mercredi 3 juin 2009

Apostoly



Ireo Apostolin'i Jesoa






Ireo apostolin'i Jesoa dia voalaza fa Galileanna daholo afatsy i Jodasy Iskariota izay nampiaviana avy any Jodea,ireto avy izy ireo :

-Arak'i Marka :Simona Piera ;Zakan'i Zebede ; Joany rahalahin'i Zaka ;Andre ;Filipo ;Bartolome ;Matio ;Toma ; Zakan'i Alfe ;Tade ;Simona lehi-kananeanna ;Jodasy lehi-Iskariota (isany=12).

-Arak'i Matio :Simona Piera ;Zakan'i Zebedeo ;Joany rahalahin'i Zaka ;Andre ;Filipo ;Bartolome ;Matio ;Toma ;Zakan'i Alfe ;Tade ;Simona lehi-kananeanna ;Jodasy lehi-Iskariota (isany=12).

-Arak'i Lioka :Simona Piera ;Zaka ;Joany ;Andre ;Filipo ;Bartolome ;Matio ;Toma ;Zakan'i Alfe,Jodasy an'i Zaka ;Simona lehi-zelota ;Jodasy lehi-iskariota.(isany=12)

-Araka ny Asan'ny apostoly (Asa) :Piera sy Joany ;Zaka sy Andre,Filipo sy Toma ;Bartolome sy Matio ;Zakan'i Alfe sy i Simona lehi-Zelota ;ary i Jodasy sy i Zaka (isany=11).

Ny fifahasamihafà na hita eo amin'ny lisitr'ireo apostoly hita ireo dia mitarika fanamarihana roa :-voalohany dia ara-pivavahana ary ny faharoa dia ara-tantara.

1)Ny fanamarihana ara-pivavahana dia mikasika ny fifanipahana miharihary hita :
-eo amin'ny tenin'i Jesoa izay nifidy ny apostoly ho 12 hipetraka eo amin'ny seza fiandrihanana 12 mba hitsara ny fokon'Israely 12 (Matio 19 :28) sy
-eo amin'ny fihenan'ny isan'ireo apostoly ho 11.Samia manana ny fitsikerany ny tsirairay.

2)Ny fanamarihana ara-tantara,dia ny mikasika ny maha-samihafa ny anaran'ireo apostoly voatatitry ny evanjelin'i Matio sy i Marka ,etsy andaniny,izay manonona an'i Tade,nefa etsy an-kilany izy io dia tsy tononin'i Lioka sy ny Asa.Ireto farany ireto dia manolo izany amin'ny hoe Jodasy an'i Zaka izay tsy ao amin'iretsy voalohany.

Nahoana no misy io fifahasamihafà na io raha toa ka tokony hahafantatra tanteraka an'ireo apostoly ireo ny mpirakitra an-tsoratra ? Ambonin'izay,araka ny filazan'ny Eglizy,i Matio dia Apostoly,ary i Marka dia mpiara-miasa akaiky tamin'i Paoly avy any Tarsa (Asa 12,25 ;1,5 ;IITim4,11) sy i Simona Piera (IIPiera5,13 ;Asa12,12-17).I Lioka kosa ,araka ny filazany ny tenany ihany(Lk 1,2-3) dia nanao firaiketana an-tsoratra ny Evanjely sy ny Asa rehefa avy nanao famotorana matotra amin'ny fanadihadiana mivantana an'ireo vavolombelon'ny zava-nitranga.Anisan'ireny i Maria,renin'i Jesoa,izay fantany manokana araka ny filazan'ny eglizy (La sainte bible-UECI p 1025).

Fa ny fahatalanjonana tamin'ireo fifandiparan'anarana sy isa ireo dia vao mainka niampy trotraka rehefa tsapa ihany koa fa ao amin'ny evanjely faha-efatra,ny an'i Joany,dia niha-navesatra izany fifandiparana izany :
9 ny apostoly fa tsy 12 intsony,ary eo amin'ny anarana indray dia tsy vitan'izay hoe tsy hita intsony i Zaka an'i Alfe ;i Jodasy rahalahin'i Zaka na Tade ;Bartolome,Matio sy i Simona lehi-zelota,fa mbola niampy vaovao izay tsy voatonon'ny hafa toa an'i Natanaela an'i Kanà sy mpianatra tsy amin'anarana atao hoe : " ilay tiana indrindra ".

-Arak'i Joany :Simona Piera ;ZAKA ; JOANY ;Andre ;Filipo.Toma ;Jodasy Iskariota ;Natanaela an'i Kanà ;Ilay mpianatra " tiana indrindra " (isany=9).Nataoko sora-tanana ny Zaka sy Joany satria ireo dia banga tamin'ny edisiona voalohan' ny evanjelin'i Joany izay misy 20 toko,fa voalaza kosa ao amin'ny toko farany ,izany hoe ny faha-21 izay naampy 70 na 80 taona taty aoriana rehefa nieritreritra ireo mpihosoka fa ilaina ny manampy izany mba hanarenana ny banga sy ny tsy fahalavorariana nisy teo amin'ny edisiona voalohany izay nivoaka tamin'ny taona 180-190 CE.

Na ny namoahana ny edisiona voalohany ny evanjelin'i Joany tamin'ny faran'ny taon-jato faha-2 aza dia eken'ny Eglizy : " Ny soratanana tranainy indrindra mikasika io evanjely io dia ny taona 150 CE,farafahatarany ny taona 200 CE " (La sainte bible UECI p1058).

=> Satria ireo evanjely efatra dia voasoratr'ireo apostoly nanatrika ny zava-niseho voatatitra araka ny filazan'ny Eglizy :-dia i Matio,i Joany,ireo mpanoratra niara-niriaria ela niaraka tamin'i Piera sy i Maria renin'i Jesoa toy ny amin'i Lioka :io fikorontanan'ny anarana io dia mampivanà ka toy ny miseho eo amin'ny tarika mpilalao baolla avy nanao ady kitra maro tao amin'io tarika tokana io ihany,nefa manome anarana sy laharana mifandipatra.Azo lazaina fa fara-fahakeliny,ao ambadik''o dia misy zavatra maha-vaka saina sy sadasada ka manosika an'zay tia fahamarinana hanao fanadihadiana manokana.

=> Satria nohon'ny tsy fahampian'ny fanazavà na lavorary ataon'ny mpitondra fivavahana (mpitonona ho mpahay manokana ny evanjely),

Dia voatery izahay aloha indrindra indrindra nanao fikarohana satria nahatsapa fa -amin'ny alalan'ny raki-tsoratra ivelan'ny testamenta,nandritra ny fotoana nitrangan'ny zava-niseho voatatitry ny evanjely,dia nisy, tany Palestina -tany Galilea no marimarina kokoa-tarika revolisionera nahità na ireo zanak'i Jodasy lehi-Galileanna izay mampiseho fifanandrifiana goavana amin'ny tarika evanjelika misy ireo apostoly sy i Jesoa.

Nefa alohan'ny hanaovana ny fampitahà na mivantana ireo olona ao amin'ireo tarika roa ireo,dia tsara kokoa raha azavaina kely aloha,na dia amin'ny ankapobeny fotsiny ihany aza,iza marina io Jodasy Galileanna io ?

I Jodasy lehi-Galileanna:

Dia zanak'i Raby Ezakiasy (maty tamin'ny taona BCE 44 nohon'ny fifandonana ara-tafika tamin'ny tropin'i Heroda Be)Izy io dia mpizaha ny seza fiandrianan'i Jerosalema amin'ny maha-taranaka Asmoneanna azy mivantana.Io taranaka Asmoneanna io dia noforonin'i Simona izay zanak'i Matatiasy lehi-Makabe tamin'ny taon-jato faha2 BCE.Io Matatiasy io dia mpitarika ny hetsika revolisionera jiosy mba hanafaka an'i Palestinna izay nozanahan'ny Helenista.
Nandray ny toeran-drainy,taranaka Asmoneanna,taranak'i Davida,ary rehefa niatrika ady maro nifanoherany tamin'ny Romanna sy i Heroda Be,dia maty i Jodasy nandritra ny ady tamin''y andron''y fanisà na (guèrre du recencement),taona 6 CE.

Niteraka zazalahy 7 izy,ary,toa an-drainy ihany,dia nanohy ny tolom-pikatsahana ny seza fiandrianan'i Jerosalema.

Ireto avy ireo zanaka lahin'i Jodasy lehi-Galileanna ireo :
-Joany no lahimatoa -Simona-Zaka zokiny-Jodasy (tsy ilay Iskariota)-Zaka zandriny -Menahema ary i -Eleazara.Ireo roa farany ireo,na tsy tao anatin'ny tarika revolisionera aza,dia nanohy ,rehefa maty iretsy zokiny,nikatsaka ny seza fiandrihanan'i Jerosalema tamin'ny alalan'ny ady tamin'ny Romanna toy ny tamin'ny taona 66-70 CE (ady Jiosy na guèrre Juive) fotoana nahafatesan'i Menahema,ary toy ny tamin'ny taona 74 CE (tao Masada) izay nahafaty an'i Eleazara.

Ny fifanandrifiana voalohany tsapa eo amin'ireo tarika roa (dia ny tarika revolisionera sy ny tariky ny apostoly izany) dia ny maha mpirahalahy azy avy ao amin'ny isan-tarika,ary koa ny fitovian'ny anarany.Kisendrasendra fotsiny sa tena olona sy tarika iray ihany ?

Izany no hotediavintsika ho fantarina amin'ny alalan'ny fanadihadiana ara-tantara izay ampiarahantsika fanazavà na ka,na dia fohy aza dia,hanampy antsika hahazo ny fizotran'ny fandrasà na (analyse).

Ireo evanjely kanonika 4 sy ny ampahany lehibe amin'ny boky 14 n'ny Asa (ny marina kokoa dia 10) izay niseho tamin'ny edisiona voalohany tamin'ny antsasaky ny taon-jato faha2 (155-160 CE) dia toy ny antsasa-dalana anelanelan'ny=>tahirin-kevitra teo aloha nivoaka an-tsoratra (evanjely voalaza hoe taratasy sy asa) nosoratana tamin'ny teny Grika ny ankamaroany ary notendren'ny Eglizy ho apokrifa,izany hoe " faopla ", sy ny =>Edisiona vaovaon'ireo ihany,izay niseho tamin'ny taon-jato faha 5 sy 6 CE rehefa avy nohatsaraina sy natao hosoka maro.

Ary ireo evanjely niseho ny taon-jato faha-5 sy faha-6 amin'ny endriny raikitra,izay toy ny ankehitriny amin'ny ankapobeny,dia samihafa amin'ny evanjelin'ny taon-jato faha-2 araka ny filazan'ireo mpimasin'ny (docteurs) Eglizy ihany-toa an'i Ezeba an'i Sezare,maty tamin'ny taona 240 CE,izay mpanoratra ny tantara malaza hoe " histoire ecclesiastique "-toa an'i Irene,evekan'i Lyon izay niaina teo anelanelan'ny taon-jato faha-2 sy faha-3 CE.

Izy ireo no mitatitra,amin'ny alalan'ny asasorany maro,fanambarà na
mifangarika amin'ireo izay taterin'ny evanjely raikitra,izany hoe,ireo izay nivoaka 150 ka hatramin'ny 200 taona taty aorian'ny nahafatesan'izy ireo.Ohatra amin'ireny ny maha-virjiny an'i Maria izay lavin'izy ireo nefa kosa,eny fa na dia tsy amin'ny endrika
Didy (dogmatique) aza,tohanan'ny edisionan'ny taon-jato faha-5 sy faha-6.Toy izany koa i Tertilienna,mpiarofinoana kristianna tamin'ny taon-jato faha-2,izay mitsipaka ny fahatongavan'i Jesoa ho nofo tahaka ny notoavin'ny edisiona voalohan'ny evanjely kanonika.Io fahatongavana ho nofo io dia tsy zary ho matotra raha tsy tamin'ny taon-jato faha-5 sy faha-6 tao amin'ny evanjelin'i Matio sy i Lioka.
Ny antony tsy nitateran'iretsy evanjely roa hafa (Marka sy Joany) an'izany dia satria navela araka ny nanoratana azy izy ireo,izany hoe araka ny fomba teolojika tamin'ny tapany faharoan'ny taon-jato faha-2 izay nanohana fa i Jesoa dia tonga ,tsy tamin'ny maha-olona tsy akory,fa amin'ny alalan'ny fanambarà na.(St Paul-Gnose)(Vakio ny La Fable du Christ).

Raha iverenana ny resaka momba ny fifanojoana eo amin'iretsy tarika roa,ary rehefa hita fa ireo anaran'ny zanak'i Jodasy lehi-Galileanna,afa-tsy i Menahema sy Eleazara,dia mitovy amin'ny an'iretsy Apostoly,dia mbola tsapa ihany koa fa ireo ao amin'ny tariky ny Apostoly dia mpirahalahy avy ihany koa.

Mba hanalà na ny fisalasalà na mety hisy eo amin'ny maha-mpiray tampoha ireo apostoly ireo,ambonin'ny tahirin-kevitra apokrifa,dia efa ampy anaovana izany ireo evanjely kanonika.

" Ny reniny sy ireo rahalahiny dia tonga,ary niandry tao alatrano,nampanantsoin"izy ireo izy.Nanodidina ny vahoaka,nipetraka ary hoy izy ireo tamin"i Jesoa : " indro ny reninao sy ireo rahalahy sy anabavinao ao alatrano mitady anao " " (Mk 3,31-32).
" Tsy izy io angaha ilay mpandrafitra,zanak"i Maria,rahalahin"i Zaka,sy i Joany,sy i Jodasy ary i Simona ?Ary moa va tsy miara-miaina amintsika eto ireo anabaviny ? " (Mk 6,3.Mt 13,55).
" Ireo rehetra ireo dia tonga tsy tapaka ary niray tamin"ny vavaka,niaraka tamin"ny vehivavy sy i Maria renin"i Jesoa,ary ireo rahalahiny " (Asa 1,14).
" Avy eo dia niseho tamin"i Zaka i Jesoa,iray amin"ireo rahalahin"ny Mpamonjy " (Ezeba an'i Sezare Hist Eccl I,12,15)
" Zaka,rahalahin"ny Tompo,nandimby ny fandraharà hana ny Eglizy niaraka tamin"ireo Apostoly hafa (Ezeba an"i Sezare Hist Eccl II,23,4).
" Tamin"ny fianakavian"ny Tompo dia mbola tafajanona ny zafikelin"i Jodasy izay voalaza fa rahalahiny ara-nofo,voatora-bato izy ireo satria fantatra fa taranak"i Davida.(Ezeba an"i Sezare Hist Eccl III 20,1).

Eo anatrehan'ireo fanantitranterana omen'ireo evanjelista ireo :Marka,Matio,sy ny Asa,ary mbola amafisin'ny tahirin-kevitra apokrifa ary i Ezeba an'i Sezare,dia ahoana hoy ny Eglizy no fomba anohanana ny maha-virjiny an'i Maria renin'i Kristy ?
Ny amahany ny olana dia tsotra,lazainy fa raha ny tena izy dia tsy rahalahiny ireo fa zanakolom-pirahalahy aminy satria zanaka Maria hafa,rahavavin-drenin'i Jesoa izay vadin'i Josefa voalohany.

Io teti-kevitra io tsy hita ho lavina avy hatrany satria mandray roa ny teny hoe 'rahalahy' amin'ny teny Hebrio ka mety hidika hoe 'zanakolom-pirahalahy'.Voatery lavina an-kitsirano anefa ny mahazanakolom-pi... azy noho ireto antony roa ireto :
-->Voalohany dia satria ireo Evanjely nosoratana tamin'ny teny Grika dia misy ny teny hoe 'adelfos',izany hoe 'rahalahy' fa tsy zanakolom-pi...velively.
-->Ary ny faharoa dia satria io olona lazaina fa rahavavin-drenin'i Jesoa io,tahaka ny hazavaina ao amin'ny toko iresahana ireo Maria anankitelo,dia tsy nisy mihitsy.

Rehefa voaantitra ary ny firahalahiana misy eo amin'i Jesoa ;i Zaka zokiny ; i Zaka zandriny,Simona ary i Jodasy,dia ndeha hojerentsika ireo tahirin-kevitra nialoha ireo evanjely kanonika sy ireo Asan'ny Apostoly,izany hoe ireo tahirin-kevitra nolavin'ny Eglizy ary
novetainy ho apokrifa.Izany no atao dia mba ahafantarana hoe :'iza marina ireo mpirahalahy sady mpianatr'i Kristy.Ka omà ny ary ny saintsika ny amin'izay ho vokany sao ho tapaka lalan-drà .

Nefa,alohan'ny iresahana ireo 'mpianatra' (disciples),dia ndeha ho jerena aloha ny fifandraisana marina misy eo amin'ireo tarika roa ireo,ary handramana fantarina ireo zanak'i Jodasy lehi-Galileanna ireo,ka ho tsikeraina tsirairay araka ny fomba ampisehoan'ny mpahay tantara azy ireo tamin'izany fotoana izany.

Ny momba ny zanak'i Jodasy tsirairay:

I Jodasy dia niteraka 7 lahy,ny momba ny vavy dia tsy fantatra na 2 na 3 satria tsy misy tahirin-kevitra manamafy azy.
Ireto avy ny zanak'i jodasy :Joany no lahimatoa ;Simona ;Zaka zokiny ;Jodasy (tsy lehi-iskariota) ;Zaka zandriny ;Menahema ;Eleazara.

Avelantsika any amin'ny farany ny momba an'i
Joany satria aminy no anaovantsika fanadihadiana amin'ny antsimpirihiny kokoa satria izy no fototra iorenan'ny lahin-kevitra kristolojika (hevitra mikasika ny mesia).Ny ho jerentsika voalohany dia iretsy hafa ary hatomboka amin'i Simona sy i Zaka zokiny.

i) Simona sy i Zaka zokiny :arak'i Flaviosy Josefa : " Ankoatr"izay,i Zaka sy i Simona,zanak"i Jodasy Galileanna,dia notsaraina nohon"ny baiko avy any amin "i Aleksandra (Tiberisy),ka nomboina.Io no ilay Jodasy izay,araka izay efa voalazako teo aloha,nanosika ny vahoaka hihoko tamin"ny Romanna tamin"ny andro nanaovan"i Kiriniosy fanisà na tany Jodea " (Ant Jud XX-102).

ii) Jodasy (tsy i lehi-Iskariota) :maty tamin'ny fifandonana ara-tafika tamin'ny taona 45 CE tamin'ny andron'i Kospidiosy Fadiosy (procurateur) satria nitarika fihokona : " Nandritra ny naha-mpanefa an"i Fadiosy tany Jodea dia nisy mpisandoka iray antsoina hoe Tade (Theudas),nampanaiky olona marobe mba hivingitra ny fananany ka hanaraka azy hatrany amin"ny reniranon"i Jordany.Nilaza tena lehio fa " mpaminany",ary amin"ny alalan"ny "baiko famantarana " (signe) ataony fotsiny dia hisokatra ny rano ka hanome fahalalahana azy ireo hiampita.Maro ireo efa nofitahany toy izany.Fa i Fadiosy kosa dia tsy namela azy hahita tombony tamin'izany hafokà na izany ka nandefa antoko-miaramila an-tsoavaly izay nandrakotra an'izy ireo tampoka :maro no maty ary maro no azo babo,anisan'ireo i Jodasy Tade,ka notapahana ny lohany,ary nalefa nankany Jerosalema " (Ant Jud XX,97-99 sy Hist Eccl II,12).

Ny maha-zanak'i Jodasy Galileanna an'i Jodasy Tade dia voarakitry ny Asan'ny Apostoly,na dia tsy ara-potoana aza,amin'ny alalan'ny kabarin'i Gamaliela (Asa 5,34),sy ao amin'ny evanjelin'i Lioka (6,16),izay manamafy fa izy io dia rahalahin'i Zaka (zanak'i Jodasy Galileanna) izay eken'ny Asan'ny Apostoly fa maty tamin'ny taona 44 CE,andron'i Heroda Antipasy nohon'ny asa-ratsiny (Asa 12-1).

iii) Zaka zandriny :voatora-bato tamin'ny andron'i Albinosy (64-62 CE) satria nankalaza ampahibemaso ny zanak'i Davida. " Araka ny toetrany dia niritreritra i Anano fa hahita ankendritohina hamonoana an"i Festo nandritra ny tsy maha eo an"i Albinosy lasa nivahiny.Novoriany ary ireo mpitsara ao amin"ny Sanedrina ary nanondro lehilahy antsoina hoe Zaka izy (rahalahin"i Jesoa,antsoina hoe Kristy),ary koa olona maro hafa,ka nampangainy fa mandika lalà na ary navoaka ho toraham-bato "(Ant.Jud XX200)*

*I Voltera dia efananoratra momba io filazan'i Flaviosy Josefa ny amin'io " Jesoa antsoina hoe Kristy " ao amin'ny Antikite Jodaika io fa " raha nino i Flaviosy Josefa ny fisian"i Kristy,izany hoe Mesia,dia efa kristianna izy toy izay ".Fantatra nefa fa i Flaviosy Josefa dia nijanona foana ho Jiosy iringiriny.

Ny fahamarinan'ireny andalan-tsoratra mikasika an'i Jesoa lazaina hoe 'Kristy' ireny dia nijanona ho adihevitra foana mandra-panaporofon'ny mpahay tantara toa an'i Niese ;Norden ;Zeitling ;Lewy ary i Schurer fa sandoka izy ireny,ary tamin'ny taon-jato faha-4 no- nataon'i Ambroazy an'i Milan izay nanoratra indray ny " Antikité Jodaika " amin'ny anarana hoe : " Egesipo " ,na-nataon'i Ezeba an'i Sezare antsoina hoe " ilehi-mpisandoka ",na-nataon'ny mpahandro-finoana (exegètes) amin'ny alalan'ny fampisoloana (Antonomase).

Raha fehezina ny fanazavà na an'io fisandohana io,dia omeko eto ny filazà 'ny mpahay tantara Guy Fau :
" Ireo andalan-tsoratra mikasika an"i " Jesoa,lazaina fa Kristy ",dia niseho voalohany indrindra tamin"ny taon-jato faha-4 tamin"ny sangan"asan"i Ezeba an"i Sezare (lehi-mpisandoka) ary tsy mbola hita tao amin"ny Antikite Jodaika tamin"ny andron"i Orizena (185-254) satria izy (i Orizena) ihany no manamafy tao amin"ny asasorany atao hoe " contra Celsum " (I-47) fa i Flaviosy Josefa dia tsy niresaka mihitsy an"izany Jesoa antsoina hoe Kristy izany.Ny fisandohana noho izany dia miharihary loatra ka tsy sahy mikiribiby intsony ny Eglizy hiaro ny fahamarinan"io andalan-tsoratra io "(Guy Fau-La Fable de Jesus Christ III,jereo koa ny 'Silence des auteurs Juifs') (Ito fanamarihana ito dia ho raisina indray ao amin'ny toko farany :'valin-teny ho an'ny fandavana')

iv) Menahema :Hoy i Flaviosy Josefa : " Tamin"izay ary dia i Menahema,zanak"i Jodasy lehi-Galileanna, " mpahay lalà na "(docteur) tena mampatahotra izay,tamin"ny andron"i Kiriniosy ihany koa,nanome tsiny ny mponin"i Jodea satria nankatoa ny fanjakan"ny Romanna izy ireo nefa efa manana an"Andriamanitra ho Tompo... " (Ady Jiosy II-17).

v) Eleazara : Avy amin'ny " Ady Jiosy II-17) : "...Eleazara,zanak'i Gairo,mpihavana amin'i Menahema,dia lasa mpitarika ny fihokona tao Masada tato aoriana ".
Izingiziniko fa i Eleazara dia zanak'i Jodasy fa tsy an'i Gairo toy ny andalan-tsoratr'i Flaviosy Josefa izay midika fa na izany aza dia mpihavana amin'i Menahema ihany izy.Ny antony dia satria araka ny fizotran'ny raharaha-araky ny fitantaran'i Flaviosy Josefa azy-dia manondro mazava fa eto koa isika dia manoloana ny fanolanan'ny mpisandoka.

" Teo ary i Menahema,zanak"i Jodasy antsoina hoe lehi-Galileanna,rehefa nanafika an"i Masada,ka niverina tany Jerosalema,ary nitantana ny fitarihana fihokona,dia nanomboka nandray an-tanana ny fahirano (siège).Nefa ny mpiandany amin"i Eleazara dia nitsangana nanohitra azy ary nifampilaza fa tsy ilaina ny fananana sefo ambany noho izy ireo na tsy nisy aza ny ratsy nifanaovana.Nifanaraka ary izy ireo,ary notafihin"izy ireo tao amin"ny tempoly izy,nandeha nankao an-tempoly mba hivavaka tokoa mantsy izy amin"ny fomba manetriketrika,nitafy akanjon"Andriana ary niaraka tamin"ireo tariny tena mafà na vay mba hataony fiaro tena.Ka rehefa nirohotra taminy ny olon"i Eleazara dia romotra kosa ny vahoaka ka nandray vato ary nanomboka nandray vato ka nikapoka an"ilay " mpahay lalà na " satria nino izy ireo fa raha maty lehio dia hitsahatra ny fihokona.Ny olon"i Menahema dia nanohitra kely ihany,kanefa hitany fa nanohitra azy ireo daholo ny vahoaka dia namonjy nilefa izy ireo.Nanomboka teo ary ny vonomoka natao an"ireo izay tratra,ary ny hazalambo an"ireo izay nisitrika.Nisy ny sasantsasany afaka nilefa ka namonjy nisitrika tao Masada,ka anisany tamin"ireny i Eleazara zanak"i Gairo izay mpihavana amin"i Menahema.Tato aorian izy dia lasa sefon"ny fihokona tao Masada.I Menahema kosa dia afa-nilefa ka nisitrika tao amin"ny toerana atao hoe Olefa nefa tsikaritra ka azo.Avy nampijaliana mafy izy dia novonoina,toy izany koa ireo lefina sy Aba Salona,minisitra lehibe momba ny fahalozà n"izy ireo "

Io fanazavana ny zava-nisy io dia natao tamin'ny fisafotofotoana lehibe ka mahatonga antsika tsy hanana eritreritra hafa ankoatry ny maha asam-pisolokiana azy,izay tsy manana afa-tsy tanjona tokana dia ny hanafenana ny fangaraharà na izay fahavalony.Tsy an'ny mpanoratra matsilo sy mahitsy toa an'i Flaviosy Josefa mihitsy ny toy izao (voafidin'i Roma ho mpahay tantara am-pomba ofisialy mihitsy izy nohon'ny fahamatorany sy ny fahaizany).Tsy misy azo isalasalana fa eo anatrehantsika ny fisandohana ny asasorany.

-Eo anatrehan'ny fitakiana ara-taranaka nataon'i Eleazara tamin'ny rahalahiny Menahema izay naka ny seza fiandrianan'i Jerosalema,misy tandapa lehibe,misy mpisorona,misy lefitra sy minisitra.
-Eo anatrehan'ny ady nifanaovan'ny mpirahalahy mitovy amin'ny hafa maro izay nifandimby teo amin'ny tantaran'ny taranak'i Davida toa an'i Aristobila faha-2 sy i Hirkanna faha-2 tamin'ny andro nandrakofan'i Pompey an'i Palestinna.(vakio ny La fable du Christ).
-Amin'ny fahalalà na fa amin'ny fombam-pinoana sy politika jiosy,ny mpaniry hitoetra eo amin'ny fiandrianan'i Jerosalema dia tsy maintsy taranaka mivantana avy amin'i Davida,ary ny taranaka tokana fanta-bahoaka afa-miantsoroka izany zo izany dia ny taranak'i Jodasy lehi-Galileanna.
Noho izany dia tsy afaka ny tsy hiaiky isika fa mpirahalahy izy roalahy ireo.Fantatra fa ny fitakiana rehetra ataon'ny Jiosy amin'i Palestina dia mifototra amin'ny fiandrasana ny mesia izay,arak'ireo mpaminany,dia tsy maintsy avy amin'ny taranak'i Davida.Tsy misy olon-kafa na iray aza afaka misoloky izany seza fiandrianana izany raha tsy avy amin'io taranaka io izay fantatry ny mponin'i Jodea iray manontolo,dia ny foko Asmoneanna naorin'i Simona zanak'i Matatiasy lehi-Makabe rain'i Ezekiasy rain'i Jodasy lehi-Galileanna izany.
Ireo evanjely izay manohana fa i Jesoa dia taranak'i Davida,dia tsy manao afa-tsy ny manamafy ny fepetra tsy maintsy fenoina mba iekena ny maha-mesia ny olona iray,izany hoe 'mpanjakan'ny Jiosy'.

Noho ireo rehetra ireo dia mazava fa i Simona ;Zaka zokiny ;Jodasy Tade ary i Zaka,amin'ny maha zanak'i Jodasy lehi-Galileanna azy ireo,dia voaray daholo tao amin'ny tolona manohitra ny Romanna mba hitakiany ny zony ho eo amin'ny seza fiandrianan'i Jerosalema.Ndeha ary handramantsika jerena indray,amin'ny alalan'ny tshirin-tsoratra amin'ny teny Grika izay nialoha ny evanjely kanonika,raha marina tokoa fa ireo zanak'i Jodasy dia tsy hafa fa ireo mpianatr'i Jesoa ihany.

Ny momba ireo apostolin'i Jesoa:

Ireto indray kosa ny momba ireo apostolin'i Jesoa :
Ny zavatra tsapantsika eo amin'ny apostolin'i Jesoa,araka ny " Novum TestamentumGraece et Latine " (NTGL) sy ny evanjelin'i Marka dia nantsoina ho
" Boanarjesy " avokoa izy izy ireo,izany hoe " Zana-baratra ".

" Simona Piera,toy iretsy apostoly hafa,dia voatsipika ho "zana-baratra" "(NTGL).
" I Zaka sy i Joany,izay nopetahan"i Jesoa anarana hoe Boanarjesy,izany hoe Zana-baratra... " (Mk 3,17)

Ireo apostolin'i Jesoa voatonona ho toy izany,anaranm-bositra hoe Boanarjesy izay midika ho zana-baratra,dia mahatonga hieritreritra avy hatrany fa izy ireo dia 'revolisionera' fa tsy apostoly mpitory firahalahiana sy famelan-keloka .

Ndeha ary ireo hojerentsika mitsitokatokana avy,amin'ny alalan'ny tahirin-tsoratra voarakitra talohan'ny evanjely kanonika nefa voahosotra ho apokrifa satria mifangarika amin'ny evanjely kanonika efatra sy ny Asan'ny apostoly izay ampiantsorohan'ny Eglizy an'izao tontolo izao ka lazainy fa fahamarinana tokana tsy azo idovirana.

Ø Simona :apostoly voalohany.
I Simona apostoly dia mitondra anaran-bositra telo :Barjona,Kananita,ary Kefasy (NTGL).Ny hevitr'ireo anaram-bositra ireo dia toy izao avy :
=> Barjona=midika ho " maquisard " na " wanted ",izany hoe hoe tediavina satria mpandositra no heviny amin'ny teny Arameanna (teny fampiasa tany Palestinna tamin'ny fandrakofana Romanna).
=> Kananita=teny Grika avy amin'ny teny Hebraika hoe " qanana ",izay mifanandrify amin'ny hoe " Zelota ",izany hoe :revolisionera andaingony (extrêmiste).
=>Kefasy=anaram-bositra nomena azy nohon'ny toe-batany mafonja sy nofosana ka mahatonga ny salovany ho toy ny vato .
Ø Zaka zokiny (Jacques le majeur).
Ny maha zelota an'ity Apostoly ity dia tsy misy isalasalà na satria :
=> Rahalahin'i Simona Barjona antsoina hoe zelota na Kananita izy.
=>Tamin'ny andron'i Tibera Aleksandra dia voasambotra niaraka tamin'i Simona izy ny taona 46 CE,ary nampijaliana amin'ny maha mpampihoko vahoaka azy (Asa 12-Ant Jud XX,200).
=> Ny maha-mambra azy ao amin'ny tarik'ireo Boanarjesy dia amafisin'ny evanjely kanonika : " ...ary i Zaka an"i Zebede sy i Joany rahalahin"i Zaka,izay nomeny anarana hoe :Boanarjesy izany hoe zana-baratra "(Mk 3,17).
=>Tamin'ny fiampangà na nataon'ny Sanedrina azy amin'ny alalan'i Gamaliela,dia niaraka tamin'ny revolisionera Tedasy( Jodasy Tade) rahalahiny izy.Io Tedasy io dia voatapa-doha tamin'ny andron'i Kaspiosy Fadiosy tamin'ny taona 44 CE.amin'ny maha mpampirisika fihokona azy-niaraka koa tamin'i Jodasy lehi-Galileanna rainy izaysefo an'ady tamin'ny andron'ny fanisà na (recensement)na dia tsy ara-potoana aza.(Asa5,34).

Ø Joany :Ny maha Boanarjesy ihany koa an'i Joany,ankoatry ny porofo momba ny maha-mpirahalahy azy amin'iretsy mambra ao amin'io tarika io,dia mbola amafisin'ny evanjelin'i Marka .(Mk3,17).

Ø Jodasy (tsy i lehi-Iskariota).
=>Fantatra amin'ny alalan'ny NTGL fa i Jodasy apostoly,ambonin'ny fiantsoana hoe Zelota,dia antsoina koa hoe Toma izay midika hoe 'Kambana',ary koa hoe Tedasy (na Tade) izay midika ho 'mahery fo'.Ka noho izany,inona no azontsika tsoahina amin'izany ankoatran'ny maha Jodasy Tedasy azy izay zanak'i Jodasy lehi-Galileanna ,ary ny nanapahan-doha azy tamin'ny andron'i Kaspiosy Fadiosy satria nitarika fihokona ? (Ant Jud XX 97-99)
=> Raha ny anaram-bositra Tedasy (mahery fo) azony dia fandokafana azony nohon'ny fahasahi-matiny,ny hoe Toma kosa (" kambana ") dia azony nohon'ny fitovizany tsy misy valaka amin'i Zaka rahalahiny.Ny Toma sy ny Tedasy dia anaram-bositr'i Jodasy,rahalahin'i Jesoa (aza afangaro amin'i lehi-Jodasy Iskariota) voaporofon'ny NTGL,ary amafisin'ny " asan"i Toma " sy i Ezeba an'i Sezare (Hist eccl I 11-13).

Ø Zaka zandriny : Na tsy misy tahirin-tsoratra miantso mivantana ny maha zelota an'i Zaka zandriny aza dia tsy afaka ny tsy ho izany izy satria ao amin'ny tarika Boanarijesy ,ary maty tamin'ny fitoraham-bato tamin'ny taona 64,andron'i Albinosy,nafitsoky ny Sadotseanna izay fahavalon'ny hetsika revolisionera jodaika satria nankalaza ampahibe-maso ny zanak'i Davida,Mesia mpandova ny fiandrianan'i Jerosalema izay ho avy tsy ho ela hanapaka an'i Palestinna amin'ny fandrakofana (occupation)Romanna.(Hist eccl II-23).

Ø Simona lehi-Zelota :Eto ihany koa dia tsy misy isalasalana ny amin'ny maha zelota an'ity apostoly ity satria na ny Eglizy aza dia manamafy izany amin'ny alalan'ny Evanjely Kanonika sy ny Asan'ny apostoly : " tamin"ireo mpianatra dia nisy anankiray nantsoina Simona nitondra y anaram-bositra hoe Zelota (Lk 6,15). (jereo koa Asa I,13).

Ø Jodasy Iskariota :Ny fiantsoana hoe iskariota (avu amin'ny teny hebrio hoe Ekariota,izay midika hoe sikera na mpamono olona)dia nomena ireo Zelota tena an-tendrony (les plus extrêmistes).Ny momba azy ireny dia hoy i Flaviosy Josefa : " Ao Jerosalema dia nipoitra fiseho vaovao amin"ny asan-dahalo dia ny an"ny Sikera (Ekariota)izay mamono olona antoandro be nanahary sy ampovoan-tanà na.Afenin"izy ireny any anaty akanjony ny antsy izay amelezany ny fahavalony.Ary rehefa mitsitra lehio,dia mba mamonjy mitangorona miaraka amin"ireo izay onena ireo mpamono ka mba mangalatahaka ny fihetsiny.Hainy tsara ny mangalatahaka an"izany ka tsy tsikaritra mihitsy izy ireo " (Ady Jiosy II-12).

Arak'izao famoaboasana ny amin'ny mpianatr'i Jesoa izao dia mazava fa izy ireo ihany no anisan'ny mpiady Yavista (mpiadin'Yaweh) zanak'i Jodasy lehi-Galileanna (Mitovy anarana,mitovy fiantsoana hoe Galileanna,samy Boanarjesy sy Zelota, ary samy maty tamin'ny fehim-potoana iray ihany)

Alohan'ny hanazavà na ny fomba nataon'ny mpisandoka mba hanovà na ireo mpiady revolisionera ho " mpitory fandriampahalemana ",dia ndeha ampitahaina ny fihetsik'ireo tarika revolisionera antendrony tamin'izany andro izany,sy ny an'ireo tarika nisy ireo apostoly evanjelika mba hanamporofoana ny fehin-kevitra nahatongavantsika.
Izany fampanakekezana izany dia ilaina tokoa mba ahazahoana ny andalany, marobe ao amin'ny evanjely ,izay maizina tamintsika ny dikany satria nafenina sy nodisoina amin'ny alalan'ny valy boraingina sy manjavozavo asetrin'ireo mpitondra fivavahana rehefa mba manontany azy ireo isika (toy ny hoe " mistery izany zanako !" hoy i Maopera).

Tarika revolisionera arak'ireo mpahay tantara tamin'izany fotoana izany :


" Raha tsy azon"izy ireo izay angatahiny dia dorany ny tranon"ireo izay mandà ,ary vonoiny ny loham-pianakaviana sy ny vady aman-janany "(Filona an'Aleksandrina).
" Miseho amin"ny endrika andiany izy ireo ary robainy ny tranon"ny andriana izay vonoiny avy eo,dorany koa ny tanà na.Nijaly mafy tamin"ny halozà n"izy ireo i Jodea "(Ady Jiosy II,12).

Amin'ny andalan-tsoratra mikasika an'i Jodasy Galileanna (rain'ny Boanarjesy) dia hoy i Flaviosy Josefa ny amin'ny Esenianna Zelota :
" Ny endrika faran"izay mampihorin-koditry ny fahafatesana,ny fampijaliana ireo havany sy namany dia tsy mampihontsona azy ireo akory " (Ant Jud II,4).

Ny 'oronan-taratasy' bokin'ady Esenianna Zelota dia milaza :
" Tamin"ny andro idarabohan"i Kitima (Romanna),dia hisy ady ary rà mandriaka eo anatrehan"ny Andriamanitr"Israely,satria io no andro natokana ho an"ny ady andripahana ny zanaky ny aizina,mandritra izany no hisian"ny fandripahan-dehibe amin"ny afo eto ambonin"ny tany ".

Tariky ny apostoly Boanarjesy:

-Tamin'ny fiaraha-misakafo farany,taorian'ny fampirisihana ny hiantsikinana sabatra,dia nanome toky ny sefo (Jesoa) ireo Boanarjesy ny hisian'izany :
" Tonga ny fotoana izay tsy maintsy ananana sabatra,ka ireo izay tsy manana izany,dia aoka hivarotra ny fitafiany mba ahafahany mividy "Ary hoy izy ireo : " Tompo,indro efa misy roa ireto " (Lk22,49)
-Nankany amin'ny amin'ny zaridaina Oliva izy ireo ary mirongo sabatra :
" Ireo izay niaraka tamin"i Jesoa,rehefa nahita an"ireo tonga,dia nanontany an"i Jesoa nanao hoe :"hamely amin"ny sabatra ve izahay ?(Lk22,49).
-Nampiasa sabatra tamin'ny miaramila Romanna sy ny mpiandry Tempoly izay tonga hisambotra azy ireo :
" Ary indro ny iray tamin"ireo niaraka tamin"i Jesoa,naninjitra ny tanany ka naka ny sabany,nodonafany ny mpanompon"ny sefon"ny mpisorona ka afany tery ny sofiny "(Mt26,51 ;Mk14,17 ;Jn18,10).
Ny sefon'ny Boanarjesy evanjelika(Jesoa) dia nanambara amin'ny fomba tena mazava mihitsy ny tetik'asan'adin'ny Esenianna Zelota :
" Tonga aho hitondra afo eto an-tany-ary tiako ho efa nirehitra izany-mieritreritra angaha ianareo fa tonga hivimbina fandriampahalemana aho ?Tsia hoy aho aminareo,fa ny fisarahana.Manombok"izao ao an-tokantrano misy olona dimy dia hifandrafy telo amin"ny roa,ary roa amin"ny telo ,ny ray amin"ny zanaka lahy ary ny zanaka lahy amin"ny ray,ny reny amin"ny zanaka vavy ary ny zanaka vavy amin"ny reny,vinanto amin"ny rafozana ary ny rafozana amin"ny vinanto ".

" Ireo fahavalo izay tsy tia ny hanjakako eo aminy dia ento eto amiko,ary vonoy eto imasoko (Lk19,11).
Fanoharan'ny " denà ry " izay andraisan'i Jesoa toeran'ny olona andrian-drazana,mitovy aminy koa amin'ny maha taranak'i Davida azy ka anasaziany an'ireo tsy manome azy ny tokony ho azy.

" Tompo,tianao ve ny andatsahanay afon"ny lanitra mba handoro azy rehetra ? "(Lk9,45)hoy ny fanontanian'ny apostoly Boanarjesy tamin'ny sefony Jesoa momba ny tanà na Samaritanna iray izay tsy nanaiky ny handray azy.

Ny fanoloana fotsiny ny sabatra,izay fitaovam-piadiana tamin'izany andro izany,amin'ny teny hoe kalasnikofy ankehitriny dia efa ampy analà na ny fisalasalà na mety ananantsika eo amin'ny toetra maha revolisionera an'ireo izay ventesin'ny Eglizy fa mpampiely ny vaovaomahafaly,izany hoe ireo mpianatra Masina izay nifotoran'ny foto-pisainana kristianna.

Fanovà na ireo jiolahy revolisionera ho apostoly masina :

1. Simona :Kefasy ;Barjona ;Kananita,novà na ho Simona Piera ;zanak'i Jona,ary teraka tany Kanà .
Ny fiantoana hoe Barjona,araka ny efa hitantsika dia midika ho 'tediavina' (partisan contumace) amin'ny teny Arameanna.Izy io dia nadika amin'ny dikany tena izy,izany hoe amin'ny tena hevitry ny teny hoe 'Barjona' ao amin'ny NTGL izay esisiona grika voalohany.Nefa dia notapahin'ny mpihosoka ho roa amin'ny asasorany Grika,izany hoe 'bar' sy 'jona' mba hidika ho 'zanaka' ny 'bar' amin'ny teny Arameanna rehefa sarahina amin'ny 'jona' ka nanjary 'Bar jona' ilay fitenenana,izany hoe 'zanak'i Jona'.

Ny maha-hosoka an'io fanovà na io dia miharihary amin'ny fahità na azy any amin'ny lahantsoratra voahosoka amin'ireo fitenenana mikasika an'i Simona ihany,kanefa any amin'ny tranga hafa rehetra,ny teny izay midika hoe 'zanaka' dia nosoratana ara-dalà na amin'ny teny marina hoe 'uios' :ohatra ny hoe 'Josefa zanak'i Davida' ; 'Zakaria zanak'i Barakia' (Evanjely Grika Mt1,20 ;23,35 . Evanj Grika Lk19,9).

Farany mba hanazavà na azy tsaratsara kokoa ao amin'ireo lahantsoratra Grika voahosoka,amin'ireo teny rehetra voasoratra amin'ny Grika dia miseho foana ny teny hoe 'bar' (Arameanna),kanefa ny nandikà na azy amin'ny Latinna dia ny hoe 'filius' mba hanovà na an'i Simona revolisionera ho mpianatra malemy paikan'i Jesoa.
" Ianao no ry Simona (barjona=>bar jona=> bar Jona=>filius Jonae)zanak"i Jona,vato no ho anaranao,ary eo amin"io vato io no hanorenako ny Eglizy ".

Io fehezan-teny farany io dia mbola misy hosoka hafa koa :dia ny an'ireo mpihosoka izay namindra ny dikan'ny 'vato' ho vato mineraly izay hanorenana ara-tsary ny Eglizy,kanefa ny tena dikany dia ny toe-batan'i Simona izay nofosana sy mafonja ary ny fihetsiny mahery vaika araka ny ho hitantsika,tsy any amin'ny tahirin-kevitra apokrifa ihany fa koa any amin'ireo evanjely kanonika.

Ary toy ny nampiasany ny momba ny jeografia mba hanafenana ny hevitra revolisionera ao amin'ny fiantsoana hoe 'Galileanna' dia lazaina fa ireo mpianatr'i Jesoa dia mpiavy avy any Galilea kanefa Golanita izy ireo (mpiavy avy any Golanna),dia toy izany koa no nanovà ny ny hevitry ny teny hoe 'Kananita' (qanana=zelota) dia nahodiny ho olona mpiavy avy any Kanà .

Ireny fampiankinana ireny dia mazava fa hosoka rehefa voaharihary fa ny fiavian'ireo mpirahalahy izay tarika Boanarjesy dia tsy misy ifandraisany mihitsy amin'i Galilea,ary vao mainka koa tsy misy ifandraisany amin'ny tanà nan'i Kanà satria mpiavy avy any amin'ny faritr'i Golanna ery an-dafy antsinanan'ny farihin'i Tiberiada no misy azy.

Kanefa na dia nodisoina aza ny tahirin-kevitra mba hanovà na an'i Simona Piera ho toy ny mpampiely mahafatra-po ny 'vaovao mahafaly' dia miseho amintsika ombieny ombieny ihany ny tena toetrany amin'ny maha revolisionera azy amin'ny alalan'ny zava-misy voatantaran'ny tahirin-kevitra apokrifa ny aminy,sy amin'ny alalan'ireo evanjely kanonika.Hita amin'izany tokoa ny herisetrany amin'ny maha-mpitolona Yavista azy :

· Nifanjinja tamin'ny 'Eklesies' n'ny Antsinanana afovoany (proche orient) rehetra ary koa tamin'i Paolin'i Tarsa izy satria izy ireny dia nanohitra ny politika mpanavakavam-pihaviana nataony izay mifanohitra amin''y fampidirana ny paianna (païen) ao anatin''y fianakaviana esenianna zelota,fianakaviana izay nohezahan''y Eglizy hatao hoe kristianna (La fable du Christ).
· Novonoiny (tamin'ny sabatra) ny mpivady,Anania sy Safira satria tsy nadrotsaka tamin'ny fikambanana Esenianna zelota ny vidin'ny taniny rehetra (Asa 5 :eto dia marihiko kely fa tsy lazain'ny Asa ny sabatra,marihiko koa fa voalaza ho fahotà na amin'ny fanahy no nataon'ireo mpivady,ary ny fanahy nefa dia fantatry ny kristianina fa sabatra roa lela,ka asa na fifanandrifian-javatra fotsiny na tsia !).
· Noboriany tamin'ny kapo-tsabatra ny sofin'ny mpiandry tempoly tao an-jaridaina Oliva.
· Araka ny evanjelin'i Maria avy ao Magdala (apokrifa,ary io maria io dia avy any Gamala no tena fiaviany fa tsy Magdala) : " Nisy apostoly iray atao hoe Levy,eo ampiarovana an"i Maria izay novingavingain"i Simona Piera tamin"ny fitenenana feno fahavinirana sy mahery,nanao hoe :"mivatravatra foana ianao ry Piera !Ankehitriny hitako fa vinitra amin-dravehivavy toy ireo fahavalontsika ianao " ".

2. Zaka zokiny :revolisionera natao maritioran'ny Eglizy.

· Voalaza ho Boanarjesy ao amin'ireo tahirin-kevitra apokrifa ary voamafy ho izany koa miaraka amin'ny rahalahiny Joany,tsy tao amin'ny Asan'ny apostoly ihany fa ao amin'ireo evanjely kanonika ihany koa :
" Zaka sy joany rahalahiny izay nopetahan"i Jesoa anarana hoe Boanarjesy,izany hoe : "zana-baratra" (Mk3,16).
I Zaka dia navotan'ny Eglizy ny toetra zelotany amin'ny filazà na fa matoa i Jesoa niantso azy hoe " zana-baratra " dia satria mahery sy miraondraona be ny feony (samia manontany izany amin'ny mpitondra fivavahana isika na marina na tsia !)
· Ny nahafatesan'i Zaka zokiny,voasambotry ny Romanna niaraka tamin'i Simona rahalahiny nohon'ny fampirisihana fihokona tamin'ny andron'i Tibera-Aleksandra,dia amafisin'ny Asan'ny apostoly,ny mahasamihafa azy fotsiny dia tsy nataony ny taona 46 CE araka ny voalazan'i Flaviosy Josefa fa nataony ny taona 44 CE izay andron'i Heroda Agripasy nizaka an'i Galilea sy Golanna.
" Tamin"izany fotoana izany (taona 44)i Heroda dia nanomboka nanenjika ny mpikambana sasany tamin"ny Eglizy ary nampamono an"i Zaka rahalahin"i Joany an-tsabatra .Hitany fa izany famoretana izany dia nankasitrahan"ny mponin"ny Jodea,dia ampisamboriny koa i Piera.Andron"ny mofo tsy misy lalivay tamin"izay(Paka).Rehefa nampisamboriny izy dia notà nany am-ponja,ary nambiambesiny tarika efatra misy miaramila efatra isan"isany,ny tanjony dia ny hiampanga azy eo anatrehan"ny vahoaka rehefa vita ny fetin"ny Paka " (Asa12,1-2)

Ny antony roa nahatonga ny mpisandoka hampandroso roa taona ny fisamborana an'i Zaka sy i Simona dia ireto avy :
a) Raha ny filazan'i Flaviosy Josefa no narahiny,izany hoe ny Romanna no nampisambotra azy ireo,dia tsy ho afaka nitompoana ny ny nahafatesan'i Zaka nohon'ny antony ara-pivavahana satria ny Romanna dia mankatoa tanteraka ny fahalalahana ara-pivavahana.Raha manao fanozonana ho faty ny Romanna dia nohon'ny antony ara-keloka bevava fotsiny ihany,anisan'izany,indrindra indrindra ny fampirisihana ho amin'ny fihokona.Nefa kosa (ary io no nofidian'ny mpisandoka) raha i Heroda Agripasy ,(izay Jiosy) no atao mpampisambotra,dia mitombina tsara ny fanamelohana azy araky lalà na Hebraika izay manameloka ho faty ny mpanohariana ara-pivavahana.
Fanazavà na ho an'ireo mpino izay votsa fahazo :raha voaheloka amin'ny sazy fara-tampony nohon'ny antony ara-pihokona toy ny filazan'i Flaviosy Josefa i Zaka,dia tsy inona izy izany fa zelota revolisionera. Raha voaheloky ny manam-pahefana (tetrarque) jiosy ho faty kosa izy dia afaka ho tonga maritiora ara-pivavahana,satria ny otany amin'izay fotoana izay dia manjary azo atao ho ota mikasika ny fanoheram-pivavahana.
b) Tsy nampisamborina niaraka toy ny filazan'i Flaviosy Josefa i Simona sy i Zaka fa noelanelanina fotoana fohy na dia tamin'ny andron'i Heroda Agripasy ihany aza.Ny anton'izany dia ny mba ahazahoan'ireo mpihosoka mampihatra aminy (amin'i Piera) ihany koa ny lalà na Hebraika izay manameloka ho faty ny fanoherana ara-pivavahana,ary koa mampihatra aminy ny lalà na hebraika hafa izay manakana ny hisian'ny fitsarà na mandritra ny fetin'ny mofo tsy misy lalivay,izay hoe 'fetin'ny Paka.Io dia nilain'ny mpisandoka mba hampisehoana ny fandrasan'ny anjelin'ny Tompo anjara ho valim-bavaka hanafà hana azy.Ny filà na izany fotoana izany no tsy nampiarahany ny fisamborana azy tamin'i Zaka izay novonoina ary novonoina avy hatrany.
" Voatana tany am-ponja i Piera ary ny fivavahan"ny Eglizy dia niakatra tany amin"Andriamanitra tsy an-kitsahatra ho azy.Ka io alina io,alohan"ny hampitsaran"i Heroda azy teo imason"ny vahoaka,dia nambesana miaramila roa i Piera,matory ary mifatotra rojo.Ao ivelany kosa dia misy mpiandry fonja.Dia tonga ny anjelin"ny Tompo ka norarafan"ny hazavà na izy tao anaty fonja,nokasihiny ny valahan"i Piera,nofohaziny ary nilazà ny hoe "mitsangà na ianao ary haingano ",dia nivaha ho azy ny rojo,ka hoy ny anjely : 'sikino ny sikinao,ary apetaho ny kapa' dia nataony,ary hoy ny anjely : 'isalory ny lamba dia araho aho'.Nivoaka i Piera,ary nanà raka azy,nefa mbola tsy tonga saina ihany izy ny amin'izay niseho tamin'ny nataon'ny anjely fa toy ny nanonofy" (Asa12,13).

Tsy hay tazonina ny fihomehezana rehefa mahatsà pa ny fandrafetana ny kristianisma izay mifototra amin'ny angano sy arira,nefa mipetraka tampoka koa ny fanontaniana : nahoana ny tsy fanekena lembenana mihitsy ny amin'ny fandalà na ny lalà na hebraika izay mandrà ra ny fitsarà na mandritra ny fetin'ny Paka no nampiharina tamin'ny angano sy ariran'i Simona Piera,nefa tsy nampiharina tamin'ny angano sy ariran'i Jesoa ?I Jesoa mantsy dia notsarain'ny fitsarà na Hebraika,ankoatry ny an'ny Romanna,fotoanan'ny Paka.
Hazavaintsika ny amin'izany amin'ny antoko manaraka ;

3. Joany : Izy no ifotoran'ny famà kafakantsika,ka ndeha aloha avela kely ny aminy fa ho raisintsika amin'ny toko ampitondraintsika ny lohan-teny hoe Jesoa lehi-Nazareanna.Ny tsara marihina fotsiy hatreto dia,amin'ny maha rahalahin'i Zaka zokiny,i Simona barjona ilehi-Kananita,i Jodasy Tade ary i Zaka zandriny azy ,dia anisan'ny tarika Boanarjesy izay nandeha nankany an-jaridaina Oliva nirongo sabatra izy.Noho izany dia tsy ho afaka ny tsy ho mpampihorohoro koa.
4. Jodasy (tsy ilehi-Iskariota) :Ny fanovà na an'i Jodasy revolisionera ho Jodasy apostoly dia natao tamin'ny fanafoanana ny anaram-bosiny Hebraika hoe Tedasy (Tade) sy Toma (Tomasy),anarana izay nanondroana azy tao amin'ny lahan-tsoratra ara-tantara amin'ny maha mpitolona revolisionera azy ;(Ant.Jud XX.97-99 ;Hist eccl I,12 izay efa voatsiahy).
Novà n-dry zareo ireo anaram-bositra ireo,izay mbola hita foana any amin'ny tahirin-kevitra tranainy rehetra toy ny evanjely Kapto (incipit) sy ireo Asan'i Toma sy ny NTGL,mba ho anaran-tsamirery.'Jodasy antsoina hoe tedasy' izay midika hoe 'mahery fo' sy 'Jodasy antsoina hoe toma',izay midika hoe 'kambana' dia novà na ho 'Tedasy antsoina hoe Mahery-fo',sy 'Toma antsoina hoe Kambana'.

Ny fitaka dia hita miharihary rehefa tsikaritra fa ireo anaram-bositra ireo ,navela ho Grika araka ny fanononana Hebraika,ary natomboka amin'ny sora-baventy (Majuscule),ka lasa anaran-tsamirery (nom propre),dia naka ny toeran'ny tena anarana izay 'Jodasy'.
Ny niafarà ny dia ny Tedasy (Tade,Teda) sy ny Toma,izay fiantsoana natao an'i Jodasy dia nivadika ho anaran-tsamirerin'ny 'mpianatra' anankiroa vaovao satria tsy nisy na hoviana na hoviana :dia i Teda (Tade) sy i Toma.

Ny porofon'izany fanolankolà nana izany ,ankoatry ny fandinihina ny tahirin-kevitra apokrifa,dia hitantsika koa amin'ny alalan'ny fandrasà na ny dikan-teny.Raisontsika ho ohatra fotsiny ny 'Jodasy antsoina hoe Toma' (midika hoe kambana) .Rehefa nadika ho Grika,rehefa nalà na ny Jodasy,rehefa natao sora-baventy ny T amin'ny 'toma' ,dia lasa hoe : 'Toma antsoina hoe didimosy'.Io indray anefa dia nadika amin'ny teny Latinna,fiteny fanavotam-pitaka toy ny filazan'ny sasany azy,ho lasa 'Thomasus dictus didimus' izay loharanon'ny fandikà na amin'ny fiteny moderna manao hoe : " Ary i Toma,antsoina hoe Didimma dia nilaza tamin"ny namany :"ndeha koa isika ho faty miaraka aminy" "(JnXI,16) .

Fantatra fa ny 'toma' sy 'didimma' dia midika ho 'kambana' daholo :ny voalohany amin'ny teny Hebrio,ary ny faharoa amin'ny teny Grika,ny fiteny taterin'ny evanjely noho izany,ankoatry ny fanolangolanana nataon'ny mpisandoka,dia mahatsikaiky satria rehefa tena adika araka ny tokony ho izy dia lasa hoe 'Kambana antsoina hoe kambana'.

Raha mbola misalasala isika ny amin'ny maha olona iray ihany an'i Jodasy sy i Tade,dia ampitoviontsika fotsiny ny tanisan'anaran'ny apostoly izay voarakitry ny soratra masina ka manambara fa ny Tade voatenin'ny evanjelin'i Marka sy Matio dia nosoloana ny hoe Jodasy ao amin'ny evanjelin'i Lioka sy ny Asan'ny apostoly,(Jereo ny lisitry ny mpianatra voalaza ery am-panombohana ity famelabelarana ity) amin'izay fotoana izay dia hisava ho azy ny zavona.

5. Jodasy :lehi-Iskariota :izy io no ifotoran'ny kajy tonga lafatra indrindra eo amin'ny samy mpianatra.Tsy nokitihina ny tena anarany fa navela amin'izao,satria izy irery ihany no mpiavy avy any Jodea,ny sisa rehetra dia voalaza fa Galileanna avokoa.Izy noho izany no tsara toerana indrindra mba hanatontosà na ,amin'ny alalan'ny famadihana, ny asam-pankahalà na ny jiosy izay,araka ny eritreritry ny Eglizy ,tokony ho mpamono an'i Kristy.Kanefa na nampiasaina tamin'i Jodasy aza ireo fahafaham-baraka faran'izay mahamenatra,dia nohezahana ihany koa ny anafenana ny maha mpampihorohoro revolisionera azy izay hita ao amin'ny teny hoe 'Iskariota' -izay midika hoe 'sikera'-Ny anton'izany dia sao mampandamoka ny hezaka natao mba hanovà na ny tarika revolisionera ho apostoly mpitory ny fandrihampahalemana.

Nantsoina hanampy tamin'izany tetika izany indray ary ny Jeografia,sahala amin'ny natao momba ny tanà nan'i Kanà ,ka novà na ho Kananeanna (olona avy any Kanà ),ny 'kananita' izay midika ho zelota.Toy izany ihany koa ny amin'ny faritr'i Galilea mba anafenana ny fiantso hoe 'Galileanna'.Ary mbola torak'izany ihany koa eto ny amin'ny teny hoe 'Iskariota' izay avy amin'ny teny Hebrio 'ekariota' midika hoe 'sikera',nefa lazaina ho midika fa olona mpiavy avy any Kariota.Io fanovà na io,raha manapa-tsinay ireo mpanohitra Paianna sy Jiosy (sy antsika koa),dia tsy nohon'ny hosoka miharihary ihany,fa indrindra indrindra nohon'ny tsy fisian'izany tanà na antsoina hoe Kariota izany akory.

6. Simona lehi-Kananeanna.
Mba anafoanana ny toetra maha revolisionera an'i apostoly io,izay voambaran'ny soratra masina ho 'zelota' (Mk3,18 :Mt10,4 ;Lk6,15 ;Asa1,13) dia araraotin'ny Eglizy ny tsy fahafantaran'ny olona,ka raha mba misy manontany ny dikan'ny hoe 'zelota',dia voavaly boraingina miaraka amin'ny tsiky tsy ravo izay mampiavaka an'ireo Pretra sy Moanna amin'ny hoe : 'mahery fo na zelota amin'ny fitiavana an'Andriamanitra'. (Marihin'ny mpandika fa misy koa ilay fiteny faheno matetika hoe : 'mistery izany zanako hoy i maopera' ).

Ho an'ireo izay mbola tsy afa-po amin'ireo porofo voalaza hatreto mba hampiharihariana amin'ny fahamatorana hentitra fa ireo mambra amin'ireo tarika roa ireo,dia ny ekipa revolisionera sy ny an'ny apostoly,anie ka olona mitovy ihany (sahala tay voro-tsihy),dia mbola haseho amin'ny fomba tsy azo ihoriranana amin'ny alalan'ireo toko manaraka fa i Joany an'i Gamalà ,lahimatoan'i Jodasy lehi-Galileanna,ary sefon'ny tarika zelota antsoina hoe 'nazira' ,sy i 'Jesoa an'i Nazareta' sefon'ny tarika Boanarjesy antsoina hoe 'nazareanna' dia olona iray ihany.
(/Luigi Cascioli,libre traduction et adaptation par Ralasivola).

Miverina any amin'ny
pejy fizahan-takelaka mba ahafahanao manohy ny famakiana ny manaraka

Raha te hanoratra ianao tsindrio
eto

Ireto misy sarin'ny vohitr'i Gamala sasantsasany:
1 - 2 - 3 -4- -5-

1

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire