ny tany ,tresaka ireo vatolampy ,nivoha ireo fasana ka maro ny vatan'olo-masina no nitsangan-ko velona ,ka rahefa nivoaka ny fasana izy ireny dia nihazo ny tanàna masina (Jerosalema) sady niseho tamin'olo-maro. »


Nefa toy ny mbola tsy ampy azy ireo izany mba hanamporofoina fa ilay nohomboina dia tena ilay Jesoany marina dia mbola nokenonkenoniny tamin'ny angano samihafa ny fahafatesan'i Jesoa.Nosoratan'izy ireo fa rangahy iray antsoina hoe « Quadratus » izay evekan'i Atena ,dia nanambara tao amin'ny fanaikana* (Apologie) natao ny Amperora Hadrien fa maro tamin'ireny nitsangan-ko velona tamin'ny Zoma Masina ireny no mbola velona tamin'ny androny ,ary nataon'izy ireo imolotr'i Nikodema ao amin'ny Evanjeliny fa ny roa tamin'izy ireny ,Lesius sy Clarinus ,dia nikarenjy tao Jerosalema rehefa avy nitsangana tamin'ny maty sady nitantara fa nandritra ny fiakaran'izy ireo avy any ambanin'ny tany ka hiverina eo amin'ny tontolon'ny velona ,dia nifanehatra tamin'i Jesoa nidina hamangy ny fiainan-tsihita izy ireo.


Mba hamehezana an'ity boky ity dia tiako ny manambara fa na dia mafy aza ny kiaka navoakan'i Jesoa nialohan'ny hahataperan'ny ainy dia tsy naheno aho .Fa ny henoko kosa dia ny an'i Chevalier de la Barre izay notapahan-dela tamin'ny taona 1766 CE nialohan'ny nampirehetana ny kitay nandorana azy rehefa avy notaritaritina tamin'ny rambaramba satria nopotehin'ny « Sainte inquisition » ny taolany ka tsy nahafahany nijoro intsony.


Tianao ho fantatra ny antony nanaovana izany tamin'io tovolahy eritrerony vao 18 ranonorana io? Satria tsy nandohalika ,tsy nanaisotra ny satrony tamin'ny lakroa nandalo teo anoloany tamin'ny « procession »


NB:Toy izany koa ,tsy misy tsy afa-maka an'eritreritra ireo kiaka anaty nahazo ireo maritioran'Ampamarinana izay nosasana ati-doha ary nofahanana angano sy arira ka nahateny ny tsy handa na hoviana na hoviana an'ity Jesoa Tsnissty.Izany no antsoin'i D.Onfray hoe « pulsion de mort » ka adikako hoe aingan-pahafatesana ,izay anisan'ny voka-dratsy ateraky ny finoana kristianna.


Nadika tamin'ny fomba malalaka avy amin'ny bokin'i Luigi cascioli hoe
« La Fable de Christ »

Raha te hijery ny toko hafa dia miverena azafady ao amin'ny pejy
fandraisana

1

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire