mercredi 3 juin 2009

Flaviosy

FLAVIOSY JOSEFA




Ny fahafantarana an'i Flaviosy Josefa,mikasika ny firehany ara-pivavahana sy ara-politika,dia zava-dehibe mba ahazahoana ny setrin'ny lazaina fa "testamentum flavianum "izay porofo miezinezina araka ny Eglizy ny amin?ny nisian'i Jesoa ara-tantara.

Teraka tamin'ny taona 38 CE ary maty teo ho eo amin'ny taona 100 CE,i Flaviosy Josefa dia vavolombelona nanatri-maso ny fotoana mesianika* faramparany sy ny fivoarana ara-pivavahana Jiosy taorian?ny ady Jiosy ny taona 70 CE.

Ara-politika dia sakaizan'i Roma izy,ary tena nanaja loatra ny finoany amin'ny maha-jiosy azy izy ka nahavatra mihitsy ny nisinda tany an-efitra nandritra ny telo taonan'ny fahatanorany mba hivavaka sy hiantsa fanahy* (méditation).

Taranaky ny fianakaviam-pisorona farizaika* (pharisaïque) izy ary nandray adidy ara-pivavahana tamin'ny fony tokoa..Izany indrindra no nahazahoany voninahitra ka nahavoatendry azy mba ho any Roma mba hangataka famoahana sy famelàna an'ireo "mpisorona" sasantsasany izay voatanan'i Prokorera Felisy.

?Ny fiaikeny tanteraka fa ny fiandrasam-basoka ny Mesia mifototra amin'ny « enga anie » sy ny vavaka,sahala amin'ny fanaon'ny Farizianna,dia tsy hitondra vokatra mihitsy raha tantoa ka mbola eo ambany fifeheza'ny Romanna i Palestinna.
?Ny fahafantarany fa ireo vontoatin'ny toe-panahin'ny Esenianna dia tsy mifanipaka amin'ny an'ny Farizianna,indrindra ny mikasika ny tsy mahafaty ny fanahy sy ny fitsanganana amin'ny maty,
Dia nahatonga azy hanapa-kevitra ny hanara-dia ny Esenianna revolisionera sady manaja ihany koa ny fahamalinana sy ny fahendrena izay tsy maintsy tandrovina alohan'ny hanombohana ny tena hetsika ara-tafika.

Ho an?io politika mifototra amin?ny fahamalinana sy fandinihana io no nahatonga azy niady tamin?ny fandaingosana* zelota* (etrêmisme zelote),ka nahatonga ny Sanedrinna* (fitsaràna) haniraka an'i Flaviosy Josefa,tamin'ny taona 64 CE,ho any Galilea mba handresy lahatra ireo revolisionera mba hanemoran'izy ireo ny ady nomaniny manohitra an'i Roma.(Ireo revolisionera dia nantsoina hoe Galileanna,satria tany Galilea no nikotrehany ny ady an-tselika amin'i Palestinna sy ny fanafihana ny miaramila Romanna).

Nandamoka nefa ny tanjony amin'ny maha-mpampandry* azy (moderateur),ka nahatonga azy ho tafaroboka tamin'ny ady (taona 66 CE izay nandraisany anjara) amin'ny maha-manamboninahitry ny tafika revolisionera azy.Izany dia niafara tamin'ny fahirano ny tananan'i Iotapala izay toerana nisitrihany niaraka tamin'ireo namany ka naha-voatery azy ireo hilavo lefona.

Mba hialàny tamin'ny fahababoana izay mety niteraka fihomboana* (crucifixion) dia namonjy nisitrika tandava-drano niaraka tamin'ny miaramilany miisa 40 i Flaviosy Josefa.Nijanona tao izy ireo mandra-panapany hevitra ny hamono tena araka ny fitompoana* (conviction) Esenianna (Izany dia notontosain'i Eleazara koa tamin?ny taona 74 CE izay nisian?ny fahiranon'i Masada :mpiady 1000-lahy no namono tena tamin-tsabatra tamin'izany,araka ny baikom-pahafatesana isan'anarana ka ny sefo no mamono tena farany indrindra).

Tsy toa an'i Eleazara izay natoky tamin'ny teny nomena nefa i Flaviosy Josefa,fa rehefa nanatrika ny famonoan-tenan'ny olony,dia tsy namono tena fa nifanaraka tamin'ireo vitsivitsy farany sisa mbola tsy maty mba tsy hamono tena fa hitolo-tena ho babo an'ady amin'ny Romanna.Nentina teo anatrehan'i Vespaziena* izay nitarika ny ady tamin?ny tafika Jiosy izy (taona 67 CE) ary nanao teny faminaniana an-kamehana* (prophétie improvisée) ka nilaza tamin'i lehio fa tsy ho ela dia ho tonga Amperoran'i Roma izy.Tanteraka izany teny faminaniana izany tamin'ny taona 69 CE,ka rahefa nahatsiaro azy i Vespaziena dia nanaisotra azy tamin'ny fonja,natoky azy,ka nandefa azy nankany amin-janany atao hoe Tito izay nandimby an-drainy amin'ny maha-jeneraly azy tany Palestinna.

Nony vita ny ady Jiosy ka resy ny tafika Jiosy dia nankany Roma niaraka tamin'i Tito i Flaviosy Josefa ka niaina tao an-drova ary nifantoka tamin?ny asany amin'ny maha-mpanao tantara azy.Tamin'ny toetra fahaiza-miainany (mpilelaka mahay) no nandraisany tamin'ny fianakavian'Andriana Flavia ny anarany hoe Flaviosy mba ho mariky ny fankasitrahany izany.

Nohon'ny fahalalahana ara-pinoana nampiavaka ny Romanna dia nijanona ho mpino jiosy hatramin'ny farany i Flaviosy Josefa ary nampianatra sy nitaiza ireo zanany tamin'izany izy.Ny tsikaritra rehefa mamaky ireo sangan'asany dia ny finoana sy ny fanohanany ny politikan'ny fahalemana eo amin?ny tontolo Hebrio sy Romanna,finoana izay dradrainy amin?ny alalan?ny fankalazana ny fahalemem-paikan'ny fianakaviana Esenianna,ary ny fahavinirany kosa amin'ny zelota revolisionera an-daingony izay nihoko tamin'i Roma foana na taty aorian'ny taona 70 CE aza.Izany politika izany dia mifototra tamin'ny fiatsarambelatsihy satria ny tanjona Esenianna,na dia miseho amin'ny endrim-pahalemana aza,dia mifantoka amin'ny fiheverana ara-pivavahana tontoloerany* (universelle) mikatsaka ny hanapotika tanteraka ny firehan-tsaina ara-pivavahana hafa amin'ny alalan'ny Mesia andrasana.

Amin'ny maha mpikambana azy ao amin?ny Esenisma,i Flaviosy Josefa dia niandry foana ny fiavian'ny Mesia izay nankalazain'ny vaika spiritoaly (-araka ireo taratasin'i Paoly an'i Tarsa,-araka ireoTerapetin'i Ejipta mpankatoa ny « logos » an'i Folona* (Thérapeutes d'Egypte disciples du logos de Philon)-ary araka ny toko faran'ny Apokalipsa izay iresahan'ny mpanoratra aminy sy anomezany azy ny fiantsoana hoe Jesoa.)

I Flaviosy Josefa dia nankatoa ny finoana jiosy Esenianna mandrampahafatiny ary niandry foana ny fiavian'ny Kristy Spiritoaly (ny Kristy na Mesia dia mitovy ihany:ny Kristy mantsy dia dika Grikan'ny hoe Mesia).

Vita izany famelabelarana fohifohy momba ny fiainan'i Flaviosy Josefa izany,famelabelarana izay mamohitra ny fankatoavany « tsisy taolany » ny finoana Jiosy,dia hiditra amin'ny fandrasàna ireo tsongon-dahantsoratra roa isika,tsongon-dahantsoratra izay ankalazain'ny Eglizy ho foto-porofo nisian'i Jesoa* ara-tantara(ka ny jesoa lazaina amin'izany dia ny Jesoa Kristian'ny kristianisma ankehitriny).

Vavolombelona voalohany:

Ny vavolombelona voalohany dia notsoahina tao amin'ny « Antikite Jodaika »:
"Teo ho eo amin'izany fotoana izany no nisian'i Jesoa,olon-kendry,raha toa ka azo atao no miantso azy ho olombelona,satria nanao asa mampitampim-bava izy,ary izy no Maistra*,mpampianatra an'ireo nandray amin-kafaliana ny fahamarinana.Maro ny jiosy no nanaraka azy,ary maro toy izany koa ny Grika.Izy no Kristy.Rehefa ren'i Pilato fa nampangain'ny manampahefana (Jiosy) izy dia nohelohiny amin'ny hazo fijaliana.Ireo izay tia azy hatrany am-boalohany dia tsy nitsahatra ny nifikaitra taminy.Telo andro tato aoriana dia niseho tamin'izy ireo velona indray izy satria ireo mpaminanyn'Andriamanitra no naminany izany sy zava-maro hafa mahagaga momba azy.Ary hatramin'izao dia mbola misy foana ireo fikambanana antsoina hoe Kristianna noho izy? (Ant Jodaika XVIII-63).

Fanadihadiana ny amin'ny tsongon-dahan-tsoratra:

1-Ny fandraisana sy fandinihana ny tsongo* (citation) izay ilazàna fa Kristy i Jesoa,izany hoe Mesia nambaran'ny mpaminany ary andrasan'ny Hebrio foana,dia ampy ahatsikaretana fa tsy i Flaviosy josefa mihitsy no nanoratra azy amin'ny maha mpikambana matotra sy mahatoky azy ao amin'ny finoana Jiosy.
Fomba ahoana tokoa ,amin'ny maha-jiosy izay mbola miandry ny Mesiany azy,no anekeny fa efa tonga izy sady izay indray tonga nefa namorona finoan-kafa?
Izany dia fivadihan-kondana (incohérence) nahatonga an'i Voltera niloa-bava hoe »Raha tena reboka tokoa i Flaviosy Josefa fa i Jesoa no Kristy,nahoana izy no tsy nety ho kristianna? »

2-Amin'ny maha-vahinin'ny fianakavian'Andriana azy,ahoana no ahasahiany mampirenty ny fitiavany an'io Mesia io nefa ny antsoina hoe Kristianna,izay voalaza fa fahavalon'i Roma voalohany no mpanaraka azy?

3-Ahoana no ahafahan'i Flaviosy Josefa nanoratra fa i Pilaty no nanameloka an'i Jesoa raha ao amin'ny toko iray ao amin'ny Antikite Jodaika mikasika an'i Pilaty dia tanisainy daholo hatramin'ny antsimpirihiny tsy misy ilàna azy ny momba an'i lehio,nefa tsy nivolana kely akory ny momba an'io fitsaràna io izy,fitsaràna izay,araka ny filazan'ny Eglizy,nahavoaroiroy ireo manampahefàna Pontifikaly,Mpanjaka,ary ny mponin'i Jerosalema manontolo,tsy lazaina intsony amin'izany ny horohoron-tany sy ny fahamaizinan'ny masoandro nanaraka izany?

4-Fomba ahoana no itombenan'ny fanosohana an'io andalan-tsoratra io eo anelanelan'ny zava-nisy roa samy mandàka izany,avy amin'ny mpanoratra liana sy fatra-pikaly ny fanehoany ny fandehan-javatra toa an'i Flaviosy Josefa?

Ny fanaikana* (apologie) ho olo-marina,izay nikabary ny fahamarinana,izay nanao fahagagàna maro,ary mbola arahan'ny olona izay tena tia azy na dia taorian'ny nahafatesany aza,nefa natsofoka teo an'elanelan'ny zava-nitranga roa:-->ny voalohany mitantara fatiolona Jiosy ary -->ny faharoa mitatitra fihomboana Pretra* ,dia tena mivadik'ondana mihitsy ary toy ny dihy diso amponga.

Io andalan-tsoratra io,-->izay tsy voatonona mihitsy nandritra ny fifanasam-bangy nifanaovan'ireo mpanohitra ny Kristianisma nandà ny fahatongavana ho nofo,sy ireo Rain'ny Eglizy izay nanohana izany toa an'i Irene,evekan'i Lyon nandritra ny tapany faharoan'ny taon-jato faharoa,i Klema Aleksandrina (150-215)-->izay tsy maintsy ho nasehony mba hanamarinana ny maha ara-tantara an'i Jesoa-----dia niseho voalohany indrindra tamin'ny alalan'i Ezeba ny taona 325 CE ka mahatonga ny fiahiahiana rariny dia rariny ny amin'ny namoronan'izy tenany izany.
Io fiahiahiana io dia lasa fanizingizinana rehefa nanambara mazàva ny raiamandreny* Fozio fa tao amin'ny kopia nananany ny momba ny « Antikite Jodaika »,iray tamin'ireo izay tsy « voahitsa-bita » ary mbola niely,dia tsy niresaka mihitsy ny momba an'i Jesoa sy ny fahagagany i Flaviosy Josefa.(JP Pigne,Patrologie Cursus Completus,Serie Graeca,Tomus CIII. Pfozius Constantinopolitanus Patriarca).

Porofo hafa indray manamafy fa natoraka (interpolé) io andalan-tsoratra io dia avy amin'i Rylands nilaza fa mpianatra tamin?ny taon-jato faha-XVI antsoina hoe Vosiosy dia mbola nanana santionan'ny asasoratra « Antikite Jodaika » tsy ahitana resaka mikasika an'i Jesoa mihitsy.(Gordon Ryland,Did Jesus ever live ?,watts & Co,London,1929 page 20)

Tantara sy fanadihadiana hosoka bakotraka:

Taorian'ny fisimahana izay nisy teo ho eo amin'ny taona 150 CE tamin'ny ireo materialista* (ireo izay manohana ny fahatongavan'ny ho nofo=incarnation),sy ireo Gnostika (mpanohana ny Mesia spiritoaly,naka endrik'olombelona fotsiny fa tsy ara-nofo) no nipoitra ny fifandonana maro sy mafana vay.Ireo materialista* (nantsoina tamin'ny anarana hoe « kristianna vaovao » mba hanavahan'ny Paianna azy amin'ny kristianna tsotra izay nanohana Kristy mbola ho avy ) dia tsy nanana porofo ny amin'ny fisian?ny Mesiany ara-tantara ka voatery namorona izany.

Nandritra izany fotoana izany,izany hoe ny tapany faharoa amin'ny taon-jato faharoa,no namoronana ireo Evanjely kanonika* efatra sy ny asan?ny Apostoly.Nokirakiraina ireo taratasin'i Paolin'i Tarsa izay nentin'i Marsiona avy any Sinopolisy akaikin'ny Ranomasina Maty nankany Roma.
Kanefa na dia nitady ny hamorona ny fisian'ny Mesiany tonga nofo tamin'ny fomba rehetra aza ireo kristianna vaovao ireo ,ireo tahirin-kevitra nosoratany voalohany dia nifototra tamin'ny kopia sy fikirakirana faran'izay mahamenatra sady izay indray feno fifandiparana sy fikorontanana izay nandramany nohatsaraina nandritra ny taona maro nanaraka isaky ny misy fanakianana ny amin'izany,fanakianana sy eso avy amin?ny mpanohitra.

Ireo Evanjely efatra,samy tsy nisy fahaterahan'i Jesoa,dia samy nanomboka tamin'ny Mesia nanao kabarimpilazantsara tany Kafarnaoma amin'ny faha-30 taonany.Izany dia tsy nisy nahasamihafa azy mihitsy amin'ny Evanjelin'i Marsiona fa saingy ny an'i lehio fotsiny no Jesoa spiritoaly (gnostika),fa ny an?ny « kristianna vaovao » dia olombelona.

Mba ahafantarana fa ny tahirin-kevitra voalohany mikasika an'i Jesoa dia nalaina tamin?ny asa-soratra hafa,dia tsara ho fantatra fa nanodidina ny taona faha-160 CE dia nampangain'i Marsiona ampahibemaso ireo « kristianna vaovao » satria mangalatahaka ny Evanjeliny mba hamoronana ny an-dry zareo.

Ny fahaterahana dia vao nampiana tao amin'ny evanjelin'i Matio sy i Lioka vao tamin?ny taon-jato faha-3 sy faha-4 satria ny ray aman-drenin'ny Eglizy dia voatery nanamarina ny toetra maha-olombelona an'i Jesoa amin'ny alalan'ny fanomezany azy fahaterahana an-tany,fahaterahana izay nilàna koa ny famoronana an'i Maria sy i Josefa.

Ny fifandiparana eo amin?ny lafiny ara-toerana sy ara-potoana,ny fifanoherana ara-pitantaràna misy eo amin'ny fahaterahana voatatitr'i Matio sy ny voatatitr'i Lioka dia mampiseho mazava ny fahasahiranan'ny Eglizy,tamin'ny taon-jato faha-4,ny amin?ny fanomezana ny tavan'i Jesoa toetra maha-olombelona.
Ny fifanolanana nisy teo amin'ireo « kristianna vaovao » sy ireo antokom-pivavahana ambiny izay Paianna*,Jiosy,ary Gnostika* dia nitohy tamin'ny alalan'ny fifanakalozam-pitenenana malalaka mandram-pahatongan'ny fanovàn'i Konstantina* (Amperora Romanna) ny kristianisma ho fivavaham-panjakàna.Izany no nataony dia :?na hamaranana ny fikorontanan?ny vahoaka izay novolavolain'ireo kristianna vaovao mba hampitambazanana ny fanjakana amin'ny alalan'ny korontana na fihokona,ary indrindra indrindra amin'ny alalan'ny fandàvana tsy hanao fanompoam-pirenena *(servisy militera)?na koa,satria voaray tamin'izany daholo ny sarangan'olon-drehetra ka mampiety tsara izany kristianisma izany ho fivavaham-panjakàna.

Nahazo hery tamin'ny fanohanana avy amin'ny teny midina nataon'i Konstantina (tahaka ny tamin?ny 313 izay namela ny kristianna hahazo fahalalahana ara-pilazam-baovao sy ny tsy ahazahoan'ny « heretika *» manompa azy,tahaka ny tamin'ny 315 izay mampitandrina sao voasazy ireo Hebrio manakana ny mpiray finoana aminy tsy hivadika ho kristianna,tahaka ny tamin?ny 319 izay manome ny tsy fahafatesa-manonta sy tombon-tsoa manokana ny Pretra kristianna,tahaka ny tamin'ny 324 izay nivadihan'izy tenany ho kristianna ka nampirisihiny ny vahoakany handray izany fivavahana izany,tahaka ireo lalàna maro hafa izay manafoana tanteraka ny Paganisma*,Hebraisma*,ary ny Gnostisisma*) ireo Ray amandrenin?ny Eglizy,anisan'izy ireny ary voalohany ara-pahamehana ry Ezeba sy Ambroazin'i Milana izay nanomboka nandrafitra ireo hosoka lehibe indrindra teo amin'ireo « soratra masina » sy ireo boky tantara.Izany hosoka izany dia indrisy fa nanery azy ireo handroso tamin'ny lalan'ny fampijaliana sy famaizana ary fanolànana vokatry ny fiampangana ny hafa ho heretika* (mpivadi-pinoana) izay efa fantatsika ny tohiny.

Nesoriny arak'izay azony natao ny bokin'i Flaviosy Josefa ary notediaviny hosoloina amin'ny edisiona voahosoka tanteraka ?Nesoriny ireo andalan-tsoratra izay mety hampandamoka ny famoronana ny tavan'i Kristy,toy ireo mikasika ny fianakavian'ny Asmoneanna izay tsy isalasalana fa noresahan'i Flaviosy Josefa betsaka satria izy no tena loharanom-pikononana ny Ady Jiosy.,nampiany kosa ireo mety azo anohanana ny maha ara-tantara an'i Jesoa.

Tamin?izany fotoana izany no nivoaka ny « Ady Jiosy » amin'ny teny latinna nosoniavin'i Ezesiposy voalaza fa mpanoratra kristianna tamin'ny taon-jato faha-2 nefa tsy nisy olona nahafantatra na nahare siontsionany mihitsy ny aminy afa-tsy tamin?ny alalan'ny andalan-tsorany notanterin'i Ezeba.Ny anarana nofinidiny hoe Ezesiposy aza dia efa ampy ahafantarana ny teti-dratsiny mba hamorona sandoka amin'ny alalan'ny fitovitoviana asehony.Izany dia hita amin'ny boky iray voasonia tamin'io anarana io avy amin'ny Grika hoe « iuseppus », midika indrindra koa hoe Josefa ,izay nety ninoana ho ilay marina nosoratan'i Josefa (Flaviosy).

-Nefa ankehitriny kosa,ankoatr'ireo jamban'ny fitompoana ara-piangonana,ireo mpahay finoana*(exégètes) rehetra dia miaiky fa io kopian'ny « Ady Jiosy » natao amin'ny anaran?i Ezesiposy io dia nosoratan'i Ambroazin'i Milana (masindahy).

I Ezeba ,(antsoin'ny mpahay finoana* hoe « mpihosoka amin'ny fanakalozana anarana »=faussaire par antonomase noho ireo hosoka maro nataony ao amin'ny boky ara-tantara sy « soratra masina ») mpanoratra ny boky antsoina hoe « tantaram-piangonana » (histoire écclésiastique),mba hanamarinana ireo fahadisoana noforoniny dia nilaza fa natsàka izany tao amin'ny bokin'i Ezesiposy.Izany fanamarinana izany,raha ekena fa voasoratra tamin'ny taon-jato faha-2 marina,dia mahatonga antsika hanontany tena hoe avy aiza no nipoirany satria mikasika zava-nisy 150 taona nialoha.

Nohon'ny fimenomenoman?ny mpahay tantara tamin'ireo Moanna* (Moines) mpanao kopia izay nampidify ny « ady Jiosy » tena izy dia voatery ny Eglizy namoaka indray tamin'ny taon-jato faha-6 ireo edisionan'i Flaviosy Josefa izay tsy hafa fa ny an'i Ezeposy ihany,izany hoe ny efa ananantsika ankehitriny ihany.

Guy Fau,mpahay finoana* Frantsay,Monsenera niala,ary mpampianatra teolojia lasa ateista* (athé) dia nanambara fa tsy afaka fantarina ara-tantara momba ny Mesianisma amin'ny alalan?ny « Ady Jiosy » satria sandoka ranoray no eto ampela-tanantsika,ary ireo fampifandraisan-tendro* (interpolations) dia nahatonga izany tsy ho hazava mihitsy.

Satria nahazo vahana sy nahomby ny hosoka teo amin'ny tontolo kristianna izay natomboky ny Eglizy tamin'ny sangan'asan'i Flaviosy Josefa ,dia maro ireo mba nanao izany amin'ny fanosohana ao amin'ny boky nananany ny heviny manokana noeritreretiny fa hanome fitokisana misimisy kokoa ny maha-ara-tantara ny kristianisma.

Nandritra ny taon-jato faha-6 dia nisy kopian'ny "Ady Jiosy" amin'ny teny Siriaka nampitondraina ny anarana hoe ?Boky V n'i Makabe » (Anarana tsara fidy satria ny « Ady Jiosy » n'i Flaviosy Josefa dia nanomboka tamin'ny fihokon'ireo Makabe).

Mbola nisy koa fanaovana « Antikite Jodaika » tamin'ny taon-jato faha-X,nataon'izany antsoina hoe Yosef Ben Gorion izany,izay nanasonia izany tamin'ny solon'anarana hoe: Yosippon (izany hoe Josefa).Ary mbola nisy ihany koa ireo sasany izay natao tamin'ny taon-jato faha-XII amin'ny teny Arménianna sy Silavo,ka nolazaina fa kopia nalaina mivantana tamin'ny an'i Flaviosy Josefa voalohany,nefa ny tena marina dia avy amin'ny an'i Ezesiposy.

Rehefa vita izany filazana fohifohy sy fisandohana ara-tantara natao tamin'ny bokin'i Flaviosy Josefa izany,filazana izay manazava ny amin'ny fomba nataon'ny Katolika mba hitediavana hatrany hevitra hanohanana ny fisian'i Jesoa amin'ny alalan'ny fisandohan-tahirin-kevitra,dia ndeha hiverenana ny amin'ny porofo malaza atao hoe « Testamentum Flavianum » nahavoatery ny Eglizy hiaiky izany ho sandoka na dia amin'ny ampahany fotsiny ihany aza,satria ny fampifanojoana an'i Jesoa ho Kristy sy ny fankatoavana ny fitsanganany amin'ny maty dia tsy hita hasaina hotohanan'ny Jiosy mihitsy.

« Rehefa avy nesorina ireo fanambarana roa ireo izay angamba nampian'ny 'tanana masina' sy vontom-pinoana loatra mba hampinoana ny fanambaràna rehetra,hoy ny Eglizy,dia tsy azo lavina ny ambiny rehetra satria i Flaviosy dia tsy maintsy niresaka ny aminy nohon?ny fahafantarany ny fisian'i Jesoa ».

Io dia fianaran-kendry (sophisme) iray koa izay ampiasain'ny Eglizy indray mba hanamafisana ny « fahamarinany » amin'ny alalan'ny fototra mihozongozona mankalaza ho fahamarinana ny nisian'i Jesoa.

Ahoana tokoa no anehoana fa ny ambiny rehetra,ankoatran'ny fanizingizinana manambara an'i Jesoa ho Mesia,fa nosoratan'i Flaviosy Josefa marina?

Ny fanazavàna an'io izay nanahirana mafy tokoa ny Eglizy satria tamin'ireo mpitsivalana dia nisy katolika koa,dia notontosain'i Vittorio Messori ao amin'ny bokiny « hypothèse sur Jesus » (p.197) izay ilazàny fa misy mpampianatra iray izay antsoina hoe Sholmo Pines nahita,tamin'ny sangan'asan'Arabo tamin'ny taon-jato faha-X atao hoe « Histoire Universelle d'Agapio » (Evekan'i Hierapolisy),tatitra momba ny « Testamentum Flavianum » amin'ny toetrany tany amboalohany ary tsy misy ireo « fanekem-pinoana » izay lazain'ny Eglizy fa nampian'ny « tanana be finoana ».

Izao manaraka izao dia simbon'izany zavatra hitan'ny mpampianatra Pines izany tao amin'ny « Histoire Universelle d'Agapio »:

Tamin'izany fotoana izany no nisian'ny olon-kendry antsoina hoe Jesoa.Tsara ny fitondran-tenany,ary nankatoavina ny hasiny.Maro ireo tamin'ny Jiosy sy ny firenen-kafa no tonga mpanaraka azy.Nohelohin'i Pilaty ho homboina sy ho faty izy.Nefa kosa ireo mpanoha azy dia tsy nitsahatra nankafy ny fampianarany.Mitantara izy ireny fa mbola niseho taminy izy telo andro taorian'ny nihomboana azy ary mbola velona.Izy izay angamba no Mesia izay notantarain'ny mpaminany ireo asany mahatalanjona »

Araka ny hitantsika,ny fehezan-teny hoe: « Izy no Kristy »,sy ny hoe : « niseho tamin'izy ireo velona indray izy »,dia noeritreretina ho diso (sandoka) amin'ny toetrany mivantana loatra ka tsy hita hinoana fa nosoratana Jiosy iringiriny,dia novàna,ny voalohany amin'ny endrika fisalasalana,ary ny faharoa amin'ny endrika honohono mba ho azo ekena,na dia Jiosy aza no manoratra.

Mahaliana ihany koa ny fanamarihan'i Pines (tanterin'i Messori) izay milaza,mba hanasetrena ireo izay mety hiampanga ho fisandohana ny fanalàna ireo fehezan-teny sadasada,...fa tsy azo ekena ny hoe olom-piangonana toa an'i Agappio dia ho afa-manàla tamin'ny lahantsoratra an'ireo vohi-pitenenana mety manohana ny fisian' Kristy ara-tantara.

Hatreo dia izay iray alehany:
-Na i Pines,sy Messori izay mankatoa azy,no misain-jaza.
-Na mieritreritra izy ireo fa isika no « dikindreniny » (imbécile).

Iza,ankoatran'ny olom-piangonana,no hanana tombony hanala ny teny izay mampiharihary ny maha-hosoka ny tsongon-dahantsoratra?
Iza ankoatran'ny Pretra,no hanana tombony hanàla izay manakana ny tsy ahafaha-manaiky ny fanambaran'i Flaviosy Josefa?

Momba ny « hypothèse sur Jésus » (petra-kevitra ny amin'i Jesoa) nataon'i Messori,dia sahiko lazaina sy porofoina fa tsy mbola nisy asasoratra ateista* (tsy fisian'andriamanitra) mahatoraka an'io boky io.
Raha ny fanaporofoana ny fisian'i Jesoa fotsiny aza diaefa afantoka amin'ny petrakevitra (hypothèse) sy ny angambangamba dia efa ampy ilazàna fa ny mpanoratra izany no voalohany misalasala ny amin'izay tohanany.

Vavolombelona faharoa:Ny rahalahin'i Jesoa.

Ny porofo faharoa momba ny fisian'ny Jesoa dia mifototra,araky ny Eglizy,amin'ny tsongon-dahantsoratra ao amin'ny « Antikite Jodaika » ka iresahana n'izany Zaka izany,izay voaheloka ho toraham-bato tamin'ny taona 62 CE.
« Nohon'ny toetra mivantambantana sy sahisahy,dia nieritreritra fa nahita hirika hamonoana an'i Festosy i Ananosy,tamin'ny andro tsy nahateo an'i Albinosy izay lasa nivahiny.Nampanantsoiny ary ny mpitsaran'ny Sanedrina* ka nampidiriny teo anatrehan'izy ireo i Zaka rahalahin'i Jesoa antsoina hoe Kristy,sy ireo sasantsasany.Voampanga ho nandika lalàna izy ireo ka naroso mba hotoraham-bato » (Antikite Jodaika XX 200)

Ny fanolorana an'io olona voalaza fa rahalahin'i Zaka io-,ary nampiana hoe Kristy,toy ny manery amin'ny alalan'izany fanipihana izany ny hanamafy fa ilay tena Jesoan'ny Eglizy io voalaza io,ary toy ny atao fatra-tsaonjo (sisik'alika)ao amin'ny tantara,-dia nitohy namahana ny fifandirana nandritra ny taon-jato maro,fifandirana izay foana tanteraka amin'ny fanadihadiana ny zava-nisy:

Iza i Ananosy?:

I Ananosy dia mpivavaka tanora izay nanana ny maha izy azy tamin'ny tolona natrehiny nanohitra ny Revolisionera* Zelota* ka nofinidin'i Agripa ho lohan'ny mpisorona tamin'ny taona 62.Taorian'ny nahafatesan'ny Prokorera* Festosy,telo volana fotsiny teo amperin'asa,ary araka ny toetrany izay mailaka,sahisahy ary tsy ela figadona araka ny fahitan'i Flaviosy Josefa azy ,dia nieritreritra i Ananosy fa hankasitrahan'i Albinosy,Prokorera vaovao,ny hafatesan'ireo mpanao ratsy izay tsy iza fa ireo Revolisionera Zelota,mba hananterany indray noho izany ny fahatokisany an'i Roma.

Indrisy nefa fa tsy fankasitrahana mba nantenainy no azon'i Ananosy,fa fandroahana azy tsy hitoetra amin'ny toerana maha-Mpisorona azy nohon'ny nataony satria nandika lalàna mikasika ny fanamelohana ho faty izay voatokana ho fanapahan-kevitry ny tribonaly Romanna manokana.

-Iza kosa i Zaka,rahalahin'i Jesoa,izay resahan'i Flaviosy Josefa?

Alohan'ny hamaliana an'io fanontaniana io dia tsara raha tsahivina fa ny filazàna hoe « Jesoa » dia tsy nanana ny heviny amin'ny anaran-tsamirery azy nandritra ny taon-jato voalohany sy ny tapany voalohany tamin'ny taon-jato faharoa toy ny fahazahoana azy ankehitriny,fa toy ny fiantso toy ireo rehetra nantsoina fa Mpamonjy ny vahoakan'Israely ihany.Toy izay koa ny hoe "Mesia", "Tompo" sy "Kristy".Izany dia satria ny "Mpamonjy" n'Israely dia tsy mbola nisy akory ka tsy afaka nanana anarana.Ny anarana hoe "Jesoa" dia tsy lasa anaran-tsamirery raha tsy tamin'ny tapany faharoan'ny taon-jato faharoa rehefa nanomboka nanomboka nampiseho ny Mesiany "olombelona" ireo Kristianna vaovao.Mesia olombelona araka ny fanamafisan'i Selsa tamin'ny taona 180 CE niampanga mazava ny fanitaran'ireo Kristianna vaovao ny amin'izany:

"Ilay omenareo anarana hoe "Jesoa" dia tsy iza akory fa sefon'ny dahalo?" (Selsa 'Tohariana amin?ny Kristianna')

Rahefa fantatra fa tamin'ny taon-jato voalohany,ireo fomba filaza hoe Jesoa,Tompo,Mesia,Kristy dia mifandraika daholo ny heviny-avy amin'ny famantarana fa i Flaviosy Josefa dia nahafantatra izany fifandraisan-kevitra izany-dia sarotra tokoa ny tsy ho tolagaga ny amin'ny nahafahany nanoratra tamin'ny taona 95 CE ny fehezan-teny amin'ny fomba matsatso sy maivana toy ny hoe "Kristy":

"...Nampanantsoiny (Ananosy) ary ny mpitsaran'ny Sanedrina* ka nampidiriny teo anatrehan'izy ireo i Zaka rahalahin'i Kristy antsoina hoe Kristy"

Vokatr'izany dia azo atao ny mamintina fa ny anaran'i Jesoa dia manafina anaran-tsamirery raha ny tena marina.

Rehefa vita izany fanamarihana voalohany izany,dia tohizontsika ny fandrasàna ny amin?ny firahalahiana apatrak'i Flaviosy Josefa misy eo amin'i Zaka antsoina hoe zandriny sy ilay antsoina amin'ny fiantso hoe "Kristy" na "Tompo",noho izany dia mpirahalahy ihany koa amin'ilay Zaka anankiray hafa antsoina hoe "zokiny", sy i Simona voalaza fa rahalahan'i "Kristy" na ny "Tompo".Toy ny molo-bilàny ihany izany izy rehetra ireo araka ny amarin'ny soratra masina sy ny tahirin-tsoratra maro ivelan'izany.

Ary inona indray kosa i Zaka zokiny sy Simona,rahalahan'i Zaka zandrina?

Izy ireo dia Revolisionera zelota izay nohomboina tao Jerosalema tamin?ny taona 46 CE nataon?ny Prokorera Tibera Aleksandra:

?Tamin'ny andro nanapahan'i Tibera Aleksandra,Zaka sy Simona,zanak'i Jodasy lehi-galileanna,dia notsaraina ary nohomboina.Io ilay Jodasy,araka ny efa nazavaiko,nampioko ny vahoaka tamin'ny Romanna tamin'ny andro nanaovan'i Kiriniosy fanisàna tany Jodea" (Antikite Jodaika XX-122)

Araka izao hitantsika izao dia eo anatrehan'ity fianakaviana Asmoneanna ity isika.Fianakaviana taolan-tehezan'ny revolisionna mesianika*:Jodasy lehi-Galileanna,mpikatroka tamin'ny fihokona tamin'ny fanisàna,sy ireo zanany telo lahy: Zaka zokiny,Zaka zandriny, ary i Simona,azo anampy an'ireo koa Jodasy iray hafa izay rahalahin'io Kristy na Tompo io,ary tsy isalasalana ny maha ao anatin'ny fianakaviana Asmonean'i Jodasy lehi-Galileanna amin'ny maha-taranak'i Davida azy araka ny filazan'i Ezeba:

"Tamin'ny fianakavian'ny Tompo dia mbola nisy tavela tamin'ny andron'i Domisienna (81-96) ireo zana-drahalahin'i Jodasy,lazaina fa rahalahy ara-nofon'ny Tompo,izay voampanga ho tanatin?ny fianakavian'i Davida"(Epifanio,hist.Eccl III-20,1).

Io Jodasy io (izay manana zana-drahalahy voapanga ho anisan'ny fianakavian'i Davida nandritra ny fotoana mesianika*,ary nametraka olana be tamin'i Roma,ary mbola toy izany koa taorian'ny ady Jiosy ny taona 70 CE tamin'ny alalan'ny taranany izay revolisionera mpanohana Mesia mbola nandrazana foana) dia zanak'i Jodasy lehi-Galileanna koa,Jodasy lehi-Galileanna izay mambra ao amin'ny tarika Boanarjesy notarihin'ny lahimatoa ary nampiofona ho ekipan'i Kristy tamin?ny fanovàna ireo anarany toy ny an'I Jodasy izay nitondra ny anaram-bositra Taddeo (Theudas) izay midika ho "mahery fo" ka novàna ho anaran-tsamirerin'ny mpianatra iray.

Mbola maro ny fanamaihana azo aseho amin'io sombindahan-tsoratra nataon'i Epifanio io mba hampisehoana ny fomba nifotoran'ny Eglizy tamin'ny fanamarinana mitsitaingatainga izay voatery nataony mba hamenoana ombieny imbieny ireo lavaka tsy nety tototra.Toy izany ohatra ny momba ny maha-virjiny an'i Maria izay notomombanin'ny mpahay fivavahana* (Théologiens) vao taorian'ny taon-jato faha-4,satria mazava fa i Epifanio,rain'ny Eglizy dia manambara ny fiaikeny an'izany amin'ny alalan'ny fanambarany ny maha-mpirahalahy ara-nofo an'i Jodasy sy ny ?Tompo? (Jesoa) izay nataony ny voalohan'ny taona 400 CE.

Ny Eglizy dia tsy afaka na hoviana na hoviana,amin'ny alalan'ny fehezan-teny ao amin'ny Antikite Jodaika,-na dia tena voasoratr'i Flaviosy Josefa marina aza izany,-fa ny rahalahan'i Zaka zandriny dia io Jesoa voahombo ny taona 33 CE io,nohon'ny fifandiparana misy eo amin'io fanambaràna io (izay milaza fa taranak'i Davida izy) sy ny zava-nisy ara-tantara izay manamafy amintsika fa tamin'ny taona 62 CE,izany hoe ny fotoana naha-voatora-bato an'i Zaka,dia mbola tsy nisy mihitsy ny Mesia taranak'i Davida.

Noho izany rehetra izany,ny fanontaniana tokana tsara apetraka amin'ny Eglizy sisa mba hirodanan'ny lapany dia toy izao:
-Ny Jesoanareo ve taranak'i Davida sa tsia? Raha izany no izy dia tsy ho ilay voalaza fa nohomboina tamin'ny taona 33 CE,ary raha tsy izany kosa izy dia olona kisary nalohan'ny tantara.

Raha izany dia iza marina ary ,ireo kristianna lazain'ny Eglizy fa mpanaraka an'i Jesoa maty tamin'ny taona 33CE? Ny valin'izany dia homena tanteraka amin'ny antsimpirihiny rehefa potseriko ny fanambarana nentin'i Don Enrico Righi* ho porofo,mikasika ny taratasy nosoratan'i Plinna* zandriny ho an'ny Amperora Trajana tany Bitinia.

Ento mora ihany!

Nefa alohan'ny amaranako azy,dia tiako ny miverina amin'ilay fehezan-teny mba hanasiako fanovàna kely azy,amin'ny alalan'ny fialàna amin'ny toe-javatra vendrana nanaovan'ny mpisandoka azy ka hampiety an'izany ho mirapaka kokoa amin?ny lojika sy hampiety an'izany ho azo ekena ara-tantara toy ny hoe tena nosoratan'i Flaviosy Josefa mihitsy amin'ny fametrahana ny tena anarana tokony ho eo amin'ny toeran'ilay antsoina hoe Jesoa.

« Nohon'ny toetra mivantambantana sy sahisahy,dia nieritreritra fa nahita hirika hamonoana an'i Festosy i Ananosy,tamin'ny andro tsy nahateo an'i Albinosy izay lasa nivahiny.Nampanantsoiny ary ny mpitsaran'ny Sanedrina* ka nampidiriny teo anatrehan'izy ireo i Zaka rahalahin'i Joany antsoina hoe Kristy,sy ireo sasantsasany.Voampanga ho nandika lalàna izy ireo ka naroso mba hotoraham-bato »

Tsy misy isalasalana fa na i Epifanio aza dia nahatsikaritra ny loza ateraky ny firahalahiana mifantoka amin'ny fiantso roa izay,mikasika an'i Jodasy lehi-Galileanna,miantefa any amin'ny Asmoneanna,noho izany indrindra no nanandramany nanjaitra ny salaka rovitra tamin'ny alalan?ny fanipihana ny anaran'ny rainy:

"Tamin'izany fotoana izany,Zaka,rahalahin'ny Tompo,satria zanak'i Josefa koa no niantsoana azy,ary i Josefa dia rain'i Kristy ?" (Hist Eccl II 1-2).

Toy izany ary no namoronan'ny Eglizy ny tantarany!Ho an'ny mpanohitra izay manontany an'I Epifanio taiza no nangalàny an'io vohin-kevitra mikasika ny rain'i Jesoa sy Zaka zandriny io,izay tsy nisy nilaza ny momba izany mihitsy hatreo,dia valiany boraingina fotsiny hoe:"tao amin'ny bokin'i Ezesiposy".



Raha tianao ny hanohy ny famakiana dia miverena aloha any amin'ny fizahan-takelaka


Raha te hanoratra ianao dia indro ny adiresy mailaka tsindrio eto.

Raha misy moa havanana kokoa amin'ny famakiana teny vahiny dia indro omeko eto ny rohy hamakiana izay mivantana:tsindrio
eto.
Ampirisihiko toy izany koa ny fividianana ary ny hamakiana ny boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe "La fable du Christ" Io dia mikasika ny testamenta vaovao.

Ampirisihiko toy izany koa ny famakiana ny boky nosoratan'i Neil Asher sy Silberman mitondra ny lohateny hoe:"La bible dévoilée" izay mikasika ny testamenta taloha ka misoroka ny fivahana tokantompo (monoteisme) hatrany amin'ny fakany.

1

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire