mercredi 3 juin 2009

JOANY LEHI-NAZAREANNA



JOANY LEHI-NAZAREANNA

Rehefa hitantsika,tamin'ny fomba ahoana no nanovàna ny tarika Boanarjesy ho tariky ny mpianatra mpandàla fandrihampahalemana amin'ny alalan'ny fanolangolànana ireo anarany (Barjona ho lasa zanak'i Jona,Iskariota lasa mpiavy avy any Kariota,Kananita ho mponina avy any Kanà),dia ndeha ary hojerentsika indray ny fomba nisandohan'ny kristianna mba hanovàna an'i Joany ho Jesoa.

Ny anarana:ny anaran'i Joany,nosoloana tamin'ny fiantso iombonana hoe Kristy (Kristos amin'ny dikany hoe voahosotra) sy hoe Tompo,dia novàna tanteraka ho Jesoa teo hoe eo amin'ny taona 180 CE araka ny bokin'i Selsa* izay nanoràtany hoe : " Ilay olona izay omenareo anarana hoe Jesoa,raha ny tena marina dia sefon'andihan-dahalo,ary ny fahagagàna lazainareo fa vitany dia tsy inona akory fa fisehon'ny mazia sy fitapitaka maizina.Ny tena fahamarinana dia izay voalàza fa zava-nisy dia tsy inona akory fa angano sy arira izay noforoninareo ara- peta-toko,nefa na izany aza dia tsy nahafahanareo nampino ny lainganareo na dia kely akory aza.Fantatry ny olon-drehetra fa izay voasoratrareo dia tsy inona akory fa vokatry ny fandrafindrafetana natao taorian'ny fanankianana nasetry anareo. "
*(Selsa dia filozofa platonika tamin'ny taon-jato faharoa;mpanoratra ny 'Le discours véritable',ary nalaza tokoa ny amin'ny fanankianany ny kristianisma.Ampiako koa fa,mazava loatra fa natao very momoka ny asa sorany,ary ny sisa tratra dia any amin'ny fitanisan'ny kristianna azy sisa).

Marina tokoa fa ao amin'ny evanjelin'i Matio,Marka sy Lioka,izay nivoaka tamin'ny taona enim-polon'ny taon-jato faharoa,ny Mesia dia mbola nantsoina tamin'ny anarana iombonana hoe Kristy sy hoe Tompo.Ireo kristianna dia tsy afa-nanome anaran-tsamirery azy toy ny hoe: 'Pascal',na 'Anselme',na koa hoe 'Didier',izany hoe anarana tsy nisy tamin'ny andro mesianika ka ndrao hampidaraboka hanàla baraka ny fikonokononana.Nataony ho 'Jeshua' (Jesoa) ary ilay anarana izay midika hoe 'ilay mamonjy' ka ohatry ny mba nanàla azy tanàtin'ny 'zovy' fotsiny (anonymat).
Tsy ilaina ny fanazavàna lavabe mba ahafantaràna fa mora kokoa ny miaro ny fisian'ny mesia tsy misy anarana satria tsy hitan'ny tantara hozahàna,toy izay miaro ny fisian'izay mitondra anarana satria io tranga farany io dia mitàky tahirin-tsoratra ara-tantara mba ho hay arovana.

Io anarana hoe Jesoa io ,izay neken'ny sarambaben'ny olona nohon'ny tsy fahalalàny ka tsy nametra ka olana ara-pihavian-teny ho azy ireny,dia nampitokelaka kosa ireo mpanohitra ka niampanga idray ireo mpanaofivavahana (teolojianna) kristianna ho mpamitaka sy kentrina.Ny fotoana sy ny fanadinoana ary ny herisetra famoretana nataon'ny kristianna tamin'ireo mpandà azy no nahatonga ny anarana hoe Jesoa ho toy ny anaran-tsamirery ka nijanonany ho toy izao ihany na dia maneho ny dikan'ny teny hoe 'SOTERA' toy ny an'ny andriamanitry ny Paianna aza ,izay nisy anaran-tsamirery koa.

Ny kristianna dia nanome anarana ny Mesiany tahaka ny fitaka fanaon'ireo mpanoratra ny testamenta taloha tamin'ny taon-jato faha-6 BCE izay nanome anarana ny andriamaniny hoe YAWEH,midika hoe 'izaho aho' ka nahafahany niaro ny fisiany tamin'ny alalan'ny fanazoviana* (izany no tonga amin'ilay fitenenana hoe : 'lahy tahaka an-drainy').

Rehefa voavaha ny olana momba ny anarana tamin'ny fanoloana ny Joany, araka ny lovan-tsofina, ho Jesoa,dia mbola mitaky vaha olana hafa kosa ny fiantso hoe : 'Galileanna' sy 'Nazareanna' izay manome hevitra zelota* ka sao hifangarika amin'ny toetra morafo sy malemy paikan'ny Mesia volavolaina.

Tsy hita ho foanana nefa ireo,hany hery dia ny fanomezana azy dikany hafa amin'ny alalan'ny hosoka tahaka ny efa natao tamin'ny anaran'ny mambra* hafan'ny tarika Boanarjesy*.

Raha mora nadika ho mpiavy avy any Galilea ny fiantso hoe 'Galileanna',ilay hoe 'Nazare' kosa dia tena nananosarotra.Ny andrana voalohany nataony hanalàna ny hevitra revolisionera* ao anatiny,araka ireo tahirin-kevitra,dia ny nampiankinana azy tamin'ny teny faminaniana izay nitatitra ny voalazan'ny anjely tamin'ny vadin'i Manoara hoe : " indro hitoe-jaza ianao ary hiteraka zazalahy izay ho nazareanna raha vao hary ".Indrisy ho an-dry zareo fa io fanambaràna io dia manondro mivantana loatra an'i Samsonna ka navela ary nosoloana amin'ny teny faminaniana hafan'i Mike mikasika ny fahaterahan'ny mpanjakan'Israely izay ho avy toy izao : " Hisy tsimoka* ho teraka any Bethehema,avy amin"i Jese,ary izy no voatondro hanapaka eo amin"ny vahoakan"Andriamanitra ".Ny antony nandraisana an'io teny faminaniana io mba hanodinkodinana ny hevitry ny fiantsoana hoe 'nazareanna' dia satria ny teny hoe 'tsimoka'* (netzer) sy ny teny hoe 'natzir' dia samy misoratra amin'ny litera mitovy dia ny 'n' ny 'z' ary ny 'r' (amin'ny teny hebrio mantsy,toy ny amin'ny Fenisianna sy ny Ejipsianna tranainy koa dia tsy apetraka afa-tsy ny renin-tsoratra : ohatra hoe molaly sy ny malala dia samy soratana ho mll).

Io vaha-olana io nefa dia noeritreretin'ny mpisandoka tsy ho azo ekena satria toa kisarisary loatra,toa ho sarotra ny hanohanana azy,ary indrindra indrindra tsy ho afaka hanankinana ny amin'i Jesoa satria manondro be loatra an'i Davida zanak'i Jese.Ka rehefa fatra-pitady nefa tsy nahita andalan-teny tanaty Baiboly ahazahoana manamarina ara-teny faminaniana ny fiantsoana hoe 'nazareanna' ry zareo,dia rafitra nila vonjy toy ny mahazatra azy tany amin'ny ara-jeografia tamin'ny fanisiana fifandraisany eo amin'ny tananan'i Nazareta sy ny teny hoe 'nazareanna',tahaka ny efa nataony ihany tamin'ny teny hoe 'kananita' sy 'iskariota' izay nampihaviany avy any Kanà sy Kariota.(i Kariota ohatra dia tanàna tsy misy akory).

Ka avy amin'io fambolen'ny mpihosoka mangim-pitaka vaovao io,dia miha-matevina indray ny porofo matotra sy doria fa i Jesoa,olona tsy nisy na hoviana na hoviana,dia tsy hafa fa saron-tava narakotra an'i Joany avy ao Gamalà.

Ireo evanjely kanonika* efatra dia manankina ny fiantso nazareanna (nazarenus) amin'ny tanànan'i Nazareta amin'ny fanamafisana fa izy io dia tanàna izay nahalehibe sy niofanan'i Jesoa nandritra ny 30 taona nialohan'ny fampihelezan-keviny.Koa satria i Nazareta no anatsoahantsika ny porofo tsy hay toherina mba hanambaràna fa i Jesoa,raha ny tena marina,dia tsy iza fa i Joany,dia ndeha ho dinihintsika kely io tanàna io satria toa tena mifanipaka toy ny atsimo sy ny avaratra amin'ny voalazan'ny evanjely ny toetran'ilay tanàna sy ny manodidina azy.

Nazareta* :
Tonga dia apetraka ny fanontaniana : nahoana ny tanànan'i Nazareta izay eo amin'ny lemaka,ary lavitry ny dobon'i Tiberiada no voatantara ao amin'ireo evanjely ho miorina ambony havoana ary tsy lavitry ny dobo? Ny antony dia tsotra :satria ilay tanàna miorina eo an-kavoana ary manakaiky ny dobo no tena tanàna nonenan'ny Mesia ary voarakitry ny 'lovan-tsofina' izay nampiankinana ny fitantaran'ny evanjely.

Fa ilay tanàna hafa miorina eo amin'ny lemaka ary 40 km lavitry ny dobo kosa dia tanàna noforonon'ny mpisandoka mba hanafenana ny tena dikan'ny fiantso hoe : 'nazareanna'.

Ny tena nahatonga ny an'io fifangarihan'ny filazàn'ny evanjely ny amin'ny tena tanindrazan'ny Mesia sy ny tanànan'i Nazareta io dia avy amin'ireo mpihosoka izay nikotrika ireo evanjely kanonika* efatra tany Roma nefa tsy nahafantatra akory ny toe-tany any Palestinna,hany izy ireo ka nandray ambolony fotsiny ny lovan-tsofina mikasika ny Mesia Joany fa tsy nieritreritra ny hampirapaka izany vontoatin'ny lovan-tsofina izany amin'ny toetra ara-jeografia sy jeolojian'ny tanànan'i Nazareta. (jereo ny sari-tany).

Nofidiana fotsiny ny tanànan'i Nazareta satria ny anarany no natao anolànana ny hevitry ny hoe 'nazareanna'.

Eo ampamakiana ireo Evanjely isika dia afaka mitily fa ny tanànan'i Jesoa dia tsy i Nazareta mihitsy,Nazareta izay ao amin'ny lemaka,ary 40 km atsimo andrefan'ny dobon'i Tiberiada,fa kosa tanàna hafa izay miorina eo ambony havoana manakaiky ny dobo.Io dobo io dia manana ny toetram-parihy rehetra nohon'ny fisian'ny lakana,mpanjony,morona,tafio-drivotra mampisy onja.Ireo apostoly rehetra dia saiky mpanjono daholo no novàn'i Jesoa ho mpianatra* rehefa hitany teo am-pisarihana haranto*.

Raisintsika ireo an-dalany vitsivitsy avy amin'ny evanjely : " Nony vita izany fanoharana izany dia niala teo i Jesoa ary nankany amin"ny tanindrazany ka nampianatra tao amin"ny sinagoga.Ireo olona avy any an-tanànany,nony nahafantatra azy,dia niresaka ny momba azy.Rehefa henon"i Jesoa izay nofampiresahan"izy ireo dia niala teo izy ka namonjy nankao an-dakana,fa ireo olona nijanona tery amoron-drano,ka nositraniny ireo marary,nampitomboiny ny mofo sy ny trondro.Rehefa voaparitaka ny olona dia nihazo ny havoana izy ary nanomboka nivavaka.Teny an-kavoana izy no tonga saina fa ery ambany ery amin"ny dobon"i Tiberiada dia savihin-doza nohon"ny rivotra sy ny onja ny lakan"ny apostoly,ka niolomay haingana izy " (Matio 13,35).

Ny fanindrihindriana hafa momba ny tena toetry ny tanàna niavian'i Jesoa dia hitantsika dia hitantsika ao amin'i Lioka izay mitantara amintsika koa ny fisian'ny tevana : " Nankany nazareta i Jesoa,toerana nahalebeazany,ka niditra toy ny fanaony tao an-tsinagoga indray Sabotsy,ary nitsangana mba hamaky teny....Vinitra daholo izy rehetra rehefa nandre izany.Nitsangana izy ireo ary noroahiny ho any ivelan"ny tanàna izy ka nentin"izy ireo ho ery amoron"ny tevan"ny vohitra izay iorenan"ny tanàna mba ahafahan"izy ireo mandronjina an-tevana azy.Nefa namonjy nanavatsava azy ireo izy ka niporitsaka " (Lioka 4,14-28).

Ity koa mbola misy : " tamin"io andro io dia nivoaka ny tranony i Jesoa,ary rehefa nitombina teo amoron-drano izy dia nohodidinin"ny vahoaka ka voatery niakatra tao an-dakana. " (Matio 13,1-2).

Ary mbola ao amin'i Matio ihany : "Teo ampihainoana ny kabariny dia nanatona azy ny vahoaka marobe,ka niangavy ireo mpianany izy mba hanome lakana azy mba tsy ho voahitsaky ny vahoaka....avy teo dia niakatra ny vohitra izy rehefa avy niantso an'ireo izay tiany hiaraka taminy....niditra tao an-tranony izy ary nitangoronan'ny vahoaka maro loatraka tsy nahafahany nihinan-kanina akory.Tonga ny reniny sy ireo rahalahiny ka nijanona tao alatrano sady nampiantso azy.Rehefa avy nanazàva iza no tena havany izy dia nivoaka ny trano ary nanomboka nampianatra nanaraka ny sisin-dobo. " (Matio 3,4).

Toy izany no ahatsikaretana fa ny tanàna nahalehibe an'i Jesoa dia tsy ho afaka ho i Nazareta velively izay an-demaka sy 40 km lavitry ny dobo (jereo ny sary).Misy nefa ny loharanom-pahalalàna hafa ahafahana mamantatra mazàva iza marina io tanàna tsy lavitry ny dobon'i Tiberiada io,ary miorina antampo-kavoana sy odidinin'ny tevana.
Ny valin'izany fanontaniana izany dia hitantsika amin'ny tsongon-tsoratr'i Faviosy Josefa izay miresaka ny momba ny tanànan'i Ezekiasy rain'i Jodasy lehi-Golanita sady raiben'i Joany lehi-Galileanna antsoina hoe lehi-nazare :
" Ezekiasy dia Rabi* ao amin"ny fianakaviana ambony toerana tao amin"ny tanànan"i Gamala izay miorina eo amin"ny morona Golanitan"ny dobon"i Tiberiada.Io tanàna io dia tsy nanaiky ny Romanna satria natoky ny arony ara-boajanahary.Hita tokoa fa avy amin'"y tendrombohitra avo dia tohiny bekitaona.Eo ampovoan'"o dia misy vonto mitovy fihilànana ny aloha sy ny aoriana ka lasa mitovy salovana amin"ny ampondra* (gamla) izay nahatonga ny anarany na dia tsy nohajain"ny mponina aza ny fanononana azy fa nataony hoe Gamala.Eo amin"ireo takibany sy eo anoloana dia mifarana amin"ny hantsana tsy azo sedraina,nefa ao an-damosina dia sarotra idirana.Na dia eo koa aza dia mbola nasian"ny mponina hady mitsivalana mba hanakanana ny fihazoana azy.Ireo trano miorina eny amin"ny takibany dia mivangongo be : ilay tanàna dia ohatran"ny mihantaona ary toy ny hianjera mitolefika lalandava.Mitodika any atsimo ny tendrony avobe ary io no lasa mandan"ny tanàna,ary eo ambanin"izany dia misy hady lalina tsy misy rindrina ary milatsaka any amin"ny tevana tena lalim-be.(Ant jud).

Inona indray no azontsika lazaina hafa afa-tsy ny maha-tanàna voalazan'ireo evanjely an'io ho tanàna'i Jesoa ?Inona indray no azo lazaina hafa afa-tsy ny nahaterahan'i Jesoa tao Gamala an'i Golanita fa tsy tao Betlehema toy ny ampiteleman'ny Eglizy antsika,indrindra indrindra fa tsy tany nazareta izy no lehibe ?
Ary raha avy ao Gamalà i Jesoa,dia iza indray no ho izy afa-tsy i Joany zafikelin'i Ezekiasy sady zanak'i Jodasy lehi-revolisionera izay amafisin'i Flaviosy Josefa fa avy ao Gamala ihany koa ?
" Jodasy,Golanita avy amin"ny tanànan"i Gamala dia niroboka tao amin"ny revolisiona (adin"ny fanisàna= guèrre du recencement) tamin"ny fandrisihana ny firenena hitaky ny fahaleovan-tena ".(Ant-Jud XVIII,4).

Ireo vao avy nosoratako teo aloha ireo,raha ny tena marina dia mikendry ny fanomanana ny mpamaky ny amin'ny vohi-kevitra izay tsy misy hirika handàvana azy satria miharihary toy ny vay an-kandrina.Eny fa ho an'ireo izay lasa mafy loha nohon'ny finoana aza ka fatra-pandà ireo fahamarinana hita misongadina indrindra.

Ny fahaterahan'i Jesoa.

Tsy ampy porofo ara-tantara ny kristianna ka manambara ny fiainan'i Jesoa amin'ny fianteherana ranoray amin'ny teny faminaniana*.Ny fiaingana amin'ny eritreritra milaza fa izay nambaran'ny mpaminany* rehetra dia tsy maintsy tanteraka satria avy amin'ny tsiokan'Andriamanitra.Arak'izany no nanoratany ireo evanjely tamin'ny alalan'ny fanankinana ny asan'i Kristy amin'ny andalan-tsoratra notsoahina tao amin'ny baiboly (testamenta taloha),andalan-tsoratra notefena na noterena hirapaka ary nolazaina fa teny faminaniana*.

Tsara eto ny miteny ny laha-matipaika*(destin) izay manafoana ny fahaleovan-tsaina*(indépendance d'esprit) ka mahatonga ny olona tsy hahafehy intsony izay ataony.Hany ka nahatonga an'ilay Kristy ho toy ny saribakoly nanana rindram-piainana* matipaika nialoha araka ny soratra masina (testamenta taloha).Nefa ny resako dia tsy miditra any amin'ny tsy fisian'andriamanitra,fa any amin'ny tsy nisian'i Jesoa ihany amin'ny maha-olona ara-tantara azy,ka avelako ny mpamaky hanana fahalalahana ny amin'izay fehin-kevitra tiany ny momba ny rindram-piainana matipaika*(prédestination),izay manàla ny andraikitra manokana mikasika ny atao ka manafoana ny fisian'ny andriamanitra izay mitsara araka ny sitraka sy ny tsy sitraka*(selon le mérite et le demérite).

Ny fahaterahan'i Jesoa izay noforonina (toy ny fiainany rehetra koa) tamin'ny alalan'ny andalan-tsoratra avy ao anaty baiboly dia namokatra fifanoherana mifangaroharo,lainga sy tranga maivana ary tsy misy fotony.
Ny fahaterahana izay tsy fantatry ny evanjely efatra tany am-boalohany,ny fanampiana an'izany tao amin'ny Matio sy Lioka tamin'ny taon-jato fahatelo CE,dia niankina tamin'ny filàn'ny kristianna ny hanamarinana,amin'ny alalan'ny alalan'ny fampidinana azy ety an-tany,ny fahatongavan'ny Mesia ho olombelona nofo sy rà.Ny antony dia satria nanakiana azy ireo fatratra ny mpanohitra ka nangataka fanazavàna ny amin'ny nahafahan'i Jesoa nanomboka ny asam-pitoriany amin'ny maha-olombelona azy,nefa tsy natera-behivavy akory.

Ny marina mantsy ,ireo evanjely kanonika* dia nampiseho avy hatrany an'i Jesoa efa lehibe taona nanomboka nanao ny asam-pitoriany ary niainga tao kafarnaoma.Tamin'izany mantsy dia tsy nisy mihitsy fanamarinana ny fisiany amin'ny maha-olombelona azy hafa afa-tsy ny feon'andriamanitra re avy any an-danitra tamin'izy nataon'i Joany Batista batemy nanao hoe : "indro ny zanako malalako izay naterako anio ".

Ny fahaterahana an-tany natao tato aoriana dia mifanohitra amin'io fihevitra io,fihevitra izay nampiankinana izany fahaterahana izany mivantana tamin'andriamanitra.Izany no antony nanovàn-dry zareo ny filàza hoe 'izay naterako anio' ho 'izay ankasitrahako indrindra' toy ny voalàza ao amin'ireo evanjely ankehitriny.

Matoa ry zareo tsy niresaka ny fahaterahana an-tany an'i Jesoa ao amin'ny evanjelin'i Joany dia satria naleony nanome an'i Jesoa fahaterahana teolojika* amin'ny maha 'teny'* azy mba ahafahany manao azy ho Mesia 'logos' tahaka an'i Mitra* tao amin'ny fivavahana avestika*.

Iverenontsika ny fahaterahana an-tany an'i Jesoa :avy hatrany dia nipoitra ny olana goavana ho an'ny mpihosoka =>Ho lazaina fa teraka avy any Betlehema toy ny itiavan'i Mike azy ve ? : "Avy aminao ry Betlehema,kely indrindra amin'ireo firaisampokontanin'i Jodea,no hipoiran'ny mpizaka an'Israely " (Mika V,1).=>Sa metimety kokoa ny ampihaviana azy avy any amin'ny tanànan'i Nazareta izay nampiankinana ny maha-Nazareanna azy ?.

Kanefa mba hanajàna ireo fitakiana roa ireo,dia ny maha-Betlehemita sy ny maha-Nazareanna azy,dia samy niasa mitokana ireo mpamorona ny evanjely :ny ekipan'i Matio andaniny ary ny an'i Lioka ankilany ka samy nanao izay saim-pantany ireo,hany ka zary lasa tantara roa samy hafa mihitsy ny fahaterahana an-tany roa voatantara.

Fahaterahana arak'i Matio :

Mba hanamarinana ny teny faminanian'i Mike izay mitaky ny maha-Betlehemita ny Mesia sy ny fiantso hoe 'Nazareanna' azy,i Matio dia nampiteraka azy tao Betlehema ary namindra azy tany Nazareta sy nampipetraka azy tany nandritra ny ambin'ny fotoana niainany.Izany no nahatonga azy ho Betlehemita ara-piterahana,nefa Nazareanna kosa ara-pananganana* (valovotaka).

Mba ahazahoana tsara ilay teti-kady,izay somary sarotra,nampiasain'ny Matio mba anamarinana ny famindràna avy ao Betlehema nankany Nazareta,dia aleo arahina araka ny nitantaran'ny evanjely azy :
" Vao lasa ireo Majy izay nivimbina volamena,emboka manitra ary mira* dia nisehoan"ny anjely i Josefa ka nobitsihiny mba hilefa any Ejipta haingana satria fantatr"i Heroda fa teraka ilay hanjaka ao Israely ka tediaviny hovonoina ny zaza.Rehefa noraisin"i Josefa i Jesoa sy ny reniny dia nandositra tany Ejipta izy mba ho tanteraka ilay voalazan"ny mpaminany hoe : "avy any Ejipta no nantsoiko ny zanako" rehefa miverina avy any Ejipta izy ".

" Mba ho matotra kokoa ny fanafoanana ilay zaza,dia namoaka didy fandringanana ny zazalahy latsaky ny roa taona rehetra ao Betlehema sy ny manodidina azy i Heroda.Io fandringanana io no nanatanteraka ny voalazan"i Jeremia mpaminany hoe :"Re ny kiaka tao Rama ary tsy nety nangiana i Rasela,izay milevina ao Betlehema,satria nitomany ireo zanany izy ka tsy nety nionona ".

" Taorian"ny nahafatesan"i Heroda dia niteny tamin"i Josefa tany Ejipta ny anjelin"ny Tompo mba hody any Betlehema satria ilay nikasa hamono ny zanany dia nodimandry.Nandritra ny fiverenana dia ren"i Josefa fa nandimby an"i Heroda ny zanany lahy Arkelaosy izay masiaka toa an-drainy,ka nohon"ny fahamalinany dianankany Galilea izy ary nipetraka tao an-tanànan"i Nazareta mba ho tanteraka ilay voalazan"ny mpaminany hoe :"antsoina ho Nazareanna izy " ".

Fahaterahana arak'i Lioka :

Ao amin'i Matio dia nampiterahana tao Betlehema i Jesoa satria i Josefa sy i Maria dia mponina tao.Ny ao amin'ny Evanjelin'i Lioka kosa dia milaza fa matoa i Jesoa teraka tao amin'io tanàna io dia satria i Josefa sy i Maria (mitondra vohoka) izay valovotak'i Nazareta,dia voatery nandeha tany Betlehema nohon'ny fanisàna* satria toerana nahalatsahan'ny tavonin'izy ireo i Betlehema.(Ny fanisàna* ara-ketra dia baiko navoakan'ny masoivoho* Kiriniosy vokatry ny fidiran'i Palestinna ao amin'ny ampira* Romanna,fanisàna tamin'ny taona faha 6 CE izay niaingan'ny fihokona notarihin'i Jodasy lehi-Galileanna rain'i Joany).

Rehefa voamarina toy izany ny teny faminaian'i Mike izay nanao an'i Jesoa ho Betlehemita* tamin'ny fampiterahana an'i Jesoa tao anatin'ny zohy malaza,afanain'ny fofon'ain'omby sy ampondra,dia niverina any Nazareta fonenany i Josefa sy i Maria,fonenany izay nilaozany fotoana fohy nohon'ny fanisàna*.

Ny maha-vokatry ny famoronana ireo tantaran'ny fahaterahana* ireo dia voaporofo malalaka tsara,tsy amin'ny maha-mpiavy avy any Gamala ny olona ifantohan'ny tantara izay efa voaantitra ihany akory (Gamala izay tsy misy ifandraisany mihitsy na amin'i Betlehema na amin'i Nazareta),fa indrindra indrindra voaporofon'ny fisiam-pahadisoana sy fahabadoana hita ao :

1)Ireo tetiarana ampidirana an'i Josefa mba hanamarinana fa i Jesoa dia taranak'i Davida araka ny voambaran'ny teny faminaniana,dia mifanao atsimo sy avaratra (ao amin'ny evanjelin'i Matio sy Lioka) ka mahatonga ny eritreritra hiaiky fa oilona roa samy hafa no resahina.Amin'ireo anaran-drazana voatanisa,mifanaritaka ao amin'ireo evanjely roa,dia iray ihany no itovizan'ny filazàna roa.Ireo tetiarana roa ireo dia mifanipaka eo amin'ny isan'ny razana :42 ao amin'i Matio,ary 56 ao amin'i Lioka.Io fifanipahana arak'isa io dia manaporofo fa ireo tetiarana roa ireo dia tsy nosoratana araka ny fahamatorana ara-tantara fa araka ny fitsipika kabalistika* (sikidin-kajy) izay manondro fa ny isan'ny razana ao amin'ny sikidin-kajy Hebrio dia manao fampitomboana ny isa 14.Ny elanelan'isa tsapa dia satria i Matio nampitombo an'io isa 14 tamin'ny 3=>14X3=42,fa i Lioka kosa dia nampitombo izany tamin'ny isa 4=>14X4=56.(Ka alao ny tsirairay no hisintona ny fehin-kevitra amin'ny fitsaràna ny foto-pisainana nijoroan'ny soratra masina).

2)Ireo fotoana iantefan'ny evanjely roa dia misabàka farafahakeliny 11 taona satria i Matio dia mametraka ny fahaterahana*(nativité) alohan'ny nahafatesan'i Heroda Be izay maty tamin'ny taona 4 BCE*.I Lioka kosa dia mametraka izany fahaterahana* izany tamin'ny andron'ny fanisàna izay niseho ny taona faha-6 CE* .(Izany dia tsipihina mba hampantsiahivana fa ny Eglizy dia manolotra an'i Matio ho vavolombelona nahita maso,ary i Lioka ho nitatitra ny zava-nisy tamin'ny alalan'i Maria mivantana izay fantany manokana).

3)I Matio dia manipika fa niteraka an'i Jesoa tao Betlehema i Maria satria mponina tao izy tamin'ny andro niterahany azy : " Ireo Majy,rehefa niditra tao an-tranon"i Josefa dia nahita an"ilay zaza sy i Maria reniny ka nanasina azy ".I Lioka kosa manamafy fa i Josefa sy i Maria dia nankany Betlehema nohon'ny fanisàna*,niteraka an'i Jesoa tao an-tranon'omby satria tsy nanana ny tranony ary tsy nisy nampiantrano : " Nankany Betlehema ireo Majy ka nahita an"i Maria sy i Josefa ary ilay zaza izay nandry tao anaty fihinanam-bilon"ny zohy nisy omby sy ampondra nanafàna azy.Nanodidina azy dia nisy mpiandry ondry,ary teny amin"ny lanitra dia nisyanjely marobe nihira hoe :"voninahitra ho an"Andriamanitra any amin"ny avo indrindra" ".

4)Ireo zava-niseho mikasika ny vonomoka natao an'ireo tsy manan-tsiny nampanaovin'i Heroda,ny filefàna nankany Ejipta notohanan'i Matio dia tsy fantatry ny evanjelin'i Lioka velively.

5)Ny fivahinianan'ny fianakaviana masina avy any Nazareta nankany Betlehema nohon'ny fanisàna* ara-ketra dia mampiteny ny moana mihitsy ary tena diso tanteraka satria,arak'ireo Romanna samy mandoha ny hetrany any amin'ny biraon-ketran'ny tany onenany sy iasany ny vahoaka.Izany hoe eo amin'ny tanàna onenany fa tsy eo amin'ny tanàna nahaterahany.Tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy ary tena fahadisoana tanteraka izay amarinin'ny fivahinianana asaina atrehan'i Maria,fivahinianana tsy ahitana antony matotra azo anohanana azy na kely varaiventy aza satria araka ny lalàna Romanna dia : " Ireo loham-pianakaviana no tsy maintsy manatona ny manam-pahefàna ara-ketra,mbola notsipihina tamin"ny teny midina aza fa ireo vehivavy manambady dia tsy voatery manao izany raha soloin"ny vadiny tena ".

6)Vadi-bendrana hafa izay noforonina mba hanefena ny salazan'ny evanjely dia ny amin'i Heroda " niantso ny mpanjaka Majy mba hilaza aminy ny fotoana nisehoan"ny kintana tamin"izy ireo,ary nandefa azy ireo nankany Betlehema sady nandrisika azy nanao hoe :"mandehana ary tilio tsara ny momba ilay zaza,ka rehefa hitanareo izy dia mba ilazao aho mba ahafahako mitsaoka azy koa " (Matio 2,7).

Ahoana no ahafahana mino fa i Heroda-izay mpanjaka natanjaka indrindra fantatra tany Palestinna tamin'ny andron'ny Romanna,ary araky ny raki-tsoratra dia nanana ny haitao sy sampam-pitsikilovana tonga lafatra indrindra mba hiarovan-tena amin'ny revolisioneran'ny antoko nasionalista Jodaika,sy ireo izay nety ho nitily ny toerany-no handeha hila vonjy amin'ny Majy,vahiny,vao hahafantatra fa ny Mesia anie ka teraka any Betlehema,Mesia izay fantatry ny olona any jodea manontolo na bodo na adala ny nahaterahany satria nodradrain'ny anjely an'ireo mpiandry ondry :anjely maro nanidina teny an-danitra sdy nibarareoka tamin'ny " haleloia,haleloia ".
Fomba ahoana no ahamarina ny fahafantaran'ny olon-drehetra ny amin'ny toerana nahaterahan'ny 'mpanjakan'ny mpanjaka' notondroin'ny kinta-mamiratra hita tany Antsinanana,afa-tsy i Heroda sy ireo mpanolo-tsaina azy ?Na dia ireo evanjely aza dia milaza fa ireo Majy ihany koa dia nangataka torolalana tamin'ny mponin'i Jerosalema mba ahafantaran'izy ireo ny toerana ahaterahan'ny Mesia.Atao ahoana no fino an'izany ?

Mazava ho azy fa eo anivon'ny angano sy arira mivalangetraka mihitsy isika,angano misy mpandray anjara kinofy* toy ireo mpanjaka Majy izay niniana nampidirina hanatontosàna ny tanjona fotsiny.Ireo mpanjaka Majy dia nivimbina volamena sy emboka manitra ary mira izay zava-panatitra ho an'i Mitra*.Ka ny tanjona dia ny hisongonana amin'ny alalan'ny fangalan-tahaka ny fivavahana avestika*,atao izay hitovitovizan'ny finoana roa araka izay azo atao mba hahamora ny fiteleman'ny olona ny angano kristianna.

Izany no antony nampiterahana an'i Jesoa tanaty zohy tahaka ny nampiterahana an'i Mitra*,Dionisosy*,Mardoka*,sy ireo andriamanitra masoandro hafa mba ahafahana manamarina amin'ny alalan'ny fahaterahana tamin'ny toerana tsy misy hazavàna ,ny fandresena farany ny aizina.

Tato aoriana,ny taon-jato faha 4 CE no marimarina kokoa,dia nafindra ny 25 Desambra,daty nahaterahan'i Mitra*,ny fankalazàna ny nahaterahan'i Jesoa izay nankalazaina ny voalohandohan'ny volana Martsa teo aloha.

Io tetikady fanjonoam-bahoaka io dia nifototra tamin'ny fanakekezana araka izay azo natao an'ireo finoanoam-poana paianna* (jentilisa) mba hampitelemana azy ireny tsy misy romoromo firy ny kristianisma.Nanohy izany fomba fanaony izany ny Eglizy nandritra ny taon-jato maro nanaraka tamin'ny fampiasàna ireny tempoly paianna* ireny mba hankalazàny ny finoany.

7)Ny nandefasana tsotra fotsiny ny fianakaviana masina hankany Ejipta dia mba hanamarinana ny maha-zanak'andriamanitra marina ny Jesoany tamin'ny alalan'ny fampitenenana an'Andriamanitra hoe : " Nantsoiko hiala an"i Ejipta ny zanako " .Izany dia mbola porofon'ny maha-kristianna taranaka paianna* an'ireo mpamorona ny evanjely izay tsy mahalala velively ny hevitra fonosin'ny an-dalan-tsoratra avy ao amin'ny baiboly (testamenta taloha).Ny andalan-tsoratra : " nantsoiko hiala an"i Ejipta ny zanako " mantsy dia tsy misy idiran'ny Mesia mihitsy na dia kely aza,fa kosa mikasika ny vahoaka Hebrio izay nafahana tamin'ny fanandevozan'ny Faraona*.

Ka rehefa toy izany ny fandehan-javatra dia netinety kokoa ho an-dry zareo angamba raha navelany tany Betlehema nahaterahany i Jesoa,amin'izay dia tsy voatery nankany Ejipta izay sady mampiharihary ny fahabadoany ara-baiboly no manantitrantitra amitsika indray ny maha-hosoka azy ka amin'ny alalan'ny nametrahana an'i Jesoa any Nazareta mba ahafahana manova,ny maha-revolisionera Nazira azy ho mpitoriteny Nazareanna.

Ka araka izany fifandiparana rehetra hita eo amin'ireo evanjely roa izany dia mba manitikitika ny saiko ihany ny mety ho fihetsik'i Matio raha mahita ny 'tranon'omby' ankehitriny izy,tranon'omby ampandriana Jesoa kely eo anaty fihinanam-bilona kanefa izy tenany (Matio) aza izay vavolombelona nahita maso ny zava-nisy araka ny fijadon'ny Eglizy dia nampiteraka an'i Maria milamindamina eo am-pandriana ao an-tranony.

Rehefa vita ary ny resaka fiterahana,dia niresaka ny famoràna i Lioka,fa I Matio kosa tsy mahafantatra n'inon'inona ny amin'izany.Ny momba io fombafomba io zava-maro no tantarain'i Lioka :
-Miresaka ny amin'i Simon aizy ,olo-marina,ary mankalàza ilay zaza tamin'ny teny nobitsihin'ny Fanahy Masina.Marihiny fa teo i Anna,mpaminany.Voalaza fa ireo domoina fotsy dia natao sorona araka ny lalàn'i Moizy (fanapotserana ny lohany amin'ny hohon'ankihiben-tanana).Nefa tsy mba hita mihitsy hoe iza no mba naka sy nitahiry ny sombi-koditra* (prépuce) mba ho hitan'ny fara-mandimby ka hankalazàny azy ao amin'ny tranon'ny Ursulines any Charroux (France).
Ankoatry ny toetra mampitokelaka an'izany,indrindra fa ny fieritreretana fa ireo relijiozy vavy saro-kenatra ka tara-mena eo am-pitsaohana an'ilay simbon-dataka*,dia vao mainka mampihatatry ny hehy ny fahafantarana fa ankoatran'io ao Charroux io dia mbola misy dimy hafa ao amin'ny tontolo katolika,ary samy mifikitra amin'ny azy daholo sady manasina ny azy sy mitahiry izany ao anaty vatakely mivolamena.(Ho fampahalalàna fotsiny fa ireo 'sisan-dasa'*(reliques) dia aseho isan-taona amin'ireo mpino mba hisininy amin'ny fanorohana izany eo ivelan'ny fitaratra.Ny an'ny Ursulines any Charroux hono toa imbetsaka isan-taona mihitsy no avoaka hasinina).

Fa ireny rehetra ireny dia tsinontsinona daholo eo anatrehan'ny olana teolojika* izay nipetraka tamin'ity fanontaniana ity : " Raha navelan"i Jesoa tety an-tany ny sombi-kodiny,moa niakatra tany an-danitra tamin"ny vatany lavorary va izy ? ".Mba ahalalàna ny fomba amalian'ny Eglizy ny olana dia aleo any amin'ny Dominikanna* na ny Zezoita no manontany satria izy ireny no mpamaha manokana ny olana teolojika.

Rehefa vita ny firesahana ny fahaterahana dia na i Matio na i Lioka dia samy nandef an'i Jesoa any Kafarnaoma amin'ny faha-30 taonany eo ho eo.Manomboka eo ny asa fitorian-teniny araka ny fomban'i Marsiona (Marcion) ao amin'ny evanjeliny.Ny maha-samy hafa azy fotsiny dia ny Kristian'i Marsiona dia tsy tonga nofo fa naka ny endrik'olombelona fotsiny.
Hatreo dia mbola manontany tena foana ny tenako hoe :ho vita ve ny hinoana ny Eglizy izay manohana fa ireo evanjely ireo dia nosoratan'ny olona nanatri-maso ny raharaha,na ampitomboina tsy misy fetra aza ny fihevitra matotra sy mahatsikaiky ?

Alohan'ny hidirana amin'ny toko manaraka iresahana ny fijaliana* sy ny nahafatesan'i Jesoa Tompontsika,dia tiako ny manome ny ambangovangony ny fomba namoronany an'i Josefa,ray nitaiza an'i Jesoa,sy i Maria,reniny an-tany ary Virjiny.

Ny Maria no anarana nofidiana satria izany no anarana fahita matetika indrindra ho an'ny vehivavy.Ny virjiny indray dia satria ny renin'izay 'mpamonjy' rehetra dia virjiny daholo.Ny finoana rehetra tamin'ny fivavahana tandrefana sy tantsinanana dia zanaka vokatry ny firaisan'andriamanitra tamin'ny virjiny daholo no mpamonjy* (soter).Toy izany ohantra i Horiosy zanak'i Izisy,Tamozin'Isatara,Atisin'i Nana,Perse an'i Dafne,ary i Mitra izay zanaka virjiny norakofan'i Ahora Mazda.
Ary rehefa mijery ny amin'ny fahaterahan'i Visnoa zanaky ny virjiny Devakia isika dia afaka mamantatra fa ny fahaterahana tantarain'i Lioka dia tsy inona fa fangalan-tahaka tsara lahatra an'izany : " Tanteraka ny sitrapon"andriamanitra,virjiny ary reny,miarahaba anao izahay.Avy aminao no hoteraka ny zazalahy hompamonjy an"izao tontolo izao.Nefa mandosira satria tediavin"i Kansa* (andriamanitry ny faharatsiana) ho vonoina ianao sy ny voankazo vaovao ao ankibonao.Ireo rahalahinay no hitantana anao ho any amin"ny mpiandry ondry izay izay ao akaiky ny fiakarana amin"ny tendrombohitr"i Metoa.Eo no hiloaka ny kibonao ny zanak"andriamanitra ".

Io fitanisàna ataon'ny lahan-tsoratra Hindoista io dia mampahatsiahy antsika fatratra ny fahaterahan'ny Mesia an-tany ao amin'ny Apokalipsa voalohany,ary hita ao amin'ny fahaterahana lazain'i Lioka amin'ny antsimpirihiny ->toy ireo mpiandry ondrin'i Kansa->toy ny andriamanitry ny faharatsiana amin'ny alalan'i Heroda izay nitady ny hamono an'ilay zaza-dia fanamporofoana (manginy fotsiny)fanampiny ny amin'ny fangalan-tahaka nataon'ny kristianna ny fivavahana paianna* manodidina.

Noho izany,mba hanohanana ny maha virjiny an'i Maria,dia tsy maintsy olona afa-miharitra ny filàn'ny nofo ampivadiana aminy .Iza nefa no olona na anaran'olona afa-niharitra ny fakam-panahy tsy hiray ara-nofo tamin'ny vady tsara tarehin'i Potifara afa-tsy i Josefa,mpanjaka lefitr'i Ejipta ary zanak'i Jakoba ?Noho izany ary dia natao Josef koa no anaran'ny vadin'i Maria,ary Jakoba koa no rainy,satria natao hiharitra ny filan'ny nofo io Josefa io mba hijanonan'ilay vehivavy ho virjiny mandritra ny fiainany.

Fintiny :

Fintinintsika ary izany amin'ny filazàna fa na dia maro aza (ary maro dia maro tokoa) ny porofo manamafy fa i Jesoa dia vokatry ny fanovàna ny toetra amantantaran'i Joany zanak'i Jodasy avy any Golanna dia fantatra fa ny tsy hita ho hozongozonina sy hotoherina indrindra dia ny fanovàna nataon'ireo mpihosoka ireo ihany tamin'ny alalan'ny fanovàna ny 'nazira' ho 'Nazareanna' mba ho tanteraka ny voalazan'ny teny faminaniana hoe : " tsy hita ho takonana toy ny tanàna iray miorina eny an-tendrombohitra "(Matio5,14).

Notsongoina tao amin'ny boky " La Fable de Christ "
Nosoratan'i Luigi Cascioli.
Nadika tamin'ny fomba malalaka.


Miverina any amin'ny
pejy fizahan-takelaka mba ahafahanao manohy ny famakiana
Te hanoratra mailaka

1

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire