mercredi 3 juin 2009

profesia



Toko faha-14

Ny Teny Faminaniana na Profesia*


Ny fahabangana ara-tantara dia nanosika ireo mpanoratra ny Evanjely handrafitra ny fijaliana sy fahafatesan'i Jesoa amin'ny alalan'ny fitsongoana ireo fivolanana ara- baiboly rehetra mety ho azo ampifandraisina amin'ny fiainan'i Jesoa ,fivolanana miendrika Profesia* noeritreretina hanohanana ny fahamarinan'ny zavatra lazainy.


Notsongoina tamin'izany ny vavaky ny « olo-marina mijaly » (Salamo 21) hoe: « Nozarazarain'izy samy izy ny fitafiako ary nataony an-tsapaka ny ankanjoko » sy ny hoe « notrobahany ireo tanako sy ireo tongotro ary azoko isaina ny taolako ».

Tsy naka sarotra mihitsy izy ireo ka tsy nandala akory ny marina mikasika ny fihomboana izay mamatotra ny tanan'ny voahozona amin'ny kofehy fa kosa nandoaka ny tongotra aman-tanan'i Jesoa tamin'ny fantsika ary koa ary koa nanisy kodiakely eny an-tanan'ny miaramila mba hanaovana an-tsapaka ny fitafiany.


Raha nampitenenina nialohan'ny hiala aina i Jesoa nanao hoe : « Andriamanitro ,Andriamanitro ,nahoana no nilaozanao aho ? » dia satria io fiteny io dia nataon'i Davida amin'ny maha-mpaminany azy,ary voatatitra ao amin'ny Salamo faha XXII ,fiteny izay novàna ao amin'ny Evanjelin'i Joany manao hoe : « Andriamanitro ,aminao no ametrahako ny fanahiko » ,novàna nohon'ny fanankianana avy amin'ny mpanohitra izay nanamarika fa ny teny feno fahoriana toy izany dia tsy mendrika ny Mpamonjy tonga an-tany mba hampianatra fitokisana amin'Andriamanitra.

Ary raha misy manontany hoe iza ilay zazalahy nampandosirina mitanjaka ao amin'ny Evanjelin'i Marka tamin'ny fotoana nambaboana an'i Jesoa tao antanimbolin' Oliva : « Samy nandositra daholo ny rehetra ,afa-tsy zazalahy iray izay nanaraka azy nitafy firakotra fotsiny ,ka nosamborin'ny miaramila ,nefa navotsiny ny lambany ka nilefa am-pitanjahana izy. » (Marka 14,51)...dia ho hitany ao amin'ny bokin'i Amosy ny valin'izany manao hoe: « ...rehefa tonga izany fotoana izany ,dia handositra mitanjaka tanteraka na ny olo-maherifo indrindra aza » (Amosy 2,16).

(Ny Eglizy dia mihezaka ny hanazava an'io fahavendranana io amin'ny hoe : satria voambara fa mahery fo indrindra ilay zazalahy dia tsy iza izany izy io fa ny Apostoly Joany izay eritreretina fa sakaizan'i Jesoa akaiky azy indrindra)


Na dia sahy manakiana amin-kafanam-po sy maneho ahiahy tsy tiako ho lazaina eto akory aza ny sasany amin'ireo Mpahay tantara* ,dia miseho mazava fa io zazalahy io ,zazalahy tsikaritra tamin'ny nambaboana an'i Jesoa ,nibirioka toy ny bitrodia anaty alan'Oliva andro maizina ,dia tsy inona fa nampandraisina anjara asa fotsiny tamin'ny lalaon-tsehatra Evanjelika mba hampiderana fa ny fiainan'i Jesoa dia marina daholo hatramin'ny antsimpirihiny satria voalazan'ny Profesia* mialoha.


Raha namandoina tamin'ny tsiranoka mangidy nalaina tamin'ny ahimpofona sy faka ny molotry ny voahombo nandritra ny fiadian'ainy,nahoana kosa i Jesoa no nomen'izy ireo vinaingotra sy afero ? Ny antony dia hitantsika ao amin'ny Salamo LXIX manao hoe : « Fa afero no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho. »


Nefa mba hahazahoantsika tsara ny maha-hevitaingina ny Profesia* dia tsara raha dinihina ny tsongom-pehezanteny eo amin'ny fototra niaingany ka mivoy tsara ny heviny marina izay hafa tanteraka amin'ny hevitra nomen'ny mpisandoka azy ,mpisandoka izay nanasaraka izany tamin'ny andalan-teny mialoha sy manaraka azy.


Ny fehezanteny hoe « Andriamanitro ,nahoana no nilaozanao aho? » dia natao imolotr'i Jesoa mba ilazana ny fijaliana nianjady taminy nandritra ny fiadian'ainy.Raha natao imolony daholo ny andalan-tsoratra manodidina izany dia manome vokatra « mamoafady » toy izao : « Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako. Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy manoina Ianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.... Ary izaho dia kankana, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka. Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:...sns . » Inona insray no azo tsoahina raha ataontsika imolotr'i Jesoa daholo ny ambin'ny Salamo afa-tsy ny maha-kankana azy sy ny maha- fahafaham-barakan'ny olona azy ,sns ? Ary toy izany avokoa ny fehezanteny rehetra notsongaina tamin'ny baiboly mba hatao Profesia*,ireo fehezanteny rehetra mety mirapaka amin'ny toe-javatra tiana anisihana azy raha raisina mitokana ,kanefa manana sy mivoy hevitra hafa tanteraka na mifangarika rehefa jerena ny zohinkevitra nihaviany.



Ny fahasahiantsapona toy izany dia nahomby teo amin'ireo kristianna voalohany fotsiny ihany izay nanjakan'ny tsy fahalalana sy ny tsikafokafon-dresaka ,kristianna izay nanolotra ireo ampahany betsaka amin'ireo mponina tena ambany fahana (les plus retrogrades) indrindra teo amin'ny Ampira Romanna ,sahala koa amin'ireo ankehitriny izay manolotra aizintsain'ny taranak'olombelona ,aizintsaina mihalasa vatomisakana hatrany ny fivoarana marin'ny firenen-drehetra (efa misy ny tolo-kevitra maro avy amin'ireo masoivohon'ny ONU mba hanesorana ny Vatikana tsy ho isany intsony ,Vatikana izay mitana toeran'ny « mpihaino » ao amin'ny fikambanana ,satria nohon'ny zony « VETO » dia lasa tohariana hoa an'ny fivoarana sosialy).



Moa tokoa va tsy katsahin'ny Eglizy mafy tokoa ny « tsy fahalalana » mba ahafahany miroborobo? Raha tsy marina izany ,nahoana ary ny Eglizy no mitsivalana foana ,ary mbola mitsivalana amin'izay rehetra mety ho vohitry ny fandrosoana (fanamarihan'ny mpandika=parasy,famantarana biolojika,famerana ny isan-jaza,fimailo,fikirana jenetika,...).



(Mbola eo an-dalam-pandikana fa dia hitohy eto ihany)

(Ampiasao azafady ny zanatsipikan'ny sambonao hiverenanao ao amin'ny pejy nialanao na miverena any amin'ny pejy fandraisana ahafahana mijery ny pejy hafa)



Miverina any amin'ny pejy fizahan-takelaka




Raha te hanoratra ianao dia indro ny adiresy mailaka tsindrio eto.

Raha misy moa havanana kokoa amin'ny famakiana teny vahiny dia indro omeko eto ny rohy hamakiana izay mivantana:tsindrio eto.
Ampirisihiko toy izany koa ny fividianana ary ny hamakiana ny boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe "La fable du Christ".Io no hitako tonga lafatra indrindra ny amin'ny fanankianana ny kristianisma( testamenta vaovao).

Ampirisihiko toy izany koa ny famakiana ny boky nosoratan'i Neil Asher sy Silberman mitondra ny lohateny hoe:"La bible dévoilée" izay mikasika ny testamenta taloha ka misoroka ny fivahana tokantompo (monothéisme) hatrany amin'ny fakany.

1

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire