mercredi 3 juin 2009

fihomboana



Toko faha-14


(fihomboana)

Fijaliana sy fahafatesan'i Jesoa Kristy Tompontsika.


Rahefa avy nanampy an'ireo fahaterahana roa tena mifandipatra aok'izany ireo mpihosoka,ka nanadino izay tokony ho hita momba ny fahazazana sy fahatanoran'i Jesoa,dia namela ny evanjelin'i Lioka sy i Matio hitovy tanteraka amin'ireo edisiona voalohan'ireo evanjely efatra izay,nalaina tahaka tamin'i Marsiona,nampanomboka an'i Jesoa ny fampihelezan-keviny tao amin'ny tananan'i Kafarnaoma tamin'ny naha-30 taona azy.


Teo am-panarahana ireo efa voasoratra tao amin'ireo tahirin-kevitra apokrifa* taloha,izay araka ny efa fantantsika dia voatery nifantoka tamin'ny tantaram-piainan'i Joany zanak'i Jodasy lehi-Galileanna nohon'ny tsimaintsy* ara-dovan-tsofina ireo mpanoratra ny Evanjely kanonika efatra.


Izany rahateo koa no antony namaranan'izy ireo ny fiainan'i Jesoa tao Jerosalema amin'ny fampitondràna « fijaliana », « fahafatesana » ary « fitsanganana » azy izay avy amin'ny « fitompoana mistery »* (culte des mystères) no nisontonany ny ampahany,ary avy amin'ny tsongon-teny avy ao amin'ny Baiboly lazaina fa teny faminaniana no nisontonany ny ampahany hafa.


Kanefa na nohezahan'ny Eglizy aza ny hampino ny « zava-nisy » voalazany amin'ny filazàna fa nosoratan'ny vavolombelona nanatri-maso izany,na nosoratan'ny mpanoratra nanadihady mivantana,dia miharihary ihany ireo fifangarihana hita koa tao amin'ireo Evanjely apokrifa*.


Raha ny fotoana nanaovana ny fitorian-tenin'i Jesoa no jerena dia lazaina fa telo taona ao amin'ny Evanjelin'i Lioka,roa taona ao amin'ny Evanjelin'i Marka sy Matio,ary herin-taona ny ao amin'i Joany,ny tena marina dia ireo Evanjely efatra dia vokatry ny fifantenana trangan-tantara nalaina tamin'ny Evanjely maherin'ny 60 ka nahatonga ny fotoanan'ny fitoriampilazantsara ho toy ny fitambaran'ny zava-nisy madinidinika marobe mifangaroharo sady tsy misy fifandraisany lojika* no matetika aza manjavozavo sy mifanohitohitra eo amin'ny zohin-kevitra arahiny,hany ka nahatonga an'i Jules Soury sy Binet Sanglé (mpahay tantara) vakivava ary nilaza fa raha nisy tokoa ny olona lazaina fa nanao ireny dia ny hafokàny no misongadina.

Olona foka ary tokony hesorina ao amin'ny tantara sy ny fitadidiana na dia nohon'ny fatiolona nateraky ny fahasadasadàna mampiady ny samy mpino azy ihany aza satria maro loatra ny fifandankan-kevitra aterany.


Noho io tsy fahampian'ny fahazavana io no mihantsy hatrany ireo mpanaraka ny fahaiza-miaina kristianna nefa tsy mitady valin-teny matotra avy amin'izany izy ireo fa aleony misaratsaraka ka lasa Katolika,Loteranna,Temoinan'i Jehova,Kalvinista,Koakersa,Batista,Anglikanna,Ortodoksa...sns,tsy lazaina intsony ny fisaratsarahana ateraky ny tsy fitovian-kevitra ao anatin'ny Eglizy ihany izay ifandrafesan'ny Zezoita amin'ny Zansenita,hifanoheran'ny Dominikanna amin'ny Fransiskanna,toy izany koa ny Tomista miady amin'ny Molinista,ireo Karmelita kaontamplatifa mifandramatra amin'ny Moanna mpiady.


Izany rehetra izany dia vokatra tsy azo idovirana avy amin'ny kinanga sy peta-toko ary feno fahalovana noforonon'ireo liam-pahefàna toy ireo kristianna avy ao amin'ny lasitra Esenianna izay nampiantrano ireo faikapaikan'olona rehetra tao amin'ny tontolon'ny Ampira Romana.


Fantantsika nefa fa izany voina lehibe rehetra izany dia niankina tanteraka tamin'ny famoronana tavan'olona ara-pahalemana izay nalaina tamin'olona revolisionera dahalo.Tsapa mazava ao amin'ireo Evanjely ny anton'ireny fifandiparana ireny,fifandiparana tsy hay fehezin'ireo izay tsy mahafantatra hoe iza no olona nifotoran'izany ,olona izay nifotoran'ny foto-pisainana Esenianna Zelota* ka tompon'andraikitra amin'ny fanatomombanana ny ady amin'ny alalan'ny fampihelezan-kevitra spiritoaly ho an'ireo saranga an-tanatohotra ambany indrindra mba hihoko amin'ireo mpanitsaka azy.


Afaka nefa ny saron-tava ankehitriny,ka miha-azontsika hatrany ny hevir'ireo tsongon-tsoratra ao amin'ny Evanjely izay maizina sy nifanaritaka tamintsika hatramin'izay ela izay.anisan'izany fifanaritahana izany ohatra ilay mikasika ny fandroahana demony tamin'ilay olona lazaina fa azony tao Gerazo izay mirakitra ny lolom-pon'ny Jiosy Revolisionera amin'i Roma:

Fantatra fa ny « Lejiona » dia anarana nampitondraina ireo « Demony »,nefa ny marina dia mikasika ny Lejiona Romanna antsoina hoe Fretensisy nitoby tany Jodea

ary nanao ny lohan-kisoa ho faneva mba ho famantarana azy manokana (sahala amin'ny louveteau amin'ny Skotisma).Ny ranomasina izay niroharan'ireo biby ireo hahafaty an-drano azy dia ny ranomasina Adriatika izay,araka ny « bokin'ady »,dia hamarinan'ny Revolisionera ny tafika Romana aorian'ny fandroahana azy ireo hiala an'i Ejipta.


Mba hanamafisana fa ny fandroahana demony tamin'io olona azony io dia fanoharana fotsiny ihany,fanoharana mikasika ny fanantenan'ireo Jiosy ny hahatontosa tsy ho ela ny fanafahana an'i Palestinna tambany Jioga Romana,dia ny maha-kisary ny tananan'i Gerazo izay tsy nisy na hoviana na hoviana.


Na izany na tsy izany aza nefa dia,tsy toy ireo mpino,azontsika ankehitriny ny hevitr'ireo fomba fiteny maro izay maizina taloha nohon'ny fifanoheran-kevitra.Tsy mamela mivalo ny tantara Evanjelika nefa izany eo amin'ny fivadihan-kondana* sy fifanoherana ara-potoana* sy ara-Jeografia mikasika ny « zavatra » tantarainy.


Nohon'ny filàna ny fanovàna tsy azo nidovirana ny zava-nitranga an-daniny,nohon'ny fifanjevoan-tsaina tonga vokatry ny tantely amam-bahoana ara-piainana nahafantaran'ny sarambabem-bahoaka ara-dovan-tsofina an'i Joany lehi-Nazareanna an-kilany,dia nananosarotra aok'izany ny fanarenana* ireo fotoam-pilazan-tsara ka nahatonga izany ho tena ratsy rafitra ara-potoana sy ara-pivezivezena* izay nampanaovina an'ilay Jesoa.Fivezivezena izay mahazendana tokoa ny amin'ny fomba nampandehanana an'ilay Jesoa avy any Galile nankany Jerosalema,avy any Betania mankany kafarnaoma sy ny mipody ao amin'ny pejy iray monja.Kanefa na dia eo aza ireo fikorontanana momba tsongon-tantara ireo,sy ny fandehanana avy amin'ny andanin-tany mankany amin'ny ankilan-tany amin'ny andalan-tsoratra vitsy fotsiny ,dia sahin'ny Eglizy ihany ny manohana fa izy rehetra dia mirenty an-tsoratra amin'ny fomba tsy mivena ka ahafahana manantitra fa tolo-botsitra ny fahamarinany.Fahamarinana tolo-botsitra araka ny namafisin'i Bousquet,historiografy mpino sady Monseneran'i Vanves,tao amin'ny bokiny mitondra ny lohanteny hoe « Eléments de Géographie Sacrée » (Edition Delalain),izay nandrefy sy nanao fikarohana antsimpirihiny ka nilaza nanaporofo fa i Jesoa dia nanao fivezivezena mirefy 2740 Km sy 649 M tsy diso nandritra ny telo taona nanaovany ny fampihelezan-keviny.


Tsy hanampy zavatra hafa intsony aho ny amin'io afa-tsy ny fahampian'izany ho antsika ka ahafahantsika mahafantatra hoe iza ireo nanoratra ny Evanjely ary iza ireo mpanohana an'izany.


Rehefa naharay ny anatra manamafy indray ny amin'ny hoe iza ireo Kristianna ary isika,ka ndeha horaisina indray ny tantaran'ny Lakroa,satria ny kristolojia* dia mbola mirakitra zava-mampivanàka sy mahazendana marobe,zava-mahazendana izay tsy manambidiny hafa intsony afa-tsy ny fanamafisana ny fomba nifotoran'ny Eglizy tamin'ny fitaka mahatsiravina.


Inona ny datin'andro nahafatesana atapisaka amin'i Jesoa ao amin'ny Evanjely Kanonika* efatra tamin'izy ireny vao navoaka voalohany? Tsy hahafantatra izany na hoviana na hoviana isika satria ireo Evanjely am-pelantanantsika ankehitriny dia tsy hafa fa edisiona* nohatsaraina sy nohamarinina ary tsy naka ny endriny hentitra raha tsy tamin'ny taon-jato faha-6.


Na izany aza anefa dia zavatra iray no hentitra: ilay daty natapisaka aminy,dia ny taona 33 CE izany,dia tsy mety ho hafa nohon'ny voka-barotra sakabeloha fanampiny indray.


Alohan'ny anaovantsika ny fanadihadina ara-tantara mba ahafantarana an'izany dia ndeha hijanona kely aloha hampiharihary ireo fifandiparana misy eo amin'ny tahirin-kevitra kristianna.


Ao amin'ny Evanjelin'i Piera,eritreretina fa azo inoana indrindra ho an'ireo mpomba an'i Jehova,ny nahafatesan'i Kristy dia niseho tamin'ny andron'i Heroda Be,izany hoe 37 taona talohan'ny daty lazain'ireo Evanjely kanonika*,satria lehio dia maty tamin'ny taona 4 BCE*.Ao anatin'ny tahirin-tsoratra hafa avy any Jerosalema dia anterina kosa fa i Kristy dia maty tamin'ny taona 58 CE tamin'ny andron'i Nerona.Ho an'ny sasany toa an'i Papiasy dia « Maty vokiandro ny Tompo satria tsy maintsy namonjy koa ireo sarangan-taona isan-karazany... ».Md* Irenée,mpahay tantaran'ny Eglizy niaina tamin'ny taon-jato faha-3 (io dia porofo iray amin'ny maro hafa manamafy fa tamin'ny taon-jato faha-3 dia tsy mbola tapaka akory ny taona natao ahaterahana na ahafatesan'i Jesoa) ,nieritreritra fa tsy mendrika an'Andriamanitra ny hiety ho antitra,ka nomeny fahafatesana amin'ny faha-50 taonany i Kristy,ary mba hanaporofoiny ny filazany dia nanambara izy fa « nitily izany tamin'ny tahirin-kevitra tranainy »


Na mandeha tsy voizina toy ny lakan-jejo aza ny fahagagana aterak'ireny fifangarihana sy fifandiparana ireny, dia mbola mahagaga sy manaitra kokoa ny tsy firaharahiana asehon'ireo teolojianna* kristianna eo anatrehan'izany fifanoheran-javatra izany ka mahatonga azy ireny manamaivana azy amin'ny hoe « fifanoheran-javatra maivan-danja » satria na izany na tsy izany dia manamafy daholo izy rehetra fa maty i Jesoa.


Ao amin'ny lahantsoratra sasany,eken'ny Eglizy ho sandoka ka nanilihiny azy,niseho tamin'ny taon-jato faha-4 amin'ny anarana hoe : « Asan'i Pilaty »,ary natao hanarenana ny fivoanana ara-tantara teo aloha, dia nomena fahafatesana ny taona 21CE i Jesoa.Ao amin'ireny asasoratra ireny dia notsipihina ny taratasy nalefan'i Pilaty ho an'ny Amperora Klaodiosy izay ilazàny fa rehefa avy nitsara sy nanameloka ho faty an'i Jesoa izy dia nanenina tamin'ny famonoana olon-tsy manantsiny.Rehefa nandre izany i Klaodiosy dia taitra sy tezitra tamin'ny tsy rariny ary nampisambotra sy namatotra rojo an'i Pilaty ka nampody azy tany Roma mba hotsaraina sy homelohina nohon'ny fahadisoana vitany.


Kanefa izany rehetra izany dia vokatry ny sangodim-panina ara-potoana* ka voatery natsipy an-dava-piringa avokoa rehefa tonga ny fanakianan'ny mpanohitra izay nanamarika fa i Pilaty izay amperin'asa amin'ny maha-Prokorera azy nanomboka ny taona 26 CE ka hatramin'ny 36 CE dia tsy afaka mihitsy nanoratra taratasy tamin'ny 21 CE ho an'i Klaodiosy izay tonga Amperora ny taona 39 CE.


Nefa na izany na tsy izany,ny niafarany dia ny taona 33 CE no noraiketin'izy ireo ho nahafatesan'i Jesoa.Na dia io aza nefa dia vorika,toy ireo rehetra ao anatin'ny Evanjely*,ka nahatonga ireo Teolojianna* ireo tsy afa-nandà ka nanambaràny fa ny fahaterahana sy ny fahafatesan'i Jesoa dia « tsy fantatra amin'ny tena marimarina ».Tsy iza nefa izyireo fa ireo Teolojianna* manohana ny hoe nosoratan'ny vavolombelona nanatri-maso ireo Evanjely.


Ndeha ary hojerentsika ny fomba nataon'ireo mpisandoka nanapahany hevitra ny handraisana ny taona 33 CE ho fahamarinana varomaty.


Satria ny vanim-potoana antsoina hoe Mesianika* dia tomombana tamin'ny fotoana anelanelan'ny nahatontosan'ny Profesian*'i Jakoba (izany hoe ny taona 6 CE izay nanapitihana an'i Arkelaosy) sy ny faran'ny ady Jodaika* ny taona ny taona 70 CE,dia izay no nanohanany ny taona 33 CE amin'ny alalan'ny Profesia* ihany koa.


Ka roa ny Profesia* (teny faminaniana) nampiasain'izy ireo tamin'izany: ny voalohany dia ny an'i Daniela,ary ny faharoa dia ny an'i Jakoba.


Ny nalainy tao amin'ny Profesian'i Daniela (IX,1-24) dia ny fanamarinana fa ny fehim-potoana Mesianika* dia naharitra 70 taona.Mba hampifanojoana ny fehim-potoana Mesianika* ,izay 64 taona no tena marina,amin'ny 70 taona voalazan'i Daniela,no antony nampandrosoany ny datin'ny fanisàna* ao amin'ny Evanjelin'i Lioka,ka navadika ho ny taona 1 CE ny taona 6 CE tokony ho izy.


Ny an'i Jakoba kosa indray dia manambara ny valifatin'Andriamanitra amin'ny vahoakany rehefa sasa-niandry nandritra ny 40 taona ngarangidina ka toy izay no filazan'Andriamanitra : « rehefa rikoriko nandritran'ny 40 taona tamin' ito vahoaka* ito aho dia nanao hoe ny Hebrio dia vahoaka tsy misy ho raisina fa very fanahy,ka noho izany dia hamaly faty azy ireo aho ka tsy hampidiriko ao amin'ny fiadanako izy » (Salamo 95).


Ka avy amin'io no nahazahoany ny daty izay nidinan'ny Mesia an-tany,nijaly sy maty.Rehefa nataon'izy ireo ny kajy dia ny taona 70 CE no raikitra fa valifatin'Andriamanitra satria nanomboka teo no dia afaka tamin'ny Hebrio ny fiadanana ka nisian'ny fipariahana tanteraka.Nifanarahan'izy ireo tamin'izany fa ny 40 taona nisasara-miandrin'Andriamanitra nialohan'ny nanasaziany ny Hebrio dia nanondro ny fotoana nandalo hatramin'ny nanaovan'izy ireo ny fahotana mahafaty tamin'ny alalan'ny fanaovana zinona ny zanak'Andriamanitra nalefany ho Mesia*.Ka ny 70 analana 40 mira 30,dia ny taona 30 CE izany no maty ny Mesia araka ny Evanjelin'i Lioka izay nampanomboka ny fotoam-pitoriana* telo taona talohan'io,izany hoe ny taona 27 CE izay mifanojo indrindra amin'ny « faha-15 taona naha-amperin'asa ny Amperora* Tibera » (Lioka 3,1).


Ny fanemorana ny daty ho ny 33 CE ao amin'ny Evanjely ambiny hafa dia niankina tamin'ny fitiavana hanome isa faran'izay masina ny taonan'i Kristy sy ny taona nahafatesany tamin'ny alalan'ny Kabala* Hebrio izay nankalaza ny isa 3 ho isa tonga lafatra indrindra. («3X10+3=33).


Satria ny taona 33 CE i Pontsy Pilaty dia governoran'i Jodea,i Heroda Antipasy no *Tetrark'i Galilea,ary i Kaifa no lehiben'ny Mpisorona.Noho izany no nanotan'ny Kristianna ny lalaon-tsehatra* nampandraisany an'ireo olona ireo anjara amin'ny fahafatesan'ny Kristy Mpamonjiny,izany hoe ilay Voahosony,na Sotera*,Kiriosy*,izay nomeny ny anarana hoe Jesoa tato aoriana,ka ,araka ny efa fantatsika,dia lasa tao amin'ny fanazoviana* tanteraka.


Ny maha-vokatry ny vadikondana* ny fijaliana sy ny fahafatesan'i Jesoa dia voamarin'ny fahadisoana ara-tantara maro dia maro taterin'ireo Evanjely:

-Ny voalohany manaitra ny maso dia avy amin'ny tsy fahalalan'ireo mpisandoka Kristianna izay mampiara-belona ireo Lehiben'ny Mpisorona roa :i Anna sy i Kaifa,ka manao fahadisoana toy ny fametrahana Paparaimasina* anankiroa eo amin'ny Eglizy Katolika Romanna.Nefa toy ny tsy mbola ampy azy ireo ny fifanipahana ara-pahefana fa mbola nampiany trotraka ihany indray amin'ny fahadisoana ara-tantara loza amin'atambo ka vao mainka manaporofo ny tsy fahalalany izy ireo satria i Anna izay niala tamin'ny andraikiny tamin'ny taona 15 CE dia tsy ho afaka nisahana zohim-pitsarana* niseho 18 taona taty aoriana.Ny fahafantarana fa ny Lehiben'ny Mpisorona* dia miala andraikitra amin'ny taona efa zokiny dia zokiny,dia ahafahantsika ho sahy manambara mazava fa i Anna,tamin'ny taona 33 CE io,dia efa lasan-ko razana.

-Ny vadikondana faharoa dia ara-pitondrana* (juridique) izay hitantsika ao amin'ny andalan-tsoratra milaza fa i Pontsy Pilaty dia nandefa an'i Jesoa nankany amin'i Heroda mba hitsarany azy.Nohon'ny fandavana nafitsoky ny mpanohitra,nanamarika fa i Heroda dia tsy afaka ho ao Jerosalema satria Tetrark'i Galilea izy ka tsy misy ifandraisany mihitsy amin'i Jodea,dia nahintsin'ny mpisandoka Kristianna ny filazany ka nampiany tao amin'ireo Evanjely fa « sendra nivahiny tao Jerosalema i Heroda » (Lioka 23,7).Kanefa na dia izany ohatra,dia tsy mitombina ihany satria i Galilea sy i Jodea dia firenena samy masina an-taniny ara-politika sy ara-pandraharahana,ka raha oharina izany dia toy ny hoe : « Nanararaotra nandefa an'i Rainitontakely avy eny Antanimora nankeny amin'ny Hilton i Ra-Prezy mba hitsaran'i Ra-Chirac azy amin'izao fandalovany eto Madagasikara izao ».


Ny tanjon'ny mpisandoka nefa dia mangarahara: dia ny hampiditra ao amin'ny tantaravalamatiny olona nisy ara-tantara maro araka izay azony atao,mba ahafahana mampino fa azo inoana tokoa ny zavatra tantarainy.


Raha atao nefa ny fanadihadina ny zava-nisy amin'ny alalan'ny tantara dia azo fantarina ny taona nihomboana an'i Jesoa izay nifanandrify amin'ny daty nahafatesan'i Joany zanak'i Jodasy lehi-Galileanna no tena marina.Araka ny hita amin'ny tahirin-kevitra apokrifa*,sady amafisin'ireo Evanjely kanonika*,i Joany Batista dia maty tamin'ny fanombohan'ny *fitoriantenin'i Jesoa izay naharitra telo taona.I Flaviosy Josefa dia milaza (Antikite Jodaika*) fa i Joany Batista dia novonoin'i Heroda Antipasy taloha kelin'ny nandresan'ny Mpanjaka Areta avy any Petra azy tamin'ny taona 36 CE.Azo atao ny manao ny kajy amin'ny fanampiana telo taona izany,telo taonan'ny fitorianteny,ka milaza fa ny datin'ny fihomboana dia ny 36+3=39 CE.Vokatr'izany dia tsy afaka nitsara an'i Jesoa Kristy mihitsy i Pontsy Pilaty satria ny asany amin'ny maha-Prokoratera* azy dia tapitra tamin'ny 36 CE,io toerana Prokoratera* io dia tsy nisy nizaka hatramin'ny 44 CE,taona nifidianana an'i Kospiosy Fadiosy ho Prokoratera* vaovao.


Ny zava-nisy momba ny fizakan'ny Prokoratera* an'i Jerosalema dia toy izao:vao nitsahatra tamin'ny maha-Prokoratera azy i Pilaty,dia maty ny Amperora* Tibera.I Kaligola nandimby an'i Tibera dia tsy nanendry Prokoratera* Romanna fa naleony nametraka ny fandraharahana an'i Jodea tamin'ny Delegasiona* niankina ara-tafika amin'ny Lehibem-paritany* Sirianna.Ny antony nanafoanan'i Kaligola* ny Prikorateran'i Jodea dia ny hamoriany an'i Palestinna ho firenena iray mba hataony kolikoly* ho an'i Heroda Agripasy ho mariky ny fifankatiavana nanambatra azy ireo,fifankatiavana isian'ny fivadiantsamilahy* arak'ireo mpahay tantara.

Noho izany,satria foana ny toeran'ny Prokoratera* tamin'ny 39 CE,i Jesoa dia tsy notsarain'i Pilaty (izany rahateo no tsy iresahan'ny mpahay tantara an'izany) ary tsy notsaraina Prokoratera ofisialy hafa ,fa kosa notsarain'olona tsy fantatra anarana izay nisolo vaika an-kamehana* ny asana Prokoratera*.


Porofo iray manamafy fa ny taona 39 CE no niseho ny fihomboana dia avy amin'ny sangan'asan'i Filona an'i Aleksandria mitondra ny lohan-teny hoe « Contra Flaccum » nosoratany nanohitra ny Lehibem-paritany* Flakosy izay nizaka an'i Siria nandtritra izany fotoana izany.


Ao anatin'ny tsongon-tsoratra itantarana ny famangiana ataon'i Heroda Agripasy ny sakaizany Kaligola tamin'ny taona 39 CE , dia voalaza fa nandritra ny fiverenany avy any Roma dia nandalo andro vitsivitsy tao Aleksandria izy.Nanararaotra ny fandalovan'io Mpanjaka Jiosy io ny Paianna* fahavalon'ny Hebrio mba hanesoana azy ka nanao fampisehoana teatra* tao amin'ny kianjan'i Aleksandria,ary nampirenty ny fitsarana izay niafara tamin'ny fihomboana Sefo Revolisionera (Joany),voampanga ho nikatsaka ny seza fiandrianan'Israely.


Ka raha io fampirentiana an-tsehatra notontosain'ny Paianna ao Aleksandria io dia niseho ny taona 39 CE ,ary raha taloha kelin'izay dia nisy fitsarana an'ilay revolisionera malaza,dia mazava fa tsy misy azo ambara afa-tsy ny hoe :ny daty nahafatesan'i Jesoa (Joany) dia mifanojo amin'io taona 39 CE io.


Ny porofo hafa dia azontsika amin'ny alalan'ny fanadihadina ireo tahirin-kevitra voalohany izay nohozonin'ny Eglizy ho Apokrifa*.Ao amin'ny Evanjelin'ny Hebrio izay anisan'ny voalohany indrindra mitatitra ny zava-nisy araka ny lovantsofina*,dia misy an-dalany manambara fa rahefa avy nilaza tamin'ny Apostoly i Jesoa fa niresaka tamin'i Abrahama ,dia nanontanian'ny Apostoly hoe « Ahoana no ahaizanao izany zavatra izany nefa mbola tsy ampy 50 taona akory ianao? » (Evanjelin 'ny Hebrio VIII,57)


Io taona eo ho eo amin'ny 50 io,izay atapisaky ny Evanjelin'ny Hebrio amin'ny Mesia tamin'ny fotoana fitorianteniny dia amafisin'ny *sarin'evanjelin'i Joany ao amin'ny andalan-tsoratra izay manipika mazava hoe : « I Kristy dia nanomboka ny asa maha-mpitoriteny azy tamin'ny faha-46 taonany ».


Satria telo taona no naharetan'ny asany,ambonin'izany indray dia mbola voalaza fa ny taonan'i Jesoa tamin'ny andro nihomboana azy dia 49 na 50 taona ,hita amin'izany fa i Kristy-Joany dia maty teo ho eo amin'ny faha-50 taonany teo ,tamin'ny taona 39 CE .


Ka raha atao ny kajy tsotra dia hitantsika mazava ny taona nahaterahany fa teo amin'ny 12 BCE teo ,izany hoe tena mirapaka tsara amin'ny voalaza amin'ny Evanjelin'i Piera ,eny fa na ny Evanjelin'i Lioka koa aza izay nanao ny fahaterahana* tamin'ny andron'i Heroda Be ,maty tamin'ny taona 4 BCE (Lk 1 ,5).


Raha teraka tamin'ny taona nisian'ny fanisana* marina izy ,izany hoe ny taona 6 CE ,taona nahafatesan'i Jodasy lehi-Galileanna rain'i Joany lehi-Nazira* , fomba ahoana no ahafahan'i Jesoa-Joany manana rahalahy 7 sy anabavy 2 araka ny ambaran'ny tahirin-kevitra ara-tantara sy ireo Evanjely?


Izany nefa dia miseho ho ara-dalàna kosa raha misy fehi-potoana toy ny hoe 19 taona manelanelana ny taona nahaterahan'i Joany ,lahimatoa (12 BCE) ,sy ny andro nahafatesan'ny rainy Jodasy lehi-Galileanna (7 CE).


Ny maha-fandrebirebena ny fijaliana sy fahafatesan'i Jesoa mba hanafenana ny marina dia voaporofon'ny vadikondana tsy eran'ny aina izay tsikaritra hatrany hatrany ao amin'ireo Evanjely kanonika* ,vadikondana sy fitaka izay naha-voatery ireo mpisandoka mba hampifamadika ny zohim-pitsaràna* izay niafara tamin'ny fanamelohana amin'ny hazo fijaliana ka manamafy ny maha-revolisionera mpihoko ny voampanga.


Satria tsy takona afenina ny fihomboana (na dia araka ny efa hitantika aza fa nanadrana ny hanova izany ho fitoraham-bato* izy ireo),toy ny maha tsy takona afenina koa fa teo ampelatanan'ny Tribonaly Romanna

ny raharaha ,ny hany vaha-olana azo natao sisa dia ny famadihana ny zohim-pitsarana politika ho lasa zohim-pitsarana ara-pivavahana ,izany hoe ny fampiankianana ny didim-pitsarana nohon'ny heloka vitan'i « Jesoa » ,tsy amin'ny maha-revolisionefa azy fa kosa ,amin'ny maha-mpitory fivavahana azy.


Ahoana no ahafahana manohana firehan-kevitra toy izany nefa fantatra fa ny Romanna dia fatra-pandala ny fahalalahana ara-pivavahana mba hanomombanany ny Sainkiretisma* (fampiraisam-pinoana) ,vato fehizoron'ny Imperialisma* katsahiny?Ny Romanna dia tsy ho nampiditra fitsarana ,ary vao mainka koa tsy ho nanameloka n'iza n'iza nohon'ny antony ara-pivavahana fotsiny.


Ahoana no ahafahana manohana fa ao amin'ny Tribonaly* Romanna dia ho afaka mandefa olona mpivavaka ho melohina amin'ny hazo fijaliana ,nefa ny fihomboana dia voatokana ho an'ireo izay mpanozongozona ny fiandrianam-pirenena toy ireo revolisionera*?


Rahefa tsy nahita vaha-olana ara-dalàna tamin'io ary izy ireo dia namolavola fitsarana hosoka izay hitantsika ao amin'ireo Evanjely kanonika*.Marina fa nentiny eo amin'ny Tribonaly Romanna i Jesoa ,tahaka ny taterin' ny lovan-tsofina* mikasika an'i Joany ,nefa ,tsy nampanaoviny ny Romanna ny didim-pitsarana araka ny maha-revolisionefa ny voampanga ,fa nampanaoviny ny Sadotseanna* sy ny vahoaka Hebrio izay nanameloka azy ho faty amin'ny maha-mpivavaka sy mpilaza tena azy ho Zanak'Andriamanitra.


Toy izany no lainga nampiasain'izy ireo ,na dia notsarain'ny Prokoratera Romanna aza ,mba hanamelohana ho faty ny Jesoany ,tsy amin'ny maha-Mesia Revolisionera azy ,fa amin'ny maha-Mesia mpitondra ny vaovao mahafaly azy.


Ny zohim-pitsarana* rehetra ,nifototra tamin'ny hataka sadasada avy amin'ny mpanao famotorana sy tamin'ny « fahanginana » avy amin'ny voampanga ,dia novahana tamin'ny alalan'ny sasa-tanana izay nanàla tanteraka ny Romanna amin'ny andraikitra rehetra ,nefa kosa nampiantsorohana ny fiampangana amin'ireo Hebrio tamin'ny alalan'ny fanontaniana napetraka imolotr 'i Pilaty hoe : « Iza no tianareo havoakako ,ny Jesoa tsy misy ota sa ,ny jiolahy Barabasy? ».Ny valiny moa dia ny hoe : « Votsory i Barabasy ary homboy kosa i Jesoa » ,ary mbola nampiana avy hatrany ny hoe : « Aoka hitody aminay sy ny taranakay ny rany » .Io farany io dia fanozonan-tena tsy misy antony matotra ny amin'ny nanaovany azy afa-tsy ny finiavan'ny kristianna mba handresehan-dahatra ny tenany ihany fa izy kristianna no tena mpamono an'i Kristy ,ilay Zanak'Andriamanitra ,izany dia amin'ny fomba tsy misy fanamaivanana azo atao.

Amin'izay fotoana izay dia azoko atao ny manazava hoe iza marina i Barabasy ,nefa aleoko lavitra tsy manao izany alohan'ny ahavitana ny amin'ny fijaliana sy ny fahafatesan'i « Jesoa Kristy Tompontsika » araka ny fomba filazan'ny Kristianna.


Na dia amin'ny ambangovangony ihany aza dia voazava ny fomba nampisaritahana ny zohim-pitsarana Romanna mba hanomezana ny fihomboana fifotorana ara-pivavahana .Ndeha ho jerena kosa ary ireo zava-nitranga atapisak'ireo Evanjely amin'ny fijalian'i Jesoa amin'ny alalan'ny fanadihadina ara-tantara sy amin'ny alalan'ny fampiasana sai-madio sy lalan-tsaina mendrika na dia kely fotsiny ihany aza.


1)Raha ekena ary ny hoe i Pilaty no nitarika ny Tribonaly nitsarana an'i Jesoa.Ny azo lazaina dia tsy mahafantatra an'i Pilaty velively ireo mpanoratra ny Evanjely satria manao an'i Pilaty ho olona tsy manan-kazondamosina amin'ny nanasany tanana ka nanomezany ny vahoaka handidy sy hanapaka.


Raha mba novakian'izy ireo mantsy ny voalazan'i Filona an'Aleksandria mikasika ny tantarampiainan'i Pilaty nosoratany ka anindrihindriany aok'izany ny fahasiahany isaky ny misy fitsarana atao mikasika ireo Revolisionera sy ny didikofehilehibe* fanaony amin'ny Jiosy (voamafin'i Flaviosy Josefa) ,didikofehilehibe mihazo habibiana mihitsy ,dia angamba tsy ho natapisany amin'i Pilaty mihitsy ny fanasana tanana izay toa manondro fa i lehio dia roradroraka sy salasala.


Ampy ny filazana mba hampiaiky antsika fa izay voarakitra rehetra ao amin'ny Evanjely momba izany dia vokatry ny tsy fahalalana sy ny finiavana hamahan-dalitra satria ny toetran'i Pilaty ,amin'ny maha-olon-doza sy olom-biby azy, dia raiki-tapisaka an-tadidin'ny Jiosy;


Ho ahy manokana dia manapa-tsinay ahy ny mieritreritra fa i Pilaty,rehefa nandefa Kohorta* (Lejionera 600 isa),baikon'ny Tribona* (sefo miaramila) amin'ny andro alina mba mba hanosy fihokona vao nitady hipoaka ,ary nahatana ny sefon'ny fihokona ,dia nanontany an'ireo Hebrio ny amin'izay nataony ka nanontany azy hoe : « Inona no heloka iampanganareo an'ito lehilahy ito? » (Joany 18,29).Mbola manampy trotraka izany dia ny niafarany tamin'ny filazana fa ny helony tokana dia ny filazan-tena fa « Bar abba » ,izany hoe Zanak'Andriamanitra.


2)Ny fifandiparana dia misy eo amin'ny toetran'ny Mpianatra* izay tsipihana fa mpanjono tsotra tia fahalemana natao ho mpampiely vaovao mahafaly sy hanao fahagagana ,nefa arenty ho ravolisionera mirongo sabatra manaraka ny Sefo any an-tampon'i Oliva andro alina.(Sambany aho vao naheno fa ny fitaovam-piadiana koa dia fanaka enti-mivavaka).


3)Tena tsy misy fotony mihitsy izany hoe manamboninahitra Romanna irak'i Pilaty nefa tsy mampiakatra ny babo eo anatrehan'ny Tribonaly Romanna fa mamonjy manao izany any amin'ny Sanedrinna* mba handraharahan'ny Mpisorona* Sadotseanna azy!


4)Ny fankalazana ny zohim-pitsarana Hebrio ao amin'ny Sanedrinna* izay toeram-pivoriana politika sy sosialy* fa tsy eo amin'ny Beth-Din* izay Tribonaly dia manamporofo ihany koa ny tsy fahalalahan'ny « kristianna zazavao » nipoitra tamin'ny tontolo Paianna* ,tsy fahalalana na dia kely hoatry ny amatra aza ny fitsipika faran'izay tsotra indrindra amin'ny Pantateoky* (lalàn'i Moizy).


Izany tsy fahalalana izany dia mipoitra indray rehefa ankalazainy amin'ny andro Paka ,amin'izay indray amin'ny alina,ny zohim-pitsarana*,zavatra faran'izay fady amin'ny Hebrio.Ary rehefa ataony imolotry ny Lehiben'ny Mpisorona Kaifa ny fanamelohana ho faty raha vantany vao vita ny fangalàna am-bavany dia mbola diso ihany koa satria araka ny Pantateoky* dia tsy azo ambara ny fanamelohana raha tsy tapitra ny 24 ora aorian'ny zohim-pitsarana*.


5)Nohon'ny fahafantarana ny fotoana naha-amperin'asa ny Mpisorona roa ,ny fanamafisana fa nandefa an'i Jesoa mba hotsarain'i Anna i Kaifa ,nefa i Anna dia efa nitsahatra tamin'ny asa naha-Mpisorona azy tamin'ny taona 15 CE ,dia mijoro ho vavolombelona mihezinezina fa ireo Evanjely dia tsy nosoratan'olona nanatri-maso toy ny izingizinin'ny Eglizy.


Mbola misavovona tokoa ny fihevitra azo atao momba io zohim-pitsarana* Hebraika io izay tsy nisy na hoviana na hoviana ,zohim-pitsarana noforonina ary naompana tamin'ny Profesia* (teny faminaniana) fotsiny , ka tsy manao afa-tsy ny mihantsy fanakianana sy eso avy amin'ny mpanohitra.


Ny resaka zohim-potoana eo amin'ny angano Evanjelika aza dia efa fifampitsipahana tsy hita nonoa. Raha arahina ireo zava-niseho maro nifanesy nandritra ny ora vitsivitsy nanomboka ny maraina ka hatramin'ny tolak'andro dia tsapa fa toy ireny mijery sarimihetsika moana sady haingam-pandeha mahatsikaiky ireny:

-Fambaboana an'i Jesoa.

-Tohitra avy amin'ny Mpianatra* amin'ny miaramila Romanna izay nahabory ny sofin'ny mpiandry Tempoly (Soa ihany fa voapetaka haingana nohon'ny fahaizan'i Jesoa).

-Fihazonana sy fandefasana an'i Jesoa avy eo amin'ny vohitr'i Oliva nankany an-tampon-tananan'i Jerosalema. (eo ho eo amin'ny 1 Km sy sasany eo).

-Zohim-pitsarana ao amin'ny Sanedrinna.

-Fanilihan'i Kaifa ny raharaha any amin'i Anna.

-Avy eo indray ,avy any amin'i Anna mankany amin'i Kaifa.

-Zohim-pitsarana Romanna.

-Fivezehana hafa indray avy any amin'i Pilaty mankany amin'i Heroda.

-Avy any amin'i Heroda indray mankany amin'i Pilaty.

-Kilanjalanja amin'i Barabasy.

-Fanjapiana sy fanesoan'ny miaramila Romanna mizara an-tsapaka ny fitafiana (Nike,Addidas,Ted Lapidus,Pierre Cardin,Christian Dior...=fanamarihan'ny mpandika teny).

-Zotra mankeny amin'ny Kalvery milanja Lakroa.

-Fahalavoana in-telo.

-Kabary amin'ny vehivavy Masina.

-Ala-sasatra « ho an'ny mpaka sary » nanararaotan'ny vehivavy iray namafa ny hatsembohan'i Jesoa.

-Famantsihana.

-Fialan'aina.

-Fahafatesana.


Ny fitambarany dia eo amin'ny adin'ny fito na valo eo.Ny antony dia ,satria raha maty aorian'ny ilentehan'ny masoandro i Jesoa dia voaozona ny fanahiny nohon'ny lalàna telo ao amin'ny Pantateoky* toy izao:

1)Ny fatin'ny voaheloka dia tsy azo esorina eo amin'ny hazo fijaliana aorian'ny ilentehan'ny ny masoandro.

2)Raha maty aorian'ny ilentehan'ny masoandro ny voaheloka ka mijanona eo mandritra ny alina dia voaozona.

3)Fady ny manala ny faty amin'ny salazana andro Paka (Fetin'ny Paka dia ny Sabotsy nefa i Jesoa dia nohomboina ny Zoma mitataovovonana).


Noho izany ,raha tokony haharitra 3 na 4 andro ny fialan'aina amin'ny fihomboana ,dia nahena ho adin'ny telo ny an'i Jesoa nohon'ny zavatra tsy maintsy takian'ny lalaon-tsehatra* (scenario).Nefa na dia nihezaka nanome antsimpirihiny maro ny amin'ny fijaliana syfahafatesana aza izy ireo dia nanao fahadisoana bevava tamin'ny fanomezany fahafatesana an'i Jesoa ny Zoma hariva sy nampitsangana azy tamin'ny maty ny ampitso ,izany hoe ny Sabotsy ,andron'ny Paka .Ireo telo andro malaza izay natao hidinan'ny Mpamonjiny any amin'ny fiainan-tsy hita alohan'ny hitsanganany dia nanjavona lasa rano noho izany,fiainan-tsy hita toy ny an'ireo Sotera*-n'ny fitompoana ireo Mistery* (culte des Mystères) rehetra ihany.


Mba hanarenana an'io fahabangana io ary ,dia naroson'izy ireo andro iray ,tao amin'ny Evanjelin'i Joany ny fotoana nahafatesan'i Jesoa ,ka tsy ny Zoma intsonyfa fa lasa ny Alakamisy.


Na izany aza ,ny vokany dia tsy nahafa-po mihitsy satria tsy ampy 36 ora mba ahatakarana ireo telo andro lazaina naha tao am-pasana azy ,telo andro izay ,na dia eo anatrehan'ny fivohiran'ny zava-misy aza ,dia vohizin'ireo kristianna amim-pahatsorana ,amin'ny maha- « mahantra ara-tsaina » (pauvres d'esprit) azy ireo ,isaky ny manao piliavava izy ireo mitanisa ny fiekem-pinoana hoe : « Jesoa dia nijaly faha- Pontsy Pilaty, maty dia nalevina , nidina tany ambanin'ny tany ,ary nitsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo... ».

Nadika malalaka tamin'ny bokin'i Luigi Cascioli hoe « La Fable de Christ ».

(Raha te hijery izany amin'ny teny frantsay ianao dia mandehana ato amin'ito vohikala ito)

Raha te hanoratra amiko dia eto

Raha te hijery ny toko hafa dia miverena ao amin'ny pejy fandraisana



Miverina any amin'ny pejy fizahan-takelaka raha sitrakao ny hanohy ny vakiteny.



Raha te hanoratra ianao dia indro ny adiresy mailaka tsindrio eto.

Raha misy moa havanana kokoa amin'ny famakiana teny vahiny dia indro omeko eto ny rohy hamakiana izay mivantana:tsindrio eto.
Ampirisihiko toy izany koa ny fividianana ary ny hamakiana ny boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe "La fable du Christ".Io no hitako tonga lafatra indrindra ny amin'ny fanankianana ny kristianisma( testamenta vaovao).

Ampirisihiko toy izany koa ny famakiana ny boky nosoratan'i Neil Asher sy Silberman mitondra ny lohateny hoe:"La bible dévoilée" izay mikasika ny testamenta taloha ka misoroka ny fivahana tokantompo (monoteisme) hatrany amin'ny fakany.

1

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire