mercredi 3 juin 2009

EVANJELY KANONIKA

EVANJELY KANONIKA*

Taorian'ny fanapahan-kevitra noraisin'ireo Esenianna hamorona Mesia* efa nisy mba hampifaninanana amin'ny Sotera* paianna* dia maro dia maro ireo evanjely nivoaka ,ary tsy latsaky ny 60 ny isan'izy ireny tamin'ny antsasaky ny taon-jato faharoa.Satria lava loatra ny fitanisana izany sady tsy misy ilà na azy ka dia ny sasantsasany ihany no ambara:

-Evanjelin'ny Ebionita-ny an'ny Nazareanna-Ny an'ny Hebrio-ny an'i Gamaliela-Ny an'ny Kopta-Ny an'i Nikodema-Ny an'ny Arabo-Ny an'i Marian'i Magdala-Ny an'i Tomà -ny an'i Piera-Ny an'i Zaka-Ny an'ireo Apostoly tsirairay avy miampy ny an'i Jodasy lehi-mpamadika ihany koa izay mba nanana ny azy.
(Misy lisitra bebe kokoa amin'ny teny Frantsay)

Tsy sarotra ny miaiky fa samy hafa izy rehetra ireny eo amin'ny resaka mikasika ny Tompo ary koa eo amin'ny maha izy azy avy sy ny nihaviany ,eny fa na dia iray loha aza ny tanjona ,na samy nandala ny fepetra iray aza izy ireny ,tsy inona akory fa ny hanotofana ireo zava-nisy revolisionera. Ny nisehoany dia amin'ny endrika Evanjely ,taratasy ,Asa sy Fomba fiteny.

-
Evanjelin'i Marsiona :
Nanda ny fahaterahan'i Kristy an-tany ,satria henatra izany Andriamanitra tonga nofo feno ota izany.Ny notohanany dia ny fahatanterahan'ny Mesia ny asany eto an-tany tamin'ny fidinana mivantana avy any an-danitra. Mankany Kafarnaoma amin'ny taona efa lehibe ka nandraisany ny salovan'olombelona fotsiny ihany.

-
Asan'ny Apostoly:
Ny ambara ao dia Kristy telo karazana:
-1) Maty teo an-tsatoka (poteau) nohon'ny sitrapon'ny " Archontes"
-2)Nandavorary ny asany tamin'ny fampitana ny fahendreny avy any an-danitra tamin'ny alalan'ny fanambarana (revelation).
-3)Maty teo amin'ny hazo fijaliana amin'ny maha-olona.

-
Taratasy ho an'ny Hebrio
I Kristy dia nohariana araka ny sarangan'ny mpisorombe Melkitsedeka izay nambara ho tsy misy ray tsy misy reny ary tsy misy tetiarana satria mandrakizay ny toetrany ka tsy afaka nanana fahaterahana sy fahafatesana.

-
Evanjelin'ny Ebionita.
Manamafy fa ny mpamonjy dia naterak'Andriamanitra ny androtry ny nanombohany ny asany izay nifanandrify tamin'ny batemy noraisiny tamin'i " Zam-BA"
" Ary raha nanao batemy azy i Joany Batista dia re avy any an-danitra ny feo mihezina nanao hoe :ianao no zanako tiako ,izay naterako androany"

-
Taratasin'i Jodasy:
Ao amin'io taratasy io dia lazaina fa finofosan'i Moizy i Jesoa.

-
Evanjelin'ireo Hebrio:
Ao amin'io Evanjely io dia ny Fanahy Masina no niteraka ny Mesia satria amin'ny teny Hebrio dia tombam-bavy ny Fanahy Masina. Ho porofon'izany dia nosoratana ao ny tenin'i Kristy tamin'ny mpianany manao hoe : " Ny reniko dia ny Fanahy Masina izay nandray ahy tamin'ny volon-dohako ka nitondra ahy nanendro an'i Tabor"

-
Evanjelin'i Alkazay:
Ao dia rahavavin'ny Mesia ny Fanahy Masina fa tsy reniny. Nisangidongidotra aoka izany ny maha izy azy sy ny fizanahany ka naleon'ny mpanoratra nanao hintsin-dalana amin'ny fanazavany nanao hoe: « Mbola azoko atao ny manampy teny maro hanazavana ny maha izy azy ny Kristy ,saingy mifadidotra be ihany ka na dia tomombako aza izany dia tsy ho azonareo » (Azonay tsara ka!!)

-
Evanjelin'i Toma:
Sady tsy lazaina ny nahaterahany ,ary raha resahana ny fahatanorany dia satria tiana havohitra fa na dia mbola kely aza izy dia efa nahavita zava-mahatalanjona : « Nandeha ao an-tanà na i Jesoa ,ka raha nahadona ny sorony ity zazalahy iray dia vinitra i Jesoa ka niteny taminy hoe: 'tsy ho tonga amin'ny faran'ito lalana ito akory ialahy' .Tsy tapitapitr'izay dia nidaraboka maty ilay zaza.Nisy nahita izany ka nilaza hoe : 'fa mba iza koa ity zazalahy ity no tena masim-bava' ? »

Ny Ray aman-drenin'ilay maty kosa namonjy nanatona an'i Josefa ka nikamenona hoe : 'Ianao izay manan-janaka toa an'io dia tsy tokony miara miaina aminay eto an-tanà na fa ringana ny zanakay'.
Nalain'i Josefa mitokana i Jesoa ary nobedesiny hoe : 'Nahoana ialahy no manao toy izany? Mijaly izy ireo ,mankahala ary manenjika antsika' .Fa hoy i Jesoa taminy : 'Fantatro fa tsy teninao izany teneninao izany ,kanefa hilamina aho nohon'ny fitiavako anao ,fa ry zareo ireo kosa ho saziako '.Tsy tapitapitr'izay dia lasa jamba ireo mpiampanga azy.Ireo izay nahita izany dia raiki-tahotra mafy ary sadaikatra sy nanomboka nilaza ny amin'i Jesoa fa izay teny teneniny dia miova ho fahagagana .Rehefa hitan'i Josefa fa nataon'i Jesoa jamba ireo olona ireo dia notsongoiny ny sofiny ary noriritiny mafy. Tsy faly i Jesoa ka nanao hoe :'Tsy fahendrena ny nataonao ,aza mba izaho no kasihin-tanana...' »

(Raha raiketiko eto io andalan-tsoratra io dia mba hampisehoana ny ahavon'ny sain'ireo mpandrafitra ny kristianisma)

Raha atao an-kilabao daholo ireo fomba filaza hafa ambaran'ireo Evanjely samihafa ,anisan'ireny ny filaza fa i Kristy dia maty « arak'ilay fomba » ,izany hoe toy ny zanak'ondry nafatotra teo amin'ny hazo mifampitsivalana toy ny 'X' ,ambonin'ny fifanjevoana teo amin'ny maha izy azy ny kristiany tamin'ny antsasaky ny taon-jato faharoa...dia manaporofo ny tenany ireo mpanao Evanjely fa mbola lavitra ny fotoana anaovana ny virjiny ho renin'i Jesoa ,virjiny izay hantsoina hoe Maria.

Zava-dehibe iray tsara ho tsipihina fa ireo tahirin-kevitra rehetra mikasika ny tamabohany dia mirakitra ny fomba fiantso izany amin'ny karazany maro toy ny hoe « Mesia » , »Mpamonjy » , « Rabbi » ,fa tsy Jesoa na hoviana na hoviana.

Ny anarana hoe Jesoa dia nipoitra voalohany indrindra tamin'ny taona 180CE ao amin'ny boky hoe « Contra Celsium » izay nosoratan'i Orizena hanasetrena an'i Selsa.I Selsa mantsy dia nanakiana mafy ny fomba fisandohana fanaon'ny kristianna tao amin'ny sangan'asany.
Raha hitantsika raiketin'ny soratra tranainy nialohan'io daty io izany fiantso hoe 'Jesoa' izany dia satria noho ireo mpihosoka ihany izay nanolo ireo fiantso hafa tamin'ny taon-jato faha-3 ,4 ,sy 5 rehefa namiravira ireo tahirin-kevitra izy ireo.

Raisontsika an'eritreritra ary ny fiainana tamin'izany fotoana izany ka hifidianantsika ny Kristy tiantsika harahina ,satria ireo Esenianna isan'antokony dia samy namorona iray avy ,ary samy hafa daholo ,anisan'ny tena niavaka tamin'ny sai-mamokatra tamin'ireny ny antokon'i Damasy sy ny an'i Antiosy.

Nohon'ny fahamaikan'izy ireny hanana Mpamonjy hampifanoherina sy hampifaninanana amin'i Mitra* ,sady mandala ny foto-kevitra izay mandà ny fahatongavana ho nofo ,dia raikitra ny fifaninanana teolojika teo amin'ireo spiritoalista* ka nahatonga azy ireny hamokatra taranja sady bakotraka no mivadik'ondana antsoina bambaray amin'ny hoe « gnostisisma »* (Gnose=fahaizana filozofia ara-pivavahana eritreretina ho ambony lanja noho ireo arahin'ny mpino tsotra).

Firehana maro samihafa no nanohana io endrika filozofia io ka ny tanjony dia ny fahafantarana ny Misterin'Andriamanitra sy ny voahariny.Nipoitra noho izany ny fianarana maro :nisy ireo teolojika ,nisy ireo fanta-bahoaka ,nisy ireo Sirianna ,nisy ireo Ejipsianna ,nisy ireo an'olon-tokana toa an'i Valantina ,i Karpokraty ,i Bazilida...

Ny fanaovana Gnostisisma tamin'izany andro izany ,hoy ny mpahay tantara frantsay iray ,dia mihaja be toy ny fanaovana filozofia tamin'ny taona 1700. Maro tamin'ireny gnostika ireny ,mba hanomezana lanja izay tohanany satria tsy misy zohin-kevitra lojika ny fanambarany ,no nampiankina ny zavamisin'ny Mesiany amin'ny fehezan-teny sintonina tamin'ny baiboly izay midika ho profesia* nanambara azy nialoha rehefa voatefitefy mba hirapaka. Ny tena nalaza fa mpanambaka ny hafa kalazalahy indrindra tamin'izany fitapitaka izany dia i Valantay* (Valentin) .Mba ahazahoana profesia* izay nilainy dia vatrany mihitsy ny namorona fotsiny izao tamin'ny alalan'ny « hira » izay lazainy fa an'i Salomona ary hitany tamin'ny boky nosoratan'olona zoviana* tamin'ny taon-jato faha-V(BCE) ,olona zoviana* izay nanatsoaka izany tamin'ny tahirin-kevitra tamin'ny taon-jato faha-IX (BCE).

Manaraka izany ,momba ireo tranga hafa mikasika ny fisian'ny Kristiany ,izany hoe ireo izay tsy ampiankininy tamin'ny profesia* mba ahafahany manamporofo ny fahamarinany ,dia nolazainy fa avy amin'izany hoe Teodasy izany hono ,izay antitra be no nihaona taminy ,Teodasy izay nandova an-tsofina izany tamin'i Paolin'i Tarsa amin'ny maha mpianany azy tamin'ireo taona ampolony 70.

Sahala amin'ny nampiasan'i Valantay ny alok'i Teodasy dia arak'izany koa ireo Gnostika hafa ,mba hanamarinany fa marina izay lazain'izy ireny dia nampiankininy tamin'ny loharano voalaza fa « reniny » (originale) ireo Evanjeliny ,izany hoe olona nahafantatra mivantana ny « Mpamonjy » ,na mbola loza kokoa noho izany aza :olona nahafantatra olon-kafa niaraka taminy.

Ary satria ireo anarana matetika fampiasa dia ny an'ireo Apostoly ,dia tsy nisalasala ireo mpamorona ny Evanjely tamin'ny taon-jato faha-II ,tamin'ny alalan'ny sangodin-tsaina sy fianaran-kendry ,nametraka imolotr'ireo mpanjonon'ny dobon'i Tiberiada tsy mahay abidia ,fanazavana teolojika mifadidotra aok'izany ka na izy ireo izay namorona izany avy aza tsy afa-manazava:
-Fanazavana ny nahoana no nahatonga ny « Logos » ho sady tsy nisy fiandohana nefa niandoha tamin'ny Ray!
-Fanambarana momba ny fitsanganana sy ny zohin'ny fanavotana.
-Ny momba ny firehan'ny olombelona te hahafantatra ny zava-miafin'Andriamanitra.
-Momba ny herin'ny Batemy amin'ny fanafahana ny olona amin'ny fahotana.
-Momba ny elanelana misy eo amin'ny tontolon'Andriamanitra tsy manam-piovana amin'ny mahaizy azy sy ny tontolo hita maso izay manam-pahalovana.

Ary adalana teolojika maro izay tsy hay azavaina amin'ny lojika* ka tsy hita ho azon'ny hiratsaina (intelligence) ,dia notsorina amin'ny alalan'ny aingan-javatra kisary toy ireo « Eones » (Anjelin'ny hatsarana) sy ireo « Archontes » (Anjelin'ny haratsiana) ,aingan-javatra mandehandeha eran'ny tany aman-danitra araka ny ilà na izany ka manindroa itony sambon-danitra ao amin'ny tontolon'ny hairaha-vinany* itony (science fiction).

Satria mbola tsy ampy izany rehetra izany mba amahana ny olana mipetraka mandritra ny fanazavana anakendry ataon'izy ireo dia alaina izy rehetra ka atsipy ao an-davaka maizim-pito antsoina hoe didim-pinoana na « dogme »* sy Mistery* mba anafenana ny hafokà na. Izany rehetra izany dia mba hanefena mpamonjy ara-panahy hampifaninanina amin'ny Sotera* paianna* izay tonga nofo kosa ,izany hoe Sotera* nalaina tahaka no tena marina.

Mba hanaovana fanefitra amin'io fiampangana ho mpangala-tahaka io ,fangalan-tahaka niampangana sy nanazimban'ny mpanohitra azy ireny ,no nahatonga an'ireo Esenianna spiritoaly nanoratena ho ambony kokoa tamin'ny alalan'ny fanambarana fa ny Andriamaniny no tonga lafatra sy mahefa ny zavatra rehetra fa ny an'ny hafa dia andriamanitra ambany saranga na dia lazain'ny tompony ho nahary izao tontolo izao aza.Ambany saranga satria izao tontolo izao dia tsy tonga lafatra velively ,ary tena vorika mihitsy aza.

Ny zohim-panazavana nataon'ireo Gnostika mba hanohanany an'io fiampangany io dia toy izao : « tsy andriamanitra tena marina mihitsy izany ,ilay mahefa ny zavatra rehetra ,satria namorona tontolo tsy tonga lafatra sy feno fifandiparana.Noho izany no ahitana ambaratongany ,andriamanitra manantombo sy andriamanitra lesoka .Ny Andriamanitra tena izy ,ilay tena tonga lafatra ,sy ny zava-boahary tsy tonga lafatra dia mifanipaka toy ny atsimo sy avaratra.Ilay andriamanitra lazain'ny fivavahana hafa fa nanao izao tontolo izao tena vorika ,dia tsy hafa fa andriamanitra ambany saranga nefa afa-nahary ihany fa saingy nahary tsy amim-pankatoavana ,na tamim-pahadisoana na tamim-piheboana ,an'ilay Tena Tsitoha dia ny Andriamaniny.

Io mpahary ambany saranga io raha ny tena marina dia ny rain'ny Demony*.Nefa izao tontolo izao sy ny olombelona vokatr'izany fahadisoana sy fiheboana izany dia voavonjy tamin'ny ratsy tamin'ny alalan'ny hetsika nataon'ny iray ao amin'ny saranga
avoben'ny tanan-tohatra maha-andriamanitra manantombo (izany hoe ny Kristiany) izay nanomombana ny fifandraisana teo amin'ny Andriamanitra marina sy ny olombelona ka nidina avy any amin'ny toerana avo any an-danitra nankety an-tany mba hanavotra ny olombelona amin'ny ratsy.

Mba hanomombanana ny fanavotana dia niray tamin'ny fahendrena izy ,fahendrena izay nolavin'ny olombelona nefa mbola nisy teto an-tany ihany.Ny tetikasany dia nozimbain'ny andriamanitra mpahary izao tontolo izao izay rain'ny demony* ka mba hampandamoka izany tetikasa izany dia nanao izay tratry ny ainy izy io mba hamono azy.Ilay « Logos » nefa dia tsy nety maty satria tsy manampahafatesana ka rehefa vita ny iraka nampanaovina azy dia niakatra any an-danitra indray izy niaraka tamin'i (anabaviny) Fahendrena izay nafahany tamin'ny ratsy nihazona azy ho gadra teto an-tany » (Io dia ohatra kely fotsiny amin'ireo havendranana nifotoran'ny Teolojia Kristianna)

Ny fotokevitra Gnostika mahatonga azy hirehareha ho ambony nohon'ny fivavahana hafa dia satria ny Kristiany dia eritreretiny fa nahatomombana ny asany amin'ny fijanonany ho fanahy tanteraka ,fa tsy toy ny an'ny fitompoana mistery* hafa.

Na dia mivantana sy mafonja aza izany fanambarana izany ,dia mijoro fotsiny amin'ny sain-kinofy ,sady nianjadian'ny kiana mahery vaika avy amin'ny mpanohitra ,mpanohitra izay nametraka ireo Gnostika eo anoloan'ny zava-misy ka nanontany azy ireo hoe : « ahoana no ahafahan'ny olona iray manatontosa asan'olombelona nefa tsy tonga nofo? »

Mba hanomezam-baliny an'izany zohim-panontaniana izany no nahatonga ny mpamorona ireo Evanjely Gnostika ho latsaka anatin'ny resaka vorikaty rehefa mba nanandrana ny fahendrena hisainana fa tsy mampiasa sy manery ny fahamarinany ara-pitsipika (dogmatika).(Fahalatsahana anaty resa-borikaty toy izany koa no nahazo ny Eglizy tamin'ny taona 1700 rehefa nanandrana ny hanaporofo ny fisian'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny sai-mihitatra mba hanoherana ny filozofian'ny fahazavana.)

I Valantay ohatra dia nanamafy tao amin'ny Evanjeliny ,mba hanaporofoana ny fomba nahafahan'ny Kristiany hijanona ho fanahy na dia mitovy fomba amin'ny olombelona rehetra aza ,fa: « Ny Tompo dia nizaka ny zava-drehetra tamin'ny fizakan-tena koa ,ka nahatonga ny sakafo nohaniny tsy nivadika tao anatin'ny vatany satria ao aminy dia tsy nisy ny fahalovan'ny vainga.Nihinana sy nisotro toy ny olon-drehetra izy saingy amin'ny fomba hafakely dia ny tsy fandoavana ny sakafo »

Raha tsorina ,ny Kristian'i Valantina ,toy ny Kristian'ireo Evanjely Gnostika ,dia mitovy fomba amin'ny rehetra ihany eto ivelany ,mihinana sy misotro toy ny rehetra ihany ,fa ao anatiny kosa dia tsy mampiasa ny filà na ara-biolojika .Tsy mangery ,tsy mamany ,tsy tsemboka ,tsy misy anga-drano ,tsy manisin-delo ,fa izay arapany rehetra dia levona ao anatiny sy midify ary tsy hita .(Na dia mahazendana aza io lalan-taova teolojianna io ,amiko ny hitako mbola manintona kokoa dia ny an'i Andriambavy Kali izay mihinam-bary dia avy eo mangery « soplis »=bolabolam-bary).

Ireo Gnostika Esenianna ,nifanamby ny handresy ny fahavalo mpifaninana taminy ,dia tsy nanana tantaram-pomba ara-pivavahana ka voatery namorona anatra Teolojika sahiratsy sy mifandipatra aoka izany mba hanandramana hanomezana vaika ny fivavahany ,fivavahana izay eo an-dalam-pamolavolana anivon'ny fanakianana sy fanabatiana nataon'ny mpanohitra izay niampanga azy ireo ho nangala-tahaka ny Paganisma sy ny Hebraisma ortodoksa.

Nefa toy izay tafahoatra rehetra dia mahavaky takotra ,ireo lalan-tsaina
Gnostika rehetra dia namokatra akony mifototra teo amin'ny sarambaben'ny mpanoa ,hany ka saika nampirodana ny salazana izay tafatsangany tamin'ny alalan'ny fitaka sy varotra sakabeloha satria maro tamin'ireo mpanoa no namonjy nitady ny famonjena aorian'ny fahafatesana tamin'ny alalan'ny fanao maizina .Famonjena izay sarotra azo sy nofy antoandro noho ireo Gnostika .

Io hetsika fihokona ara-penitra tao amin'ny foko Esenianna io dia niha-hentitra noho ireo paianna lasa Gnostika* nefa niverina tamin'ny efa nalohany satria nahatsapa fa mampisalasala be ihany ireo fampianarana vaovao.Ka ny efa nalohany nefa niverenany dia ny mazia ,ny ezoterisma* ao amin'ny fitompoana Mistery* izay mampanantena fahafaham-po amin'ny fitsanganana amin'ny matysy ny fiainana mandrakizay ,izany dia ankoatran'ny fahamoran'ny fahazahoana ny fampianarany sy ny mahaolombelona ireo mpamonjiny.

Vokatr'izany fiverenana amin'ny mazia izany dia nanomboka niseho ireo evanjely izay nampiankina ny fandresen'ny tsara ny ratsy tamin'ireo maherifo amin'ny maha-mazisiann'ny hatsarana azy ka iatrehany ny fahavalony izay atolotry mazisiann'ny haratsiana.

Ny fifandonana dia mifototra amin'ny fanovà na rotsa-kazo ho bibilava ,zavatra na vatana mihantona eny amin'ny habakabaka ary fampisehoana maro hafa ,toy ny fanovà na ny rano ho divay ,izay anisan'ny hairaha maizina avy amin'ny paianna* tsotra izao.

Ny fampitaha nalaza indrindra voatatitry ny asa-soratra tamin'izany andro izany dia ilay nifandonan'i Simona Piera sy i Simona lehi-mazisianna.Ny iray tamin'ny fati-olona marobe tamin'izany fotoana izany dia nampiraikena tamin'ny fanamby nifanaovan'ireo mpifanandrina ireo.Ao amin'ny Evanjely voalaza fa an'i Marselosy izay voambara fa mpianatr'i Piera dia ahindrihindry fa nampanantsoina ho eo imason'i Nerona ireo Simona roalahy ireo mba hanamporofo ny fahaizany mazia izay efa re laza.

Rehefa samy nanova ny rotsakazony avy ho lasa bibilava izy ireo ,ary rehefa samy avy nanao fampitahana maro ,dia hita fa samy lahy.Mba hisongadinany amin'i Piera nefa dia namonjy nanidintsidina an'habakabaka ilay Simona mazisianna. I Piera kosa dia tsy mba toa an'i Simona mazisianna ka tsy mba nampiasa hafetsena sy fahaizam-pitaka fa nampiasa ny talentany araka ny sitrapon'Andriamanitra ,ka nivavaka ,ka nahatonga an'ilay mpifanandrina taminy ho potraka tamin'ny tany ka maty tsy tra-drano.

Arak'ilay Evanjely dia voalaza fa tezitra mafy tamin'i Piera i Nerona noho io nafitsony tamin'ilehy mazisianna io ,ka nohelohiny ho faty.





Mbola misy boky iray koa mitondra ny lohanteny hoe « asan'i Piera sy i Paoly » miresaka ny momba io sombin-tantara io ,ka manamafy ny fahamarinan'izany zava-nitranga izany amin'ny filazana fa i Marseliosy dia nanatrika io fifandonana io amin'ny maha mpianatr'i Piera azy.
Hita mazava fa ireny Evanjely rehetra ireny,asa sy tararasy mitantara zavatra kristianna niseho nandritra ny fotoana nisian'ny esenianna, anisan'izany ny mikasika an'i Nerona, dia tsy afaka ny tsy ho « sandoka » satria tamin'izany fotoana izany dia tsy mbola nisy ny kristianna.Ny asam-pisandohan'ny Eglizy dia nifantoka tami'ny fanolanana ny zava-nisy tamin'ny alalan'ny tahirin-kevitra sandoka izay nikendry ny hanova ny Esenianna ho Kristianna.Ny tsy fahafantaran'ny pretra ny Esenianna fotsiny dia efa ampy anaporofoana ny tetidratsiny hanovà na ho kristianna izay rehetra ao amin'ny tontolo Esenianna.
Ireo Ekklesiesy, ireo fanenjehana, ireo maritiora sy ny sisa rehetra, anisan'izany ireo mpino vaovao vao tafiditra tao amin'ny foko Esenianna dia nambara avokoa fa Paianna nankatoa ny kristianisma.
Mba ahazahoana tsara ny fitaka dia ampy ny fampahatsiahivana ny momba an'i Etienna izay maritiora Esenianna novà na ho maritiora Kristianna, ary koa i Paolin'i Tarsa izay Nazira mpitolona mafana vay kanefa navadika ho Kristianna mpitory mahery fo.
Na izany na tsy izany nefa dia hazava kokoa daholo ny amin'izany rehefa ho voaporofokoaafa ny fisian'ny kristianisma dia nanomboka tamin'ny antsasaky ny taonjato faharoa, taorian'ny fisamahana nisy teo amin'ny hetsika « ara-panahy » Esenianna.
Raha asampy amin'i Nerona ny fahafatessan'i Piera ,araka ny Evanjely sasany, dia satria mba ahafahan'ny kristianna maka ny toeran'ny Esenianna sy mivonon-ko tompon'ny tontolony rehetra.Eny fa na dia ny lolompon'ny Romanna izay mpanenjika azy aza.
Nandritra ny fotoana nanaovana izany asam-pisandohana goavana izany no nanaovany an'i Nerona ho fahavalon'ny kristianna mba ahafahany manamporofo ny fisian'izy ireo sahady amin'ny alalan'ny fanenjehana.Izany fisandohana goavana izany dia mifototra tamin'ny fisandohana tahirin-kevitra ara-tantara (tantara tena nisy), tamin'ny famoronana 'zava-misy' sy anarana noforonina.
Noforoniny tsotra izao ny haintananan'i Roma izay tsy nisy na hoviana na hoviana.Toy izany koa ny tantara madinidinika maro izay tsy hita hinoana afa-tsy ho an'ireo « mahantra saina ».
Anisan'ireny dia azontsika tsiahivina eto ny andalan-tsoratra nampiany tao amin'ny « anale »-n'i Tasita milaza fa mba hamaizan'i Nerona ny Kristianna tamin'ny nandoran'izy ireny an'i Roma dia nataony fanilo velona izy ireny mba hanazava ny lalan'ny zaridainany amin'ny alina.
« Io fomba fandoram-belona mba hanasaziana ny mpandoro tanà na io dia tsy namiasaina na hoviana na hoviana ho fomba fitsilovana » hoy ny Pretra afaka antsoina hoe Renan,mpahay tantara ara-pivavahana.Ary ny mpahay fivavahana Las Vergnas dia nanampy an'izany amin'ny eson-teny manao hoe: « Izany dia fomba mba hafahafa ihany:mieritreritra aho fa ny kristianna iray raha mirehitra, na dia nosorana lasira aza, dia mitefotefoka,midonaka,manamaimbo rivotra, fa raha ny fahazavà na azo zara raha misy.Mba ahafahana mahafantatra marina fa manome hazavana tokoa ny kristianna mirehitra dia tsara raha frera Kaposina roa na telo no andramana dorana ».
Ankoatr'izany, raha jerena daholo ny ondranondrana taterin'ny « soratra masina », inona no fomba hafa ahafahana miresaka ny amin'i Kristy ,ny amin'i Maria virjiny, ny amin'ny Fanahy Masina afa-tsy ny fanolanana izany ho amin'ny fihomehezana?
Raha nahafantatra ny ankabetsahan'ny sefo Esenianna ny vokadratsin'ny fahaverezan' ireo mpanoa azy ireo raha manohy ny « adilahy » ara-teolojikany izy ireo, dia nanapa-kevitra fa hatao Mesia ara-nofo toy ny an'ny Paianna haingana dia haingana ny Mesia ara-panahiny .
Nataony ankilabao noho izany ny filamatra gnostika notohanan'i Valantay, i Karpokraty, Bazilida, sy ireo hafa rehetra, ka notapahany ny hevitra fa hasiana tavany ara-nofo ny Mesia.Tava ,ara-nofo, amin'ny fahatongavana ho nofo izay nolaviny hatreto satria nohezahany ho ara-panahy.

Fisamahana

Io fampahatongavana ho olombelona ara-nofo io ka nahatonga ny Mesiany hitovy amin'ny Soteran'ny Paianna, miaraka amin'ny fikenonana ny Eokaristia no nahatonga ny fisamahana teo amin'ny foko Esenianna ka nahatonga ny hetsika ara-pivavahana vaovao izay naka ny anarana hoe « Kristianisma ».
Mba anoherana ny sainkiraitisma (syncrétisme) Paianna dia nanaiky ny zava-drehetra ireo Esenianna Hebrio fiaviana,afa-tsy ny fihinanana andriamanitra (théophagie) entin'ny Eokaristia izay fady lehibe indrindra eo anatrehan'ny andriamaniny, andriamanitra izay manameloka ho faty an'ireo izay sahy manonona fotsiny ny anarany.
Noho izany dia nisintaka ireo Esenianna Jiosy fiaviana ary mbola nizara roa indray ;ka ny iray dia nijanona nanoa ny vaika gnostika ihany, ary ny faharoa dia niverina nanoa ny fampianarana Jiosy ortodoksa izay atolotry ny Farizianna indrindra indrindra ary miandry ny Mesia taranak'i Davida.
Ireo Paianna fiaviana kosa ,izay nanapa-kevitra ny hampisy nofo ny Mesiany ,toy ny Soteran'ireo Paianna ,dia nisavika an'ireo Ekklezie ,ary nanomboka nandrafitra ny Kristy olombelony tamin'ny fifantenana ireo sombin-tsoratra mifanaraka indrindra amin'ny heviny tamin'ireo Evanjely maro izay voasoratra nialoha rehetra.

Ny Kristy ara-nofo voalohany

Taorian'izany fandrafetana ny raki-tsoratra mifantoka tamin'ny Tompo izany ka nandraisan'ny fokon'i Roma antanana ny fitantanana an'ito fivavahana vaovao ito, no nanekena ampahibemaso ny fahatongavan'ny Kristy ho nofo tamin'ny alalan'ny evanjely voalohany izay navoaka tamin'ny taona 160.Matoa io evanjely voalohany io ,izay niseho voalohany tamin'ny anarana hoe Levi, nampitondraina ny anaran'i Matio tato aoriana dia satria io anarana hoe Matio io no fahita matetika amin'ny lahantsoratra samihafa ary voalaza fa iraky ny Tompo (=Apostoly).Izany dia mampisy antoka kokoa ,amin'ny mahavavolombelona azy, ny fahamarinan'ny zava-boalaza miohatra amin'ny anarana hoe Levi izay saika zoviana (ny Levi nefa dia mbola voalaza ihany ao amin'ny asan'ny Apostoly)
Raha ny marina no tena zohiana dia nanomboka teo amin'ny fivoahan'io Evanjely io ny Kristianisma.Evanjely izay nosoratan'ny Paianna nandray ny finoana Esenianna.Izany hoe ireo Paianna taikiringan'ny fanaovan-dratsy ,mpirenireny ,tsy misy fotony ,lamokan'olona , ireo diso fanantenana sy very anjevony ka namonjy niampify tao amin'ny foko Esenianna.
Vokatr'izany dia lasa fahavalo hoenjehina avokoa ireo Hebrio tamin'ny alalan'ny fananganana tompon'andraikitra ambony tao amin'ny Ekklezie ka nantsoina hoe Eveka (Episcopus=lehiben'ny foko).
Ny Eveka voalohany voafidin'ny fokon'i Roma dia izany antsoina hoe Soterosy izany ,ka mpiavy avy any Kampania izy io (165-173).Io Eveka io dia mitana ny laharana faha-11 ao amin'ny lisitry ny papa katolika.Raha ny marina dia io no papa voalohany fa ny rehetra teo alohany dia noforonin'ny mpisandoka ,voaray amin'izany i Simona Piera (izay tsy nankany Roma na hoviana na hoviana).Anisan'ireny mpisandoka malaza ireny i Ezeba avy any Sezare (265-340) izay namorona ny tantaran'ny « Eglizy voalohany »

Mba hanomezana lanjany ny Kristy noforoniny tamin'ny Evanjelin'i Matio ,dia nanoratra Evanjely roa hafa avy hatrany ireo mpanaraka io fivavahana vaovao io izay antsointsika manomboka hatreto hoe « kristianna ».Ka zy ireo dia nafantony tamin'ny kisarim-panoratra antsoina hoe Marka sy Lioka .Voalaza fa mpianatr'i Piera ny voalohany ,ary mpianatr'i Paolin'i Tarsa ny iray faharoa.Izany dia araka ny notohanan'i Marsiona ny momba ny asan'ny Apostoly nentiny avy any Sinopa.
Nefa na dia nihezaka ny hananan'ireo Evanjely fahaleovan-tena sy ny maha izy azy avy aza izy ireo ,tamin'ny alalan'ny fampiasana anaran'olona voalaza fa nanatri-maso ny zava-niseho ,dia mbola hita taratra be ihany ny fisalahana ka nahatonga ny fiantsoana hoe « sinoptika » (=mitovy) satria izy samy izy ihany no nanoratra an'ireo.Mitovitovy daholo mantsy ireo zanak'angano taterina ,mitovitovy ny fifanoheran-kevitra miseho ,mitovitovy ny fahabangana sy ny fitaterana ny zavatra lazaina fa niseho ka rehefa mamaky ny iray ianao dia toy ny namaky azy rehetra (izay no nahatonga ilay hoe sinoptika).

Satria ireo Evanjely telo ireo ,ankoatry ny fahadisoana ara-tantara ,dia tsy mitatitra ny fanahim-pivavahana (principes théologiques) izay voavolavola nandritra ireo taona nanaraka izany ,ka nahavoatery an'ireo « kristianna vaovao » namorona Evanjely faha-efatra tamin'ny taona ampolony faha-18 ka naraikiny amin'ny anarana hoe Joany ,mpianatra sady naman'i Jesoa hono...Io Joany io rahateo no nanankinana ny asasoratra antsoina hoe Apokalipsa izay nosoratan'ny Esenianna revolisionera tamin'ny taona 68-69 ny ampahany ,ary nosoratan'ny firehana spiritoaly tamin'ny taona 95 ny ampahany.Hatreo nefa dia mpanoratra zoviana no nanao azy.

Ny naharenesana voalohany an'io Evanjely io dia i Irenée ,rain'ny Eglizy ary nataony Masindahy.Izany dia tao amin'ny sangan'asany niseho tamin'ny taona 200 .Izy io dia anisan'ireo mpahay fivavahana (=théologiens) momba io fivavahana vaovao io ary nandray anjara lehibe tokoa teo amin'ny famolavolana azy io.
Nandritra ny fotoana nanoratana an'io Evanjely faha-4 io no nanapahan'ny kristianna hevitra ny hanomezana anarana ny Kristiany mba hanaisorana azy amin'ny fanazoviana (=anonymat) vokatry ny fiantsoana iombonana maro natao azy hatreo : toy ny hoe « mpamonjy » , « kristy » , « mesia » , « rabi ». Izany fanazoviana izany mantsy dia mifangarika amin'ny tava ara-tantara izay tohanany.Indrisy nefa fa ny anarana hoe « yeshua » (jesoa) nomeny azy ,izay midika hoe « ilay mpamonjy » ,dia sady nampijanona azy ihany tao amin'ny fanazoviana ,no mbola nanampy trotraka ny fanamafisana ny fihaviany dia ny maha « sotera » azy izay voankazon'ny tontolo Paianna.

Ny hafetsena masina

Nefa na dia nanandrana nanatatao an'ireo Evanjely efatra ireo aza ny sampana tao Roma ,dia tsy nahasakana ny ankabeazan'ny Ekklezie samy hanohy ny lalany izany amin'ny alalan'ny fanajana ny Evanjelin'izy ireny manokana.
Noho izany ary dia voatery ny Eglizin'i Roma nampiasa hafetsena mba hanafoanana an'io « fanjakan'i Baroa » evanjelika io ,ka tamin'ny alalan'ny papa Zefirina (199-217) no nanankinany izany tamin'ny « fitsaran'andriamanitra »:
Nanao vavaka tamin'Andriamanitra izy ireo ,teo anatrehan'ny vavolombelona maro mba ahafantarana amin'ny alalan'ny « fanambarana » (revelation) hoe iza amin'ireo « Evanjely » miisa 70 teo ho eo ireo no azo ho tanana ,ary iza no hatosika. Napetraka teo ambonin'ny otely izy ireo ka nony ampitso dia niverenana nojerena ny vokany.Mazava ho azy fa nivarina amin'ny tany avokoa izy rehetra afa-tsy ny 4 ,dia ny an'i Matio ,Marka ,Lioka ary i Jaona sisa no tavela tambonin'ny otely.
Satria tsy hahazo famantarana mangarahara noho izany mba hialana amin'ny fanoherana dia nataon'ny vondron'i Roma ho kanonika (=marimpototra) ireo Evanjely 4 ,ary nataony tosibohon-tanana kosa ny ambiny ary nambarany ho apokrifa (izany hoe diso na mampisalasala).
Ho an'ireo nangata-panazavana hoe nahoana Andriamanitra no nifidy 4 nefa ny telo tamin'ireo saiky nitovy? Ny navalin'i Irenée (Evekan'i Lyon) dia hoe : « Satria 4 ny vazan-tany ,ary 4 ny tavan'ireo Kerobina(=Anjely) (Anjaran'ny tsirairay ny manao ny tsikera).
Ho fanamafisana fa ireo evanjely kanonika 4 dia tsy nosoratan'ny vavolombelona nanatri-maso ny « zava-niseho » tany Jodea fa kosa nosoratan'ireo Paianna tany Roma dia ny fahitana taratra isaky ny pejy ny tsy fahalalana tanteraka ny Baiboly ,izany hoe ny Pantateoky ,sy ny Jeografian'i Palestinna.

Ireo mahery ihany no manoratra ny tantara na dia amin'ny tsy rariny aza.

Raha nivoatra tamin'ny kristianismany ireo Esenianna taloha izay Paianna fiaviana ,ireo Hebrio fiaviana kosa ,izay nandà ny Sakramentan'ny Eokaristia dia fohy andro.Ny ampahany tamin'izy ireo dia niverina tamin'ny niaviany ka nikambana indray tamin'ny Farizianna nanoa foana ny Baiboly ,ary ny ampahany hafa kosa ,izay natolotry ny gnostika ,dia nanohy nivoy ny finoany mandrampandravan'ny kristianisma azy ireo ka nanaovany azy ho heretika (=mpivoana) [Ny kristianisma kosa dia notohanan'ireo Amperora Romanna taorian'ny didin'i Teodozy tamin'ny taona 380] ,eny fa na dia mbola afaka nitohy aza izany firehan-kevitra gnostika (Arianisma ohatra) izany tamin'ny alalan'ny Islamisma izay natsaka ny fombafombany tao amin'ny Gnozy.Gnozy izay niandoha tamin'ny Bodisma sy Mazdeisma ary Hebraisma.
Mahazendana tokoa ny fanamarihana fa tamin'izany fotoana izany ,nisy ampahany tamin'ireo Esenianna ,na dia vitsy aza izy ireo ,dia mbola manoha ihany ny Evanjeliny manokana izay manao an'i Joany Batista ho Mesiany. Manoa hatrany ny teny finoany izy ireo ka hatramin'izao aza dia mbola hita any amin'ny faritry Orfa any Torkia ,akaikin'i Siria ,sekta kely mivoy izany.
Voahilika tamin'ny tantara toy izany ireo Esenianna.Esenianna izay odian'ny Eglizy tsy fantatra ny fisiany na dia fantany tsotra izao aza fa izy ireny no loharanon'ny fivavahana tokam-po roa lehibe dia ny Kristianisma sy ny Islamisma izany.Fivavahana tokam-po (monothéisme) izay nifaoka ireo Paianna nandray Esenisma ,izany hoe tafolanitra ,mpirenireny ,lamokan'olona ,diso fanantenana ,tediavina ,mpandika lalà na sns...izay nampanjary ny kristianisma tao amin'ny hetsika Esenianna rehefa nampidirina ny sakramentan'ny Eokaristia. Ka nitohy izany tamin'ny fanaovana hosoka mahamenatra indrindra izay nampiasana fihetsika famoretana tsy mifaditrovana sy mahatsiravina tsy hay lazaina intsony .
Inona tokoa moa no azontsika andrandraina amin'ny karazan'olona toy izany?

Toy ny fangalampiery na ankinafinafina.

Rehefa vakiana ny andalantsoratr'i Flaviosy Josefa mikasika an'ilay « sarilatana » (charlatan) izay nilaza tena ho mpaminany ka nahomby ny fitarihana mpikomy miisa 30 arivo ,dia mipetraka ho azy ny fanontaniana hoe nahoana no fantatra sy voalaza daholo ny anaran'ny olona mpitarika fihokona tamin'ny andro Mesianika ,eny fa na dia ny fihokona kely indrindra aza ,nefa ity indray mitoraka ity kosa dia natao ankinafina? Ahoana no ahafahana mino fa olona afaka mamory mpiady 30 arivo dia tsy fantatra afa-tsy amin'ny fiantso hoe « Ejipsianna » ?
Ka ao anatin'ny fisalasalana ny amin'io Ejipsianna zoviana io ,izay sady nampiaviana avy any amin'ny tsisy no nampidifiana maina fotsiny ,dia mipetraka ho azy ny fanontaniana hoe :'sao dia misy olona afenina ary ao ambadik'izany ?' .Tsy azontsika idovirana ihany koa ny fanontanian-tena manao hoe :'nahoana ary i Flaviosy Josefa no miresaka ny zanak'i Jodasy lehi-Galileanna rehetra afa-tsy ny lahimatoa antsoina hoe Joany?'.Nahoana no izay zava-nisy rehetra izay tokony nifantoka tamin'i Joany ,mpandray anjara izay nisy ara-tantara tokoa ,ka tokony ho hita taratra ao amin'ny Antikite Jodaika sy ny tahirin-tsoratra hafa tamin'izany fotoana izany ,no hita kosa fa nafantoka amin'olon-kafa tsy fantatry ny tantara ?Sady izay indray ,tsy hita hinoana mihitsy.
Io fikosehana anaran'olona amin'ny tantara io ka amoronana anaran'olon-kafa hanolo azy amin'ny alalan'ny fisandohana tahirin-kevitra dia antsoina hoe « hosoka » (substitution de personne ) fa tsy zavatra hafa.
Ireo petra-panontaniana ireo izay mety ho mihevaheva eo imason'ny mpamaky na dia efa eo aza ireo efa voalazako ,dia hahitana valiny mangarahara rehefa atosako ireo porofo tsy hay tohaina manamafy fa i Jesoa sy i Joany dia i Joany ihany,izany hoe olona iray ihany ireo.

Tonga ary dia atombotsika:

Satria hentitra ny fisian'ireo mpiady anaty akata miisa 30 arivo izay vonona tao Palestina tamin'ny fotoana mesianika ,noho izany dia tsy iza ireo fa anisan'ny tafika revolisionera Esenianna izay tarihin'ny sefon'ny ANJ (=Antoko Nasionalista Jiosy).Ilay Ejipsianna zoviana ,noho izzany ,dia tsy iza akory fa io sefo io izay nanankinana ny revolisiona ,araka ny baikon'ady (Rouleau de la guerre) novolavolaina mba handresen'ny « zanaky ny fahazavana » an'ireo « zanaky ny aizina ».
Iza nefa izany olona izany fa tsy ny lahimatoan'i Jodasy lehi-Galileanna izay nataon'ny Jiosy ho mpandova ny seza fiandrianan'i Jerosalema amin'ny maha fianakaviana Asmoneanna azy izay fanta-bahoaka ho taranak'i Davida?
Ny fisian'ny olom-boatondro ho mpanjakan'Israely hatrany an-kibondreniny dia amafisin'ny tahotra nianjady lalandava tamin'i Heroda be ny amin'ny fisian'ny taranaka Asmoneanna mety hihoko ka handrombaka sy hitaky ny zony ho eo amin'ny seza fiandrihanan'i Jerosalema. Nahery vaika mihitsy izany tahony izany ka niteraka aretin-tsaina taminy mihitsy araka ny filazan'i Flaviosy Josefa .Tamin'ny taona (-) 29 dia nampamonoiny i Marianna vadiny nohon'ny fiahiahiany fa hamadika azy izy io amin'ny maha zafikelin'i Hyrkanna II azy.
Mbola tsy ampy azy nefa izany fa mbola naripany koa ireo zanany tamin'i Marianna ,Aristobila sy Alekisandra tamin'ny taona (-)7 satria misy rà Asmoneanna hono. Izany horohoro anaty (paranoia) izany,izay nahatonga an'i Heroda handringana izay rehetra mety hanan-jo amin'ny seza fiandrianana dia fantatra koa tamin'ny alalan'ny tahirin-kevitra tamin'izany andro izany ,toy ny « code arudel » sy ny bokin'i Hereford ,izay milaza fa nataony avokoa izay azony natao rehetra mba hamonoana an'izany antsoina hoe Joany Asmoneanna izany.Izy io dia zafikelin'i Ezekiasy ,teraka tany ho any amin'ny taona (-)15 tany ,ary ataon'ny Jiosy ho mpandova ny seza fiandrianan'i Jerosalema .
Ao amin'ny « protoevangile » n'i Zaka dia voalaza mazava fa « i Heroda Be dia nitady an'i Joany satria nataon'ny Jiosy ho mpanjakan'i Jerosalema ».
Mbola misy koa porofo mahaliana momba ny tavan'i Joany amin'ny maha mpandova ny fiandrianana sy Mesia jiosy azy izay hitantsika ao amin'ireo boky masina ireo ihany toy ny evanjelin'i Matio izay manome fahaterahana an'i Jesoa amin'ny andron'i Heroda araka ny tohanan'ny asan-tsoratra sasany nataon'ny Eglizy ho apokrifa rahateo.Toy izany koa ny ao amin'ny asan'ny apostoly izay nampiasana an'i Paolin'i Tarsa mba handresen-dahatra ny mpinon'i Korinty fa i Joany izay nataon'izy ireo ho Mesia dia mpialoha lalana fotsiny an'ilay tena izy izay antsoina hoe « Mpamonjy » mitondra ny anarana hoe « Jesoa » ,(ary eo isika dia amin'ny faran'ny taon-jato faharoa izay nanoratana an'io fanazavana io) anarana izay sambany vao mba henon'izy ireo.(Asa 19:4).
Fa izany porofo rehetra izany ,mba ho afaka haharesy lahatra dia mila fanazavana amin'ny antsimpirihiny ,ary azo lazaina fa tari-dresaka fotsiny ihany ny amin'ny porofo mazava tsy hay lavina asosa manaraka eto amin'ity boky ity.
Taorian'ny fohokona tamin'ny andron'ny fanisana ,rehefa tsapan'ireo Esenianna fa ny fandraisan'ny vahoaka anjara amin'ny revolisionna dia hery lehibe ho enti-mandresy ny Lejiona Romanna ,dia nampialohavin'izy ireo fampihelezan-kevitra politika sy fivavahana ny fandresena farany novolainy mba handranitany an'ireo sokajin'olona faran'izay voahosy indrindra. Fandranitana miharo fankahalana sy fahavinirana miantefa amin'ireo mpangeja Romanna sy ireo antokon'ny Mpisorona Sadotseanna izay mpamitaka sy mpambotry azy.
Nanjary hery miaramila sy hery ara-toe-karena tokoa ny Esenianna nandritra ny taona ampolony faha-4 (les années 30) taorian'ny fihokona voalohany nataony tamin'ny Lejionan'i Pompey.Hery miaramila nohon'ny fahatongavan'ireo mpikambana vaovao tsy an-kijanona sodokan'ny tombontsoa ara-pananana na ara-panahy izay efa mandry ho an'ny Prozelita. Hery ara-toe-karena kosa satria niditra tao amin'ny kitapom-bolan'ny fikambanana daholo ny vola nentin'ireo mpikambana vaovao.
Tamin'ny andro nanombohan'i Joany ny fampihelezan-keviny amin'ny maha mpiandraikitra voatondro azy amin'ny fikarakarana sy fitantanana ny revolisiona dia niaina tamin'ny savorovoro lehibe i Palestinna ,fahasosorana sy horohoro :fahasosorana avy amin'ny halatra ataon'ny Romanna mpahgeja ka nampitombo tsy ankijanona ny haba ,ary horohoro noho ireo revolisionera izay nandroba sy namono ireo rehetra nanohitra azy ireo ,na koa ireo izay tsy nomba azy ara-kevitra tsotra fotsiny aza.


Ny firehankevitra Esenianna dia notsoahina avy amin'ny filozofia Mazdeista izay mitosaka ara-panomezam-panantenana fiainam-pinaritra mandrakizay miampy fampiononana miantefa amin'ireo izay ianjadian'ny tsy fahamarinana avy amin'ny fitondram-panjakana masiaka sy loaty be kolikoly.Mazava ho azy fa maro tokoa no hirohatra sy hankatoa izany filozofia izany.

I Joany dia nanomboka ny asa maha-mpampihely hevitra azy (mpitoriteny) tany amin'ny faritra Sirianna. Nitombo sy nahomby izanyfampihelezan-kevitra izany (afa-tsy ny fanoherana mahalana avy amin'ny Sadotseanna) nandritra ny telo taona ,nihazo nianatsimo ka hatrany Jerosalema rehefa nandalo an'i Samaria. Izany dia niaraka tamin'ny fampisehoana zava-mahagaga sasantsasany ka nahatonga azy ho voaray ho toy ny mpaminany sy Mesia rehefa tonga tao Jerosalema , narahan'ny vahoaka nanandratra azy ihany.

Ny antony nifidianan'ny PNJ (Antoko Nasionaly Jiosy) ny hanombohana ny Revolisiona ny andron'ny Paka dia nohon'ny fahamoran'ny antsojay rehefa vory vahoaka.Vahoaka mpivahiny izay tonga maro ao Jerosalema amin'io fotoana io ,vahoakan'ny tontolo Hebrio ivelan'i Palestinna ,ary koa ireo efa eo an-toerana rahateo.

Ny tetikadin'ireo revolisionera tamin'izany dia ny hanafihana ny tilikambo Antonia aloha amin'ny maha-tobin'ny miaramila Romanna azy ,manarak'izay dia ny fampandraisana anjara ny vahoaka amin'ny fihokona rehefa azo i Jerosalema. Ary avy eo dia ny fanolorana an'i Joany ho mpanjakan'Israely ampahibemaso. Ny ambiny dia mandeha ho azy amin'ny fanafihana ireo tobin'ny Lejiona Romanna ambiny manerana an'i Palestinna ,mitohy ,araka ny tarigetra raiketin'ny « bokin'ady » ,amin'ny fanafihana ny miaramila Romanna mitoby any Ejipta ka ahafahany mahazo ny fandresena farany amin'ny alalan'ny fandringanana an'i Roma rehefa afaka ny afovoany Antsinanana (moyen Orient).
Ny fihokona dia tokony ho nanomboka vao marainan'ny andro nialohan'ny Paka. Ny hariva nialohan'io i Joany dia niditra an'i Jerosalema ka nivantana tao amin'ny tranon'ny revolisionera iray izay nanokana izany mba hiantranoany ny alin'io.
Mba tsy hisy hahatsikaritra ny fahatongavan'i Joany sy ireo mpanotrona azy tamin'ny fampihelezan-keviny , dia nanaraka olona nitondra siny feno rano ,iraky ny mpampiantrano izy ireo:
« Araka ny fifanarahana ,rahefa tonga ao amin'ny tanà na ny Messia sy ny mpomba azy dia notsenain'ny olona dia notsenain'ny olona iray mitondra siny feno rano. Nanaraka azy io izy ireo ka niditra tao amin'ny trano nidirany ».
(Io fanambarana io dia voamafin'ny Evanjely kanonika telo na dia somary niova kely aza ny ao amin'i Matio .Ambonin'izany dia mbola dia mbola voalaza ao amin'ireo Evanjely bakotraka (proto-événgile) toy ny an'i Zaka sy Bartelemy).

Rehefa tafiditra tao amin'ny efitra voahaingo tamin'ny karipetra mba handraisana ilay ho mpanjakan'ny Jiosy izy ireo dia nipetraka araka ny fomba raiketin'ny « bokin'ny fitsipika » (livre des règles) ,izay manambara fa ny sefo dia mitoetra eo afovoany ,fa ny sisa ambiny kosa dia manodidina azy arakaraky ny laharana antanan-tohatra (ordre hérarchique).

Alohan'ny fisakafoanana ,dia mametra-tanana eo amin'ny sakafo sy ny divay mena araka ny fomba Esenianna i Joany araka ny maha Raby Mpisorona azy:
« Na aiza na aiza ,rehefa misy loholona folo na maherin'izany ,dia tsy ilaozan'ny mpisorona iray.Dia mipetraka manodidina azy izy ireo arakaraky ny laharany ary eo izy no manolo-kevitra .Rehefa eo imaso ny sakafo sy ny divay mena dia mametra-tanana ny mpisorona mba hitsofan-drano ny mofo sy ny divay .Rahefa maherin'ny folo ny olona mivory hisakafo dia arahina foana io fihetsika io »

Tsy fantatra hoe firy no nipetraka nanodidina io latabatra io satria ireo tahirintsoratra mikasika io fisakafoanana io dia nadify ka nosoloana hosoka .Ny azo vinaniana dia ny hoe maherin'ny folo izy ireo satria natao ny fombafomban'ny fitsofandrano ny sakafo. Ny anaran'ireo sasantsasany izay fantatra fa teo dia i Simona ,Zaka antsoina hoe lehi-Zokiny ,Jodasy sy Jakoba antsoina hoe Tade ,Jodasy leh-Iskariota ,Zaka antsoina hoe lehi-Zandriny ,Simona antsoina hoe lehi-Zelota ,ary i Lazara anadahin'i Marie Madalenna ,vadin'i Joany.

Raha ny marina dia teo koa io Maria Madalenna io amin'ny maha anisan'ny herivelona azy ka nanarahany an'i Joany hatraiza hatraiza nandritra ny telo taona ngarangidina nanaovany ny fampihalezan-keviny. Io eritreritra io dia amafisin'ny tahirin-kevitra tranainy toa ny Evanjelin'i Filipo hita tany Ejipta tamin'ny fihoazana arkeolojika ny taona 1945 izay ahitana fa « i Maria vadin'ny Tompo ,dia niaraka taminy mandrankariva .Ny Tompo dia tia an'i Maria Madalenna noho ny mpianany hafa ,ary matetika dia manoroka azy eo amin'ny molony imason'ny rehetra izy ».

Io firaiketam-po tamin'ny vadiny ,Maria ,io ,dia niteraka fialonana teo amin'ny mpanaradia an'i Joany ,indrindra indrindra i Simona ,izaynamosaka ny fahavinirany tamin'ny apostoly namany (araka ny andalan-tsoratra hita ao amin'ny « papyrus 8502 » avy ao Berlin antsoina hoe « Evanjelin'i Maria »):
« Angamba miressaka antsokosoko amin'ny vehivavy ny Tompo alohan'ny iresahany amintsika fa saingy afeniny ? Ka tsy maintsy hilefaka sy hanoa azy vehivavy ve isika ? Napetrany ho eo ambonintsika ve ra-vehivavy? ».
Ao anaty simbon'Evanjely Kopta dia voatatitra mihitsy ny fanoherana ampahibemaso nataon'i Piera momba an-dravehivavy : « I Maria dia tokony hiala satria tsy mendrika ny fiainana ny vehivavy » ,fa henon'ny Tompo izany ka nilazany azy ireo hoe : « Izao e! Ataoko ho lahy izy ,mba ahatonga azy ho mpitolona toa antsika lehilahy ».
Noho izany dia ataoko fa tsy tafahoatra ny fanambarana fa anisan'ireo tafavory ireo koa i Maria Madalenna amin'ny maha mpitolona sy amin'ny maha vadin'i Joany lehi-Galileanna azy. Izy io koa dia nantsoina hoe lehi-Nazira.
Araka ny hevitra tapaka ka hanombohana vao mangiran-dratsy ny revolisiona ,dia nanao fiaretan-tory i Joany sy ireo sikerany (sicaires=dahalo) mba ahafahany mankao amin'ny toerana antsoina hoe vohitr'i Oliva izay hiaingany malaky hihazo an'i Jerosalema miaraka amin'ireo revelisionera efa miandry azy ireo.
Araka ny azo fantarina ao amin'ny Evanjelin'i Lioka (22/36) dia miteny amin'ny mpianany i Joany ka mampahatsiahy azy ireo ny hasarobidin'ny ora andrasan'izy ireo hidona ,ora izay vanim-potoana lehibe hametrahana ny fitokisana amin'ny herin-tsabatra. Feno horohoro sy ahiahy ny saina aman'eritreritr'ireo mpanaradia azy. Ary raha nampiseho azy ireo sabatra izy ireo mba ho porofon'ny fahavononany hiady ,dia notapahan'i Joany hoe « ampy izay » (« indreto misy sabatra roa » hoy ny mpianany , « ampy izay » hoy i Joany .Lioka22/38)

.Atomotra tokoa ary ny fanombohan'ity revolisiona ity rehefa nomanina nandritra ny taona maro. Revolisionna izay anaovan'Andriamanitra ireo fahavalony ho tokonana fanitsaky ny zanak'Israely araka ny fanambaran'ireo Mpaminany. Nitambesatra mafy tao an-tsain'i Joany tokoa ireo adidy tsy maintsy niantsorohany amin'ny maha tompon'andraikitra voalohany azy sy amin'ny maha mpandova ny fiandrianan'i Jerosalema azy ,ary tsapany tsapany tokoa izany vesatra izany nandritra ireo ora vitsivitsy nialohan'ny Revolisiona.

Tanatin'ny fahanginana nangatahiny
..

(mbola hitohy ny fandikà na)

miverena any amin'ny pejy
fizahan-takelaka

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire